Fizahan-teny

Ohabolana : tany

Ohabolana 1Tanin-dRabidiboka : samy mitomany ny an-dranony. [1.147 #T55]

Ohabolana : tany

Ohabolana 1Afa-draorao, toy ny tany dilatra afa-bato. [2.415 #1602, 2.653 #20]
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato. [2.558]
Dikanteny frantsayL' homme délivré de tout embarras et de toute difficulté est semblable au limon sans pierres ni aspérités. [2.415 #1602]
Fanazavana frantsayExpression employée quand on est débarrassé de tout obstacle. [2.415 #1602]

Ohabolana 2Aiza ny tany hadina no dia ho mby ao an-karona avokoa ? [2.653 #29, 2.974 #42]
Aiza no tany hadana no ho tonga ao an-karona daholo. [2.558]
Dikanteny frantsayImpossible de mettre dans la corbeille toute la terre que la bêche a fouillée. [2.974 #42]

Ohabolana 3Akanga diso ala ka mahatsiahy ny tany nahazatra. [2.558]

Ohabolana 4Aketalahy an-kadilanana aho : madio elatra amin' ity tany ity. [2.415 #2939]
Aketalahy an-kadilanana aho : mondro elatra amin' ity tany ity. [2.415 #2985, 2.653 #39]
Aketalahy an-kadilanana, ka mondro elatra amin' ity tany ity. [2.558]
Aketalahy an-kadilanana: madio elatra amin’ ity tany ity. [2.653 #40]
Dikanteny frantsayJe suis comme le mâle de la sauterelle adrisa qui habite dans un défilé : j' ai les ailes usées dans ce pays-ci. [2.415 #2985]
Je suis comme le mâle de la sauterelle adrisa qui habite un défilé : je n' ai pas les ailes pesantes et chargées, mais nettes et propres dans ce pays-ci. [2.415 #2939]
Fanazavana frantsayCe proverbe était dit par l'homme qui, à cause de sa mauvaise réputation ou de sa pauvreté, ne trouvait pas de femme à épouser ; c' était un proverbe de la contrée d' Ambohidratrimo aux environs de Tananarive. [2.415 #2985]
Ce proverbe était en usage dans la région d' Ambohidratrimo : il était dit par l' homme qui, à cause de sa réputation et de son argent, trouvait une femme à épouser. [2.415 #2939]

Ohabolana 5Akoholahy maneno an-tsena: tsy hery, fa alahelo ny tanana nilaozana. [2.653 #63]
Akoholahy maneno an-tsena : tsy hery fa hanina ny tany nilaozana. [2.558]

Ohabolana 6Aleo mahantra an-tanindrazana, toy izay malahelo any an-tanin' olona. [2.558 #116]

Ohabolana 7Ambarivatry nafafy amy ny tany: tsy very, fa miverina amin’ izay nangalany azy. [2.653 #122]
Ambarivatry nafafy amin' ny tany : tsy very, fa miverina amin' izay nangalana azy. [2.558 #17]
Amberivatry nafafy amin' ny tany : tsy very, fa miverina amin' izay nangalany azy. [2.415 #2166]
Fanazavana frantsayAmbrevades semées en terre : elles ne sont pas perdues, elles reviennent à l' endroit où on les a prises. [2.415 #2166]

Ohabolana 8Ambohimanambola no matavy omby, ka Ambohimalaza no lafo kitay. [2.415 #2168]
Ambohimanambola no matavy omby, ka Antanamalaza no lafo kitay. [2.165 #1496, 2.653 #142]
Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay. [2.558, 1.1]
Fanazavana malagasyMisy ifandraisany ny fiainan' ny tanàna na tany samihafa fa ny mitranga amin' ny anankiray misy akony amin' ny anankiray hafa, na koa hoe ny fahombiazan' ny sasany, fahasahiranana ho an' ny hafa. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est au village à' Ambohimanambola que les boeufs sont gras et c' est à Ambohimalaza que le combustible est cher. [2.415]
Comme il y a des bœufs gras à Ambohimanambola, les marchands de bois d' Antanamalaza feront de bonnes affaires. [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion à ce que les gens d' Ambohimanambola achetaient le combustible à Ambohimalaza pour faire cuire leur viande de boeuf et faire bonne chère. [2.415]
Car il faudra du bois pour cuire la viande de ces bœufs. [2.165]

Ohabolana 9Androngo an' asa: (amin' ny tany asaina) ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. [1.1]
Androngo an-asa : ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. [2.165 #1170, 2.558 #235, 2.653 #218]
Fanazavana malagasySamy mamonjy ny ainy avy raha misy olona miasa tany fa sao tapaky ny angady eo ny rambo. [1.1]
Dikanteny frantsayDes lézards dans la terre qu' on laboure: chacun s' esquive pour sauver sa queue (pour l' empêcher d' être coupée par les coups de bêche). [2.165]

Ohabolana 10Angady mondro nihadian-tany, ka midofoka ihany, fa tsy mety latsaka. [2.415 #5429]
Angady mondro nihadian-tany: midofitra ihany fa tsy mety latsaka. [2.165 #2169]
Angady mondro nihadian-tany : mifototra ihany, fa tsy mety latsaka. [2.415 #3654]
Angady mondro nihadian-tany : teo ihany fa tsy latsaka. [2.558]
Angady mondro nihadian-tany : teo ihany fa tsy nievotra. [2.558]
Dikanteny frantsayBêche usée dont on se sert pour creuser la terre, elle donne des coups, mais elle ne pénètre plus dans la terre. [2.415 #5429]
Bêche usée qui a servi à creuser la terre : elle frappe fort, mais elle n' entre pas. [2.415 #3654]
Une bêche tout usée ayant servi à labourer la terre: elle frappe fort (jusqu' au manche), mais n' enfonce pas beaucoup. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas oublier les bienfaits reçus. [2.415 #5429]
Parce quelle est trop émoussée. [2.165]

Ohabolana 11Aoka ho samy masina an-taniny. [2.558 #328]
Aoka ho samy masina an-toerany. [2.415 #837, 2.653 #279]
Dikanteny frantsayQue chacun soit libre dans sa position. [2.415 #837]

Ohabolana 12Aombilahy marangitra, tsy mifidy tany hiadiana. [1.147 #A102]

Ohabolana 13Aza atao toy ny angady, ka ny lelany mitomboka tany, sasana amin' ny rano, fa ny zarany tsy mikasi-potaka, hosorana menaka. [2.558 #418]

Ohabolana 14Aza ilazana ny mahalam-be fototra aho, fandrao miava tany maina. [2.558 #452]
Aza ilazanao ny mahalam-be fototra aho, fandrao miava tany maina. [2.165 #520]
Dikanteny frantsayN' allez pas dire (au propriétaire de la rizière) que le riz est clairsemé mais très tallé, car il vous fera sarcler la terre sèche. [2.165]

