Teny iditra hery
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tanjaka: Mahazendana ny herin' io lehilahy io fa voatariny amin' ny tanana ila ny fiarakodia
Fahefana: Manan-kery lehibe io fanjakana io
Hafanam-po, fanamparan-tanjaka: Alao hery, rankizy, ny fianarana ~ Manao an-keriny
Asa, vokatra: Manan-kery mety hahasitrana ity zavamaniry ity ~ Nisy heriny tokoa ny fivavahana nataonareo
Ambiny: Asio heriny kely ny karamako fa nitombo betsaka ny asa tamin' ito
Hany zavatra azo natao: Tsy hitako izay hatao, ka heriko nivoaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Strength, force, power [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Force, puissance [1.8]
Ohatra 
1Nampahazo hery ahy izany fiheverana mafonja izany. [2.4]
2Ny hery tsy mahateo ny fanahy. [2.296]
3Tohana sy hery ho an-dRadama ireo. [2.508]
4Ao ny masoko mijery afaka hamindra hery. [1.231]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Alahelo mody hery (Ny Onja)
Hery Mifanandrina
Hery sy ny zava-mampatahotra
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra hery
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anarana ilazana ankapobeny ireo zavamaniry misy tsilotsilony, toy ny havoatra, angivy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Nom de plusieurs plantes à piquants. Comme angivy [1.3]
 (du javanais ari ; nom général des plantes épineuses). On nomme plus spécialement ainsi, suivant les régions :
[Sakalava] Mimosa asperata L. (Fabaceae)
[Merina] Solanum erythracanthum Bojer (Solanaceae)
Voir heritsilo. [1.196]
Anarana siantifika Mimosa asperata, Solanum erythracanthum
Voambolana 
Tovy hevitra angivy ~ roingivy ~ voangivy

Teny iditra hery
Sokajin-teny Tsy lazaina
Fanazavàna teny malagasy Fandefasana fivalanana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]
Voambolana 
Sampanteny 
 

Teny iditra hery
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] fiverenana [1.78]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12