Teny iditra madio (dio)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsisy loto: Aoka hadio ny tranonareo
Mazava, azo itarafana: Madio mangalahala ny rano
Tsy misy fangarony, tsy misy fahony: Volamena tena madio ity izany ~ Amin' ny fo madio no ilazako izany aminao
Tsy misy zavatra azo aniniana: Madio ny eritreritro ka tsy raharahako izay lazainao
Foana, lany daholo, mafafa: Nataon' ny tontakely nadio ny tranony
Mitovy hevitra: azo itarafana ~ mangalahala ~ manganohano ~ mangarahara ~ mangarangarana ~ mangasohaso ~ mangatsakatsaka ~ mangatsohatso ~ mangoratsaka ~ manjopiaka ~ tsisy pentina ~ tsy arahin-katina ~ tsy misy fahofaho ~ tsy misy loto ~ tsy misy raorao ~ tsy misy romoromo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Clean [1.2, 1.7]
 Clear, pure, uncontaminated, free from guilt [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Propre [1.8, 1.13]
 Propre, innocent [1.8]
 Pur [1.13]
Ohatra 
1Aiza no hisy lakozia madio? [2.4]
2Maivana sy madio ny rivotra. [2.356]
3Nisarona voaly fotsy madio i Sahondra. [1.280]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : madio
Ny lasa : nadio
Ny hoavy : hadio
Filaza mandidy : madiova
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Rano an' ala madio mangamanga
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra madio
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay (merina, surtout dans l'Ankay d'après Grandidier) (de dio : ce qui est propre, net, et au sens figuré : innocent, chaste, comparer au sanscrit : dyu : clarté). Elaeocarpus alnifolius Baker (Elaeocarpaceae). L'amande des fruits est comestible (Grandidier) et peut fournir une huile très claire d'où probablement le nom. [1.196]
Anarana siantifika Elaeocarpus alnifolius
Voambolana 

Teny iditra MAD-IO
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Madagascar et Îles de l'Océan Indien [3.1]
Tsanganana sy sary iray takila Fanafohezan-teny

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12