Ohabolana 15Aza manao tany lavitra andriana. [2.415 #195, 2.558 #586, 2.653 #510]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme si vous étiez dans un pays éloigné du souverain. [2.415 #195]
Fanazavana frantsayPlus les pays étaient éloignés du souverain, et plus il était difficile d' y faire respecter la loi. [2.415 #195]

Ohabolana 16Aza manao voli-vary an-kitram-bero : ny tian' ny tany tsy atao, fa ny tian' ny olona no atao. [2.415 #2280, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme une plantation de riz au milieu d’une brousse d’herbe Vero : on ne fait pas ce que la terre aime et demande, mais on fait ce que veut le propriétaire. [2.415 #2280]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui cherchent leurs intérêts propres sans s’occuper des intérêts généraux. [2.415 #2280]

Ohabolana 17Aza mihinan-tena hoatry ny tany mietsaka. [2.415 #2353]
Mihinan-tena, ohatra ny tany mietsaka. [2.653]
Dikanteny frantsayNe vous mangez pas vous-même comme la terre qui s' éboule d' elle-même. [2.415 #2353]
Fanazavana frantsaySe disait des dissipateurs. [2.415 #2353]

Ohabolana 18Aza mijery tany avo avaratra. [2.165 #2267, 2.653 #619]
Dikanteny frantsayNe regardez pas (toujours) vers le pays élevé qui est au nord. [2.165]
Fanazavana frantsayN' ayez pas de trop grands espoirs, ou: ne vous faites pas trop d' illusions, comme en comptant sur un héritage, etc. [2.165]

Ohabolana 19Aza mitady tany malemy hanorenam-pangady. [2.653 #649, 2.974 #185]
Dikanteny frantsayNe pas chercher une terre molle pour y planter une bêche. [2.974 #185]

Ohabolana 20Boka misambo-balala : mamely totohondry ny tany. [2.415 #1971, 2.653 #795]
Dikanteny frantsayLépreux qui veut prendre des sauterelles : il donne des coups de poing par terre et c' est tout. [2.415 #1971]
Fanazavana frantsayLe lépreux n'a pas de doigts ; se disait des gens maladroits. [2.415 #1971]

Ohabolana 21Dia varotra tsy raikitra va no haharatsy tany? [2.165 #1191]
Dia varo-tsy raikitra va no haharatsy tany ? [2.653 #835]
Dikanteny frantsayEst-ce qu' un marché non conclu doit gâter la bonne entente? [2.165]

Ohabolana 22Dony ny tanin' andriana, izay mifody tsy manana. [2.415 #3640]
Dikanteny frantsayFrappons la terre du souverain, et que celui qui se dédira soit frustré de tout. [2.415 #3640]
Fanazavana frantsayFormule prononcée après un contrat. [2.415 #3640]

Ohabolana 23Fa bainga tany an-tenantenan-tsolatra angaha, ka raha tsy voapaoky ny rivo-dririnina aza, dia akoan' ny oram-pahavaratra. [2.558 #1048]

Ohabolana 24Fahoriana tsy ho afaka va iny, ka dia handry aman-tany ? [2.415 #2598, 2.653 #884]
Fahorian-tsy ho afaka ve iny ka dia handriana amin' ny tany. [2.558 #1056]
Dikanteny frantsayAvez-vous donc un malheur inguérissable que vous êtes ainsi couché à terre? [2.415 #2598]
Fanazavana frantsayÊtes-vous donc sans espoir ? [2.415 #2598]

Ohabolana 25Fanambadiana nataon-Janahary, ny taty nanana, ny avy tany nitondra. [1.147 #F7]

Ohabolana 26Fangady lava zarana hahamainty molaly ny tany sy ny fanjakana. [2.415 #489]
Dikanteny frantsayLes Hova sont comme des bêches à manche long et fort, pour fertiliser le sol et rendre le royaume prospère. [2.415 #489]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina pour exciter le peuple à travailler la terre ; se disait de ceux qui travaillaient à rendre leur famille riche et prospère. [2.415 #489]

Ohabolana 27Fanjaitry ny tany, kofehy mando mitam-panjakana. [2.415 #417]
Kofehy mando mitam-panjakana. [2.415 #640]
Dikanteny frantsayLes chefs sont comme la corde mouillée qui ne casse pas et tient le royaume. [2.415 #640]
Mes soldats sont l' aiguille qui a cousu le pays, la corde mouillée qui lie le royaume. [2.415 #417]
Fanazavana frantsayComparaisons employées par le roi Andrianampoinimerina. [2.415 #417]

Ohabolana 28Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona. [2.165 #1672]
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay mihinana olona. [2.558 #1152]
Dikanteny frantsayDésirer beaucoup trouver un pays où il n' y ait pas de tombeaux (où l' on ne meure pas), et arriver dans un pays de cannibales. [2.165]

Ohabolana 29Fotoan-goaika ka any an-tanim-boanjo mifankahita. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mananjava-tiana iray. [1.1]
Samy tsy maintsy ho hita any amin' izay misy an' io zavatra io izy ireo. [1.1]

Ohabolana 30Fotsy tany onenana mba fotsy; mainty tany onenana mba mainty. [2.415 #5794, 2.653 #987]
Fotsy tany onenana, mba fotsy, mainty tany onenana, mba mainty koa. [2.558 #80]
Dikanteny frantsaySi les gens de la contrée sont blancs on est blanc avec eux ; s' ils sont noirs on est noir avec eux. [2.415 #5794]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui sont de l' avis de tout le monde. [2.415 #5794]

Ohabolana 31Hady voanjo ny fanompoana, ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany koa hohazan-tanana, hamenoana ny harona. [2.415 #373]
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona. [2.165 #1527]
Dikanteny frantsayLa corvée est comme la récolte des arachides: on ne met pas dans la corbeille seulement celles qui tiennent encore à la tige, mais aussi celles qui sont tombées à terre et qui doivent être ramassées à la main afin de remplir la corbeille. [2.165]
La corvée est comme les arachides qu' on arrache de la terre : on ne met pas seulement dans le panier ce qui vient avec la tige, mais les mains fouillent dans la terre et cherchent ce qui reste afin de remplir le panier. [2.415 #373]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait les recherches scrupuleuses qui étaient faites pour remplir le nombre des escouades destinées à la corvée. [2.415 #373]

