Teny iditra maniry (iry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] [ mañiry ] Mitsiriritra: Mañiry mañitre dia koa kivahe miambojon-daro (mitsiriritra ny manitra toa alika miambozon-koditra) [1.78]
 Mitady hahazo, mitady ho: Maniry an' io toerana io mafy Rakoto ~ Maniry ny ho sakaizanao izy
Mitsiriritra: Aza maniry fananan' olona, hoy Andriamanitra ao amin' ny didy fahafolo
Mitovy hevitra: mandritika ~ mangetaheta mitsiriritra ~ mangirika ~ mibidibidy ~ miharana ~ mikatsaka ~ milela-tanana ~ milendalenda ~ mirary ~ mitady ~ mitelin-drora ~ mitomany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To wish for, to desire [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Désirer, convoiter [1.8]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maniry
Ny lasa : naniry
Ny hoavy : haniry
Filaza mandidy : maniria
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra maniry (tsiry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Ilazana ny voa izay alevina ao anaty tany ka velona misy aina ary mitombo ho azy irery ao: Maniry sahady ilay namboleko / Maniry ny volombavako
Mitsimoka: Maniry daholo ny hazo amin' ny lohataona
Mitombo: Maniry marina ny tsy fisian' asa amin' izao andro izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To sprout, to grow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pousser, croître [1.8]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maniry
Ny lasa : naniry
Ny hoavy : haniry
Filaza mandidy : maniria
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20