Ohabolana 32Hianareo izao no lakana hisotroan-drano, sompitra hihinanam-bary, tany honenana. [2.415 #201]
Hianareo izao no lakana isotroan-drano, sompitra hihinanam-bary, tany honenana. [2.653 #1068]
Hianareo izao no lakana isotroan-drano, sompitra ihinanam-bary ary tany onenana. [2.558 #1332]
Lakana isotroan-drano, sompitra hihinanam-bary, tany honenana. [2.974 #343]
Dikanteny frantsayC' est vous, ici présents, qui êtes la pirogue avec laquelle on va boire de l' eau, la grande corbeille qui donne le riz à manger, le pays où l' on habite. [2.415 #201]
Pirogue qui permet de se pencher pour boire, grenier où se trouve la provision de riz, terre d’habitation. [2.974 #343]
Fanazavana frantsayParoles des souverains au peuple et formules d' enrouragement. [2.415 #201]

Ohabolana 33Hianareo no trafo nasondrotry ny nofo sy vato nasondrotry ny tany. [2.558 #1337]

Ohabolana 34Hidy sy rakotry ny tany, hitana izao vinorin' i Lehidama, nanaovana salaka fohy rambo sy nanaovana sakafo ambany foitra. [2.415 #425]
Dikanteny frantsayL' armée est la serrure et le couvercle pour protéger le royaume : elle garde ce que Radama et les autres souverains ont réuni en un seul royaume avec tant de peines et de privations. [2.415 #425]
Fanazavana frantsayParoles des souverains de l' Imerina. [2.415 #425]

Ohabolana 35Hoy ny akoho mikotrika: Nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany. [2.165 #2304]

Ohabolana 36Homan-tena ohatra ny tany mainty. [2.165]
Dikanteny frantsayQui se mange lui-même, comme du terrain noir. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne forme qu' une mince couche qui est bientôt emportée par les pluies. [2.165]

Ohabolana 37Homan-tena, toa tany ratsy. [2.415 #2370, 2.558 #1374, 2.653 #1097]
Dikanteny frantsayLe prodigue se mange lui-même comme la mauvaise terre qui s'éboule d'elle-même. [2.415 #2370]

Ohabolana 38Ikala fohy mizaha lanonana; efa mody vao hitan' ny olona. [1.1]
Ikala fohy mizaha lanonana, ka efa mody vao hitan' ny olona. [2.165 #1366]
Ikala fohy nizaha lanonana, efa mody vao hitan' ny olona. [2.415 #1567, 2.653 #1108]
Ikala fohy nizaha lanonana : mody vao hitan' ny olona. [2.558 #1392]
Ikala kely nizaha lanonana, efa mody vao hitan' ny olona. [2.415 #1567]
Fanazavana malagasy(satria noho izy fohy dia very tany anatin' ny olona tany): enti-milaza zavatra na olona tsy tonga tamin' ny fotoana nilana azy. [1.1]
Dikanteny frantsayPetite fille qui est allée regarder les réjouissances publiques : on la voit quand elle part pour rentrer chez elle. [2.415 #1567]
Une petite fille assistant à une réjouissance publique; ce n' est que quand elle s' en retourne chez elle qu' on s' aperçoit qu' elle était là. [2.165]
Fanazavana frantsayAuparavant elle était perdue dans la foule. [2.165]
Se disait des gens auxquels on pense trop tard. [2.415 #1567]

Ohabolana 39Kalon' antitra ka tany no farany. [1.1]
Kalon' antitra ka tany (tomany) no farany. [2.558 #1591]
Toy ny kalon' antitra, ka ranomaso no farany. [2.558 #4293]
Toy ny kalon' antitra, ka tomany no farany. [2.165 #1940]
Toy ny kalon' antitra : tany no farany. [2.415 #1867, 2.653 #3203, 2.974 #232]
Fanazavana malagasyIlazana ny hira fanaon' ny antitra mitanisanisa ny fotoan-dasa ka mahatonga azy hanembonembona ary mazàna miafara amin' ny tomany. [1.1]
Dikanteny frantsayChanson de vieux : à la fin ce sont des larmes. [2.974 #232]
Chants de vieillards : chants de plainte qui se terminent par des larmes. [2.415 #1867]
Comme le chant des vieux, il finit par des larmes. [2.165 #1940]
Fanazavana frantsayIls passent le temps à regretter le passé. [2.415 #1867]

Ohabolana 40Komby tsy ilaozan-tsetroka ary tany tsy ilaozan' ny diso. [2.558 #1661]

Ohabolana 41Lalovan-konenana toa tany. [2.558 #1693]

Ohabolana 42Lava volo ny tany sy ny fanjakana, raha mpanjaka tsy mahomby no mitondra. [2.415 #207]
Dikanteny frantsayLa terre du royaume se couvre de longues herbes quand c' est un roi incapable qui gouverne. [2.415 #207]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina. [2.415 #5207]

Ohabolana 43Lolo an-tanin' andro, ka tsy mahafoy tany hita. [2.165 #601]
Lolo an-tanin’ andro : tsy mahafoy tany hita. [2.653 #1377]
Dikanteny frantsayUn papillon au soleil, il ne quitte pas la place (chaude) qu' il a découverte. [2.165]

Ohabolana 44Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany. [2.165 #295]
Lolompon-kovalahy : tsy miseho tsy tany ratsy. [2.415 #6400]
Lolompon-kovalahy, tsy mitranga tsy ratsy tany. [2.558 #135]
Dikanteny frantsayLa rancune d' un Hova: elle ne se montre que quand les temps sont mauvais. [2.165]
Rancune d' un Hova : elle ne paraît que dans les temps mauvais. [2.415 #6400]
Fanazavana frantsayC' est-à-dire lorsque la vengeance est facile. [2.415 #6400]
Il est plus facile alors de se venger. [2.165]

Ohabolana 45Mahery an-tanin' olona hoatry ny sakay. [2.415 #642]
Mahery an-tanin’ olona, ohatra ny sakay. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayFort sur le terrain d' autrui comme le piment. [2.415 #642]
Fanazavana frantsaySe disait des grands qui se croyaient tout permis, et aussi des prétentieux sans influence. [2.415 #642]

Ohabolana 46Malama maina ny tanin' ny mpanjaka, ka sarotra anaovana tongo-dovia. [2.415 #354, 2.165]
Dikanteny frantsayLa terre du souverain est glissante sans être mouillée : il est difficile de s' y tenir sur un pied. [2.415 #354]
Le territoire (ou pays) du souverain est glissant même en temps sec, et il est difficile de s' y tenir sur un pied. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. on ne peut pas y faire tout ce qu' il vous plaît; il faut y observer les lois et les usages, car on n' y est pas caché. [2.165]
Il faut observer les lois. [2.415 #354]

Ohabolana 47Mamantan-tany foana toy ny havandra tonga ririnina. [2.165 #975, 2.415 #3927]
Mitsapa (mamantan-)tany foana tahaka ny havandra ririnina. [2.558 #2502]
Namantan-tany foana tahaka ny havandra ririnina. [2.558 #2728]
Dikanteny frantsayArriver où il n' y a plus rien, comme la grêle qui tombe en hiver. [2.165]
Arriver trop tard comme la grêle qui tombe en hiver. [2.415 #3927]
Fanazavana frantsayIl n'y a plus rien. [2.415 #3927]
La grêle après vendanges. [2.165]

Ohabolana 48Mamy ny tany ipetrahan' ikaky sy ineny. [2.415 #1521]
Dikanteny frantsayDouce est la terre où demeurent papa et maman. [2.415 #1521]
Fanazavana frantsayParoles par lesquelles l' enfant exprime son amour filial et son attachement à la terre qui l'a vu naître. [2.415 #1521]

Ohabolana 49Manao tongolo be fofona amin' ny tany. [2.415 #356]
Tongolo maty taho, ka be fofona amin' ny tany. [2.165 #155, 2.558 #4192]
Tongolo tapa-bilany, ka mangidy be fofona. [2.558 #4193]
Tongolo tapa-bilany : mangidy be fofona amin' ny tany. [2.415 #365]
Dikanteny frantsayDes oignons dont la tige est tombée sentent très mauvais dans la terre. Les mauvaises action répandent une mauvaise odeur. [2.165]
Pousser à la révolte ou répandre de faux bruits, c' est comme un oignon qui répand une forte odeur. [2.415 #356]
Trop d' oignons dans la marmite empestent les alentours. [2.415 #365]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui poussent à la révolte ou répandent de faux bruits dans le royaume ou dans une famille. [2.415 #365]

Ohabolana 50Mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena. [1.1]
Mandia tany ka solafaka, miloloha lanitra ka lena. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-manambara na miala tsiny fa na iza na iza tsy maintsy manana ny halemeny noho ny maha-olombelona azy (mivelona eto antany). [1.1]
Enti-milaza fa ny olombelona dia mety diso na mety ho voan-javatra, toy ny aretina, ny voina... [1.1]

Ohabolana 51Mandia tany naleha ohatra ny fanoron' ny tsy mahay. [2.165]
Mandia tany naleha toa fanoron-dratsy. [2.558 #2065]
Mandia tany naleha toa fanoron' ny tsy mahay. [2.415 #3030, 2.653 #1585]
Dikanteny frantsayPasser toujours par les mêmes endroits, comme le mauvais joueur de "fanorona" . [2.165]
Revenir sur un terrain déjà parcouru comme les pions d'un joueur de fanorana inhabile. [2.415]
Fanazavana frantsayLe "fanorona", espèce de jeu de dames est le jeu national malgache. [2.165]
Revenir à ses premiers errements. [2.415]

Ohabolana 52Mianiana amin' ny tany aman-danitra. [2.415 #4204]
Dikanteny frantsayPromettre par le ciel et la terre qu' on ne recommencera pas. [2.415 #4204]

Ohabolana 53Miasa ny tany filanonana ka mamadika ny soa nifanaovana. [2.558 #2270]
Miasa ny tany filanonana ; mamadika ny soa nifanaovana. [2.415 #5454, 2.653 #1734]
Dikanteny frantsayRetourner en le travaillant un terrain affecté aux réjouissances publiques, c' est mal répondre aux bienfaits qu' on a reçus. [2.415 #5454]
Fanazavana frantsayLa force de ce proverbe est dans le jeu de mots sur miasa et mamadika dont le sens est : retourner par le travail. [2.415 #5454]

Ohabolana 54Mifidy tany malemy hanorenam-pangady. [2.974 #485]
Dikanteny frantsayChoisir une terre molle pour y planter sa bêche. [2.974 #485]

Ohabolana 55Mikatona ny tany aman-danitra. [2.415 #2623]
Dikanteny frantsayLe ciel et la terre se confondent. [2.415 #2623]
Fanazavana frantsaySe disait des gens aveuglés par la douleur qui ne distinguent plus le ciel de la terre. [2.415 #2623]

Ohabolana 56Mikoa ny tany aman-danitra. [2.415 #2625]
Dikanteny frantsayLe ciel et la terre s' éboulent. [2.415 #2625]
Fanazavana frantsaySe disait d' une grande pluie, d' une calamité. [2.415 #2625]

Ohabolana 57Miloloha lanitra ka lena, mandia tany ka tafintohina. [2.558 #2346]

Ohabolana 58Misarimorimo hoatry ny valala : raha nanatody, nokotrehin' ny tany ; nony foy, tsy nanan-dreny harahina. [2.415 #1034]
Misarimorimo ohatra ny valala, nanatody nokotrehin' ny tany, nony foy tsy nanan-dreny harahina. [2.558]
Misarimorimo, ohatra ny valala : raha nanatody, nokotrehin’ ny tany; nony foy, tsy nanan-dreny harahina. [2.653]
Dikanteny frantsayTournoyer en bourdonnant comme les sauterelles : après la ponte, c' est la terre qui les a couvées ; une fois écloses, elles n' ont pas eu de mère pour les conduire. [2.415 #1034]
Fanazavana frantsaySe disait des orphelins et des malheureux qui n'ont personne à qui recourir ; ou bien de ceux qui veulent se mettre à 'écart de leurs parents. [2.415 #1034]

Ohabolana 59Mitsapa tany foana, ohatra ny havandra avy ririnina. [2.653]

Ohabolana 60Mitsinjo tany avo avaratra. [2.415 #3180]
Dikanteny frantsayRegarder les pays élevés du nord. [2.415 #3180]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui fait allusion à Ambohimanga la capitale du nord, se disait de ceux qui comptent sur leurs parents ou sur un héritage et vivent dans l' oisiveté. [2.415 #3180]

Ohabolana 61Mpantsaka mahay mikabary: handry ihany fa tsindrian' ny tavim-bilany. [2.165]
Mpantsaka mahay mikabary : hendry ihany, fa ambanin’ ny siny. [2.653]
Mpantsaka mahay mikabary : hendry ihany fa ambanin' ny tany. [2.558 #2603]
Dikanteny frantsayUn porteur d' eau grand discoureur: il parle bien mais sa tête est pressée par un têt de marmite (c. à. d. la cruche). [2.165]

Ohabolana 62Mpiasabe manao hisasahana: ny any ny tena indray no avela ho tany vao. [2.653 #1977]
Mpiasabe manao hisasahana : ny an' ny tena indray no avela ho tany vao. [2.415 #3859, 2.558 #2613]
Dikanteny frantsayHomme simple qui cultive les rizières des autres pour avoir la moitié de la récolte : il laisse pour cela les siennes en friche. [2.415 #3859]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui négligent leurs affaires pour celles des autres. [2.415 #3859]

Ohabolana 63'Naro, 'naro ; nady, nady ; tany hadina tsy an-karona aby. [1.147 #N1]

Ohabolana 64Ny anarana tanim-boanjo: izay kely famaritra no ratsy. [2.415 #1673, 2.653 #2155]
Ny anarana tanim-boanjo ka izay kely famaritra no manenina. [2.558 #2874]
Ny anarana tanim-boanjo, ka izay kely famaritra no ratsy. [2.165 #1329]
Dikanteny frantsayLe nom (que l' on prend) est comme un champ d' arachides, et celui qui n' en délimite qu' un peu, fait mal. [2.165]
Prendre un nom, c' est comme lorsqu' on prend une terre à planter des arachides : le moins bon est celui qui est le plus petit. [2.415 #1673]
Fanazavana frantsayIl faut bien choisir, puisqu' on est libre ; en malgache, les noms propres de personnes ont une signification. [2.415 #1673]
Puisqu' on peut se donner le nom que l' on veut, il vaut mieux en prendre un grand ou ronflant; ce n' est pas plus difficile que de délimiter un grand champ au milieu de terrains encore en friche et inoccupés. [2.165]

Ohabolana 65Ny anarana tanim-boanjo : samy mamangitra izay tiany atao. [2.415 #1674]
Dikanteny frantsayLe choix d' un nom c' est comme le choix d' une terre à planter des arachides : chacun prend où il veut et comme il veut. [2.415 #1674]
Fanazavana frantsayC' est une sottise de prendre trop peu de terrain lorsqu' on peut en prendre beaucoup ; c'est également une sottise de prendre un nom petit ou vilain quand on est libre d' en choisir un qui sonne bien. [2.415 #1674]

Ohabolana 66Ny andon' ny lanitra sy ny tsiron' ny tany anie homba anao lalandava. [1.1]
Fanazavana malagasyTeny enti-milaza tsodranom-pitahiana, noho ny ando mahatsara ny zavamaniry fa tsy mba manimba azy toy ny fanala. [1.1]

Ohabolana 67Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora tany mandondona, ka tsy hita izay ho lasa aloha. [2.415 #2892]
Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora vato mandondona ka tsy fantatra izay ho lasa aloha. [1.1]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana. [2.558 #3262, 2.653 #2428, 2.974 #163, 1.1]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha. [2.165 #1931]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana : tsy fantatra izay hianjera aloha. [2.415 #2910]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na ny tanora na ny antitra dia samy mety hopaohin-dRafahafatesana daholo. [1.1]
Na ny antitra na ny tanora, dia mety hindaosin' ny fahafatesana daholo, fa tsy misy hoe "Iretsy tsy maintsy lasa aloha na irery lasa aoriana". [1.1]
Dikanteny frantsayLa jeunesse est une pierre qui surplombe, la vieillesse un arbre au bord du précipice : qui s’en ira le premier ? [2.974 #163]
Le jeune homme est comme une pierre qui surplombe, et le vieillard comme un arbre au bord du précipice : on ne sait pas lequel des deux tombera le premier. [2.415 #2910]
Les jeunes sont (comme) un rocher surplombant, et les vieux (comme) un arbre planté au bord d' un précipice: on ne sait lequel des deux tombera le premier. [2.165]
Le vieillard est comme un arbre au bord du précipice et le jeune comme un terrain qui surplombe : on ne sait pas lequel tombera le premier. [2.415 #2892]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait l' incertitude du moment de la mort ; il signifiait aussi que le passé ne revient pas. [2.415 #2892]
Incertitude du moment de la mort. [2.415 #2910]

Ohabolana 68Ny fifonana no mendriky ny diso, fa mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena. [2.558 #2980]
Ny fifonana re no hatao, fa diso ; fa mandia ny tany, ka lavo ; miloloha ny lanitra, ka lena ; miara-monina aman-kavana, ka diso amim-pihavanana. [2.653 #2225, 2.415]
Dikanteny frantsayIl ne nous reste qu' à demander pardon, car nous avons été en faute ; en effet quiconque foule la terre, tombe ; quiconque a le ciel au-dessus de sa tête, se mouille ; quiconque demeure avec des parents, peut faillir contre les devoirs de la parenté. [2.415 #6420]
Fanazavana frantsayIl est humain d'errer, il faut savoir reconnaître sa faute. [2.415 #6420]

Ohabolana 69Ny harena rehetran' ny tany tsy mahasambatra ny olona. [2.415 #2225]
Dikanteny frantsayToutes les richesses de la terre ne suffisent pas à rendre l' homme heureux. [2.415 #2225]

Ohabolana 70Ny hazo no vanon-ko lakana, ao ny ala naniriany. [2.415 #2774, 2.165]
Ny hazo no vanon-ko lakana: ny tany naniriany no tsara. [1.1]
Fanazavana malagasyNy zavatra no vanona dia ny any amin' ny fototra no tsara. [1.1]
Ny zavatra tsara dia avy amin' ny zavatra tsara ihany. [1.1]
Dikanteny frantsaySi avec un arbre, on peut faire une pirogue c' est grâce à la forêt où il a poussé. [2.165]
Si on peut faire une pirogue avec un arbre, c' est que l' arbre a poussé dans la forêt. [2.415 #2774]

Ohabolana 71Ny herana aman-jozoro dia maniry amin' ny tany, ary ny volamena sy ny volafotsy dia tsy latsaka avy any an-danitra. [2.415 #6241]
Dikanteny frantsayLes joncs poussent de la terre, l' or et l' argent ne tombent pas du ciel. [2.415 #6241]
Fanazavana frantsayParoles de Radama I sur le travail. [2.415 #6241]

Ohabolana 72Ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy lehana, ary ny tany tsy refesina. [2.165 #2252]
Ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ary ny tany tsy refesina. [2.415 #230]
Ny manjaka toy ny lanitra, ka tsy azo refesina; toy ny masoandro, ka tsy azo tohaina. [2.415 #232, 2.653]
Ny manjaka toy ny lanitra, ka tsy azo refesina; toy ny masoandro, ka tsy azo zehena. [2.415 #232, 2.653]
Ny masoandro tsy azo zehena. [2.415 #234]
Ny mpanjaka toy ny lanitra ka tsy azo refesina, ary toy ny masoandro ka tsy azo tohaina. [2.165]
Ny mpanjaka toy ny lanitra ka tsy azo refesina, ary toy ny masoandro ka tsy azo zehena. [2.558 #3157, 2.165, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny fahefan' ny mpanjaka izay tsy refersai-mandidy ary tsy toherin-teny. [1.1]
Dikanteny frantsayLe ciel n' est pas limité, le soleil n' est pas mesuré, la terre est incommensurable. [2.415 #230, 2.165]
Le souverain est comme le ciel et on ne peut le limiter, il est comme le soleil et on ne peut le mesurer (ou: on ne peut s' y opposer). [2.165 #1399]
Le souverain est comme le firmament : on ne peut pas le mesurer ; il est comme le soleil : on ne peut ni l' arrêter ni le mesurer par empans. [2.415 #232]
Le souverain est comme le soleil qui ne peut pas se mesurer par empans. [2.415 #234]
Fanazavana frantsayL'autorité du souverain est sans bornes. [2.415 #232]
Se disait du souverain. [2.415 #230]
Son autorité est sans bornes. [2.415 #234]

Ohabolana 73Ny sakay no mahery an-tanin' olona. [2.165 #2226]
Dikanteny frantsayCe n' est que le piment qui est fort chez les autres. [2.165 #2226]

Ohabolana 74Ny tany sahala amin' ny vilanibe ary ny olona toy ny hena. [2.558 #3264]
Ny tany toy ny vilanibe, ary ny olona toy ny hena. [2.653 #2429, 2.415]
Dikanteny frantsayLa terre est comme une grande marmite et les hommes sont comme la viande qui est dans la marmite. [2.415 #1687]

Ohabolana 75Ny tany vadiben' i Zahanary: mihary ny velona, manotrona ny maty. [2.415 #45]
Ny tany vadibeny Zanahary: mihary ny velona, manotrona ny maty. [2.653]
Ny tany vadiben-Janahary : mihary ny velona, manotrona ny maty. [2.558 #3263]
Dikanteny frantsayLa terre est la première épouse de Dieu : elle nourrit les vivants et les morts, elle les serre dans ses bras. [2.415 #45]
Fanazavana frantsayCe proverbe sakalava était fort connu en Imerina ; comparaison avec la première femme d'un polygame : c' était elle qui avait soin des biens de la maison. [2.415 #45]

Ohabolana 76Ny vitsika no keliray, ny fanompoana no mafy : mivoaka, mitondra tany ; miditra, mitondra hanina ; kanefa nony tonga, ny tsy naka no homana. [2.415 #731, 2.653 #2481]
Dikanteny frantsaySi les fourmis sont chétives, c' est que leur corvée est rude : en sortant elles portent de la terre ; en rentrant elles apportent des provisions ; mais quand elles arrivent, c' est celui qui n' a pas amassé qui mange tout. [2.415 #731]
Fanazavana frantsayCe proverbe qui s'appliquait aux exacteurs, fait allusion au serpent renimandotra ; les Malgaches disaient que ce serpent habitait les fourmilières et était nourri par les fourmis qui à leur tour mangeaient son cadavre. [2.415 #731]

Ohabolana 77Ny vokatry ny tany mahavoky, ny tandroky ny fanjakana maharo. [2.415 #446]
Dikanteny frantsayLes fruits de la terre rassasient le peuple et ce sont les soldats qui sont les cornes protectrices du royaume. [2.415 #446]
Fanazavana frantsaySe disait de toute affaire qu' on avait fait réussir. [2.415 #446]

Ohabolana 78Nokekerin' amboa tany Imamo, ka any Ambatomanga mbola mikapoka alika ihany. [2.415 #6404, 2.653]
Dikanteny frantsayMordu par un chien dans l'Imamo, il frappe encore les chiens lorsqu' il est à Ambatomanga dans l'Imerina. [2.415 #6404]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui n' oublient pas. [2.415 #6404]

Ohabolana 79Papango mipaoka an-dranomasina : mipaoka an-tanin' olona. [2.415 #4313, 2.558 #3480, 2.653 #2593]
Dikanteny frantsayOiseau de proie papangue qui enlève une proie sur mer : il prend sur le terrain d' autrui. [2.415 #4313]
Fanazavana frantsaySe disait de deux rusés ou de deux voleurs. [2.415 #4313]

Ohabolana 80Piso be mangery am-bato : very tany hatototra. [1.147 #P7]

Ohabolana 81Raha mahay no vadintany, fa raha tsy mahay avadiky ny tany. [2.558 #3604]
Raha mahay no vadintany, fa raha tsy mahay dia avadiky ny tany. [2.415 #3417]
Raha mahay no vadintany; fa raha tsy mahay dia havadiky ny tany. [2.653]
Dikanteny frantsayS' il est habile il est agent du gouvernement dans les provinces ; mais s' il ne l' est pas, les provinces le secouent et le rejettent. [2.415 #3417]
Fanazavana frantsayJeu de mots : vadintany agent du gouvernement dans les provinces, et avadiky ny tany secoué et rejeté par les provinces. [2.415 #3417]

Ohabolana 82Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona; ary raha tany misy loha, dia misy lela; ary raha tany misy lela, dia misy havitra. [2.165]
Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona ; ary raha tany misy loha, dia misy lela ; ary raha tany misy lela, dia misy hevitra. [2.415 #307]
Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona; ary raha tany misy loha, dia misy lela; ary raha tany misy olona, dia misy havitra. [2.165]
Dikanteny frantsaySi dans un pays il y a des mares, il y a des grenouilles ; s' il y a des têtes, il y a des langues ; et s' il y a des langues, il y a des pensées. [2.415 #307]
Si un pays contient des mares, il y a des grenouilles; et si un pays contient des têtes, il y a des langues; et si un pays contient des langues (ou: des gens), il s' y trouve des idées. [2.165]

Ohabolana 83Raha tsy afa-bintana, mianjera foana tahaky ny tany mikororosy. [2.415 #104]
Dikanteny frantsaySi on n' est pas bien exorcisé, on tombe de faiblesse comme une terre qui s' éboule d' elle-même. [2.415 #104]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la puissance des sorts. [2.415 #104]

Ohabolana 84Rano an-tavoangy : maniry tany hita. [1.147 #R33]

Ohabolana 85Rano velona tarihin-dririnina: miala amy ny tany itoerany, fa tsy tonga amy ny hitarihana azy. [2.653 #2757]

Ohabolana 86Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' izay itarihana azy. [2.558]
Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' ny itarihana azy. [2.415 #3364]
Dikanteny frantsayEau vive qu' on amène en hiver par des canaux dans un village : elle quitte bien l' endroit où elle était, mais elle n' arrive pas à l' endroit où on veut l' amener : elle se perd en route. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui se perd en route, par exemple l' argent dans un procès. [2.415 #3364]

Ohabolana 87Sakalava miankandrefana : tsy resy fa manina ny tany nahabe. [2.558 #3797]

Ohabolana 88Sima nozairina : tafahoana fa mikentrona. [2.558 #3888]
Sima nozairina : tonga tany ihany, fa miketrona. [2.415 #1708, 2.653]
Dikanteny frantsayBec-de-lièvre qu' on a cousu : tout se rejoint mais il y a des plis. [2.415 #1708]
Fanazavana frantsayIl reste des traces des difficultés, ou des événements, ou des paroles, même après arrangement ou réconciliation. [2.415 #1708]

Ohabolana 89Tahaka ny hady voanjo ny fanompoana : tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amy ny tany hohazan-tanana, mba hamenoana ny harona. [2.653]
Tahaka ny hady voanjo ny fanompoana : tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany koa hohazan-tanana. [2.558]

Ohabolana 90Tandroky ny tany. [2.415 #683]
Dikanteny frantsayLes chefs sont comme les cornes qui protègent le pays. [2.415 #683]

Ohabolana 91Tany fotsy anenenana, ka ny taniravo indray no atentina. [2.415 #141, 2.653 #3006]
Tany fotsy anenenana, ka ny taniravo no atentina. [2.558 #4106, 2.165]
Dikanteny frantsayAvoir du regret de la terre blanche, et pourtant en remettre par dessus. [2.165]
On regrette d' avoir mis au front de la terre blanche, et c' est de la terre blanche pétrie, appelée taniravo, que le sikidy ordonne de mettre. [2.415 #141]
Fanazavana frantsayC. à. d. regretter une faute commise, et pourtant y retomber bientôt. [2.165]
Les Malgaches se mettaient parfois de la terre blanche sur le front par superstition. [2.415 #141]

Ohabolana 92Tany hatra ody remby. [1.147 #T39]

Ohabolana 93Tany ikafaran-kilevenana, vady tsy tian-kianteherana. [2.558 #4105]
Tany ikafaran-kilevenana; vady tsy tian-kian-terana. [2.165 #2141, 2.653 #3005]
Dikanteny frantsayÊtre enterré dans un endroit dont on était mécontent; finir ses jours avec un conjoint qu' on disait ne pas aimer. [2.165]

Ohabolana 94Tany Imano re no nokekerin' alika fony fahavaratra, ka ambaraka ny efa aty Ilavatehezana avy ankehitriny no malonilony manenjika amboa mba hivaliana faty. [2.415 #6384]
Dikanteny frantsayIl a été mordu par un chien dans l'Imano pendant l' été, et à Ilavatehezana maintenant il poursuit les chiens pour se venger. [2.415 #6384]
Fanazavana frantsayIl n' oublie pas. [2.415 #6384]

Ohabolana 95Tany mainty tsy mba vazimba. [2.165 #60, 2.415 #113, 2.558 #4107, 2.653 #3007]
Dikanteny frantsayLa terre noire n' est pas un Vazimba. [2.165 #60]
Une terre noire n' est pas un Vazimba. [2.415 #113]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas voir des Vazimba partout. [2.415 #113]

Ohabolana 96Tanim-bomangan' avaratr' Ilafy, ka ny efa kotra ihany no avadibadika. [2.558 #4045]
Tanim-bomangan' Avaratr' Ilafy, ka ny kotra ihany no avadibadika. [2.165]
Tanim-bomangan' avaratr' Ilafy, koa ny kotra ihany no avadibadika. [2.415 #4820, 2.653]
Dikanteny frantsayChamps de patates des gens qui habitent au nord d'Ilafy : on tourne et retourne sans cesse un terrain épuisé par le même genre de culture. [2.415 #4820]
La culture des patates au nord d' Ilafy, on les plante toujours dans le même terrain. [2.165]
Fanazavana frantsayC' est de la paresse ou un manque d' initiative, car en cherchant on trouverait d' autres terrains favorables. [2.165 #1512]
Se disait de paroles ou actions répétées sans cesse. [2.415 #4820]

Ohabolana 97Tany namanany tsy ialan’ ny volovolony. [1.147 #T38]

Ohabolana 98Tanin' andriana tian-konenana, ary satan' andriana tsy harahina. [2.415 #258]
Tanin' andriana tian-konenana, ary satan' andriana tsy tiankarahina. [2.415 #258]
Tanin' andriana tian-konenana, ka satan' andriana tsy harahina. [2.165 #1411]
Tanin' Andriana tian-konenana, ka satan' Andriana tsy tian-ko arahina. [2.558 #4047]
Tanin’ Andriana tian konenana; satan’ Andriana tsy harahina. [2.653]
Dikanteny frantsayOn aime la terre d' un souverain pour y résider, mais on n' aime pas à se soumettre à ses lois. [2.415 #258]
Vouloir demeurer sur les terres du souverain, mais ne pas vouloir suivre ses lois. [2.165 #1411]
Fanazavana frantsayIl en coûte de se soumettre à toutes les volontés du souverain ; on voudrait avoir les avantages sans les inconvénients. [2.415]

Ohabolana 99Tany tsy very lohany, omby tsy andrasam-pamato. [2.165 #2217]
Dikanteny frantsayUn pays qui n' a pas perdu son chef, des bœufs qui ne sont pas gardés (contre les voleurs) par des charmes. [2.165]

Ohabolana 100Tefy vilany tany io, ka aleo ampiana toy izay anesorana. [2.415 #2249]
Dikanteny frantsayC' est comme lorsqu' on fait des marmites en terre : il vaut mieux y ajouter qu'en enlever. [2.415 #2249]
Fanazavana frantsayCe proverbe fait allusion à ce que la marmite en terre se rétrécit en cuisant ; il se disait des biens qu' il faut accroître et non diminuer. [2.415 #2249]

Ohabolana 101Tiana, ka tany lavitra natao folo hafatra, fa nony tonga tsy tian-kojerena. [2.558 #266]

Ohabolana 102Trano misy olona, misy afo, tany misy farihy, misy sahona. [2.558 #4384]

Ohabolana 103Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambony tratrany, rari-vato no an-dani-mandriny. [2.165 #2113]
Dikanteny frantsayNe les voyez-vous pas, les morts? Us sont couchés tous ensemble, chacun enveloppé de ses lamba, et la tête couverte pour n' aller nulle part. Le matin ils ne se lèvent pas, et le soir ils ne se chauffent pas; sur leurs poitrines il y a de la terre rouge, et à leurs côtes une maçonnerie. [2.165]
Fanazavana frantsayIl s' agit des morts couchés et empilés dans le tombeau de famille. [2.165]

Ohabolana 104Tsy mahita fetry ny lanitra, tsy manjehy ny masoandro, tsy mandrefy ny tany. [2.415 #262]
Tsy nahita fetry ny lanitra, tsy nanjehy ny masoandro, tsy nandrefy ny tany. [2.653 #3557]
Tsy nahita ny fetry ny lanitra, tsy nahajehy ny masoandro, tsy naharefy ny tany, nefa hitan' ny maso sy nodiavin' ny tongotra isan' andro. [2.558 #4758]
Dikanteny frantsayOn ne voit pas les bornes du firmament, on ne mesure pas le soleil par empans, on ne mesure pas la terre à la brasse. [2.415 #262]
Fanazavana frantsaySe disait de la puissance et de la grandeur du souverain, afin d' inspirer au peuple crainte et confiance. [2.415 #262]

Ohabolana 105Tsy manana tany na dia tsivalan-dia aza. [2.415 #2568]
Dikanteny frantsayIl n' a pas un coin de terre, pas même la longueur du pied. [2.415 #2568]

Ohabolana 106Tsy mandia tany : ny marary aza afa-mandeha. [2.415 #4839, 2.558 #4528, 2.653 #3377]
Dikanteny frantsayOn dit qu' on ne peut mettre les pieds à terre, et cependant les malades eux-mêmes peuvent marcher. [2.415 #4839]
Fanazavana frantsayC' est une excuse qui n' en est pas une. [2.415 #4839]

Ohabolana 107Tsy mba toy ny tsiriry vonon-kanidina, fa ny tsiriry ahitra mipetraka amin' ny tany. [2.558 #4576]
Tsy mba tsiriry vorona handositra, fa tsiriry ahitra hipetraka amin' ny tany. [2.415]
Tsy mba tsiriry voron-kanidina ; fa toy ny tsiriry ahitra mipetraka amy ny tany. [2.653 #3399]
Tsy mba tsiriry voron-kanidina, fa tsiriry ahitra hipetraka amin' ny tany. [2.415]
Dikanteny frantsayCe n' est pas le tsiriry canard sauvage qui s' envole au loin, mais la plante tsiriry qui demeure. [2.415]
Fanazavana frantsayCe n'est pas une chose qui passe, mais elle demeure ; jeu de mots sur les deux sens de tsiriry, qui est le nom d' un canard sauvage, et aussi le nom d'une plante. [2.415]

Ohabolana 108Tsy mety raha leon-dra-kena ka tany mena avy no handosirana. [2.558 #4597]
Tsy mety raha leon-dran-kena, ka ny tanimena avy no andosirana. [2.653 #3420]

Ohabolana 109Tsy mifidy tany hianjerana toa oram-pararano. [2.558 #4698]
Tsy mifidy tany hianjerana, toy ny oram-pararano. [2.165 #870, 2.415 #3154]
Dikanteny frantsayQui ne choisit pas l' endroit où il tombe, comme les pluies d' automne. [2.415 #3154, 2.165]
Fanazavana frantsayÊtre prêt à tout. il. [2.415 #3154]
Se dit d' une personne qui ne craint pas d' entreprendre tout ce qui se présente. [2.165]

Ohabolana 110Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka. [2.558 #4781, 1.1]
Fanazavana malagasyRaha misy tsy mahatamana amin' ny tany anankiray, tsy ny tany akory no anton' izany satria ny tany tsy fady na oviana na oviana, fa ny vavam-bahoaka raha toa ka ratsy ny atao. [1.1]

Ohabolana 111Tsiriry ahitra hipetraka amin' ny tany, fa tsy mba tsiriry vorona handositra ny ambanilanitra. [2.415 #490]
Dikanteny frantsayLes Hova sont la plante tsiriry qui reste dans la terre, et non pas le canard tsiriry qui s' envole au loin. [2.415 #490]
Fanazavana frantsayParoles dites par le roi Andrianampoinimerina aux Hova ses sujets, pour affirmer leur stabilité dans le royaume; jeu de mots sur les deux significations du mot tsiriry ; sens plus général ; vous pouvez compter sur nous. [2.415 #490]

Ohabolana 112Valala tongan-drivotra, ka mitety tany tsy fantatra. [2.974 #474]
Dikanteny frantsaySauterelles apportées par le vent et qui parcourent des terres inconnues (présomptueux ou indiscret ). [2.974 #474]

Ohabolana 113Vely bingin-dRatentena : anambo tsy ren-Janahary, ambony tany tsy ren' olombelona. [1.147 #V47]

Ohabolana 114Vinanto misorom-pihavanana rafozana, mividy hena matavy, manasa rafozana noho ny tany tsy lavitra, fa trano mifanolo-body rindrina. [2.415 #1482]
Dikanteny frantsayGendre qui n' a pas trop d' affection pour ses beaux-parents : quand il achète de la viande grasse, il les invite parce qu' ils habitent tout près et que maison est contiguë à la sienne. [2.415 #1482]
Fanazavana frantsaySe disait des gendres qui n' aimaient guère leurs beaux-parents, mais faisaient pour eux ce qu'ils étaient obligés de faire. [2.415]

Ohabolana 115Vitsika momba kitay : harivariva any an-tanin' olona. [2.415 #4036]
Vitsika momba kitay, ka harivariva any an-tanin' olona. [2.165]
Vitsika nomba kitay : harivariva any an-tanin’ olona. [2.653 #3683, 2.974 #239]
Vitsika nomba kitay, ka harivariva any an-tanin' olona. [2.558 #4958]
Dikanteny frantsayDes fourmis qui étaient sur du combustible (herbe ou bois): sur le soir elles se trouvent chez quelqu' un (au lieu d' être chez elles). [2.165]
Fourmi emportée dans la provision de paille à brûler : elle se trouve fort tard en pays étranger. [2.415 #4036]
Fourmi qui a suivi un fagot qu’on transporte : la nuit venue, la voilà seule dans une terre étrangère. [2.974 #239]
Fanazavana frantsayC' est surtout en rentrant chez eux vers le soir que les gens de la campagne apportent une petite botte d' herbe sèche ou un petit fagot de bois, pour faire cuire le riz du soir. [2.165]
Se disait des sens dépaysés, par exemple des orphelins obligés d'être chez les autres. [2.415]

Ohabolana 116Volon-tany arahin' ovy, tanety ambo javona. [1.147 #V85]

Ohabolana 117Volon-tany samihafa. [2.415 #344]
Dikanteny frantsayL' herbe des divers pays est différente. [2.415 #344]
Fanazavana frantsayChaque pays a ses moeurs et ses usages ; on appliquait aussi l' expression aux différentes couleurs de la peau. [2.415]

Ohabolana 118Vovoka an-kadilanana, ka ny sisa tsy lasan' ny rivotra raha ririnina, dia faohin' ny riaka raha fahavaratra. [2.415 #3164, 2.165]
Vovoka an-kadilanana : ny tsy lasan' ny rivo-dririnina, faohin' ny riaka raha fahavaratra. [2.558 #5053]
Vovo-tany an-kadilanana : raha ririnina, fohin’ ny rivotra ; raha fahavaratra, lasan' ny riaka. [2.974 #339]
Dikanteny frantsayComme la poussière d’un chemin encaissé : en hiver, le vent l’emporte ; en été, le torrent l’entraîne. [2.974 #339]
De la poussière dans un défilé: ce qui n' a pas été emporté par le vent en hiver est entraîné par les torrents en été. [2.165]
Poussière dans un défilé étroit ce que le vent d' hiver n' a pas emporté, est entraîné par les torrents en été. [2.415 #3164]

Fizahan-teny