Entrée | atao (tao) | ||||||||||||||||
Partie du discours | verbe passif | ||||||||||||||||
Explications en malgache | Karakaraina sy vitaina: Ataovy ny raharahanao fa aza be resaka eo ¶ Anamboarana: Hataoko latabatra ity hazo tsara tarehy ¶ Ampiasaina: Nataony mpampianatra ny zanany aho ¶ Apetraka: Teto no nataoko ny satroko, nefa mahagaga fa tsy hitako eto intsony ¶ Ampidirina: Natao an-tranomaizina ilay mpangalatra ¶ Ahosotra, apetaka: Fanafody atao amin' ny tongotra ¶ Heverina: Nataoko ho efa vitanao ny fafa trano ¶ Antsoina: Fantatrao ve ilay zaza atao hoe: Isambilo? [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Explications en anglais | to be done [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Explications en français | qu'on fait, qu'on fabrique [Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Morphologie |
| ||||||||||||||||
Mots composés, titres, noms |
| ||||||||||||||||
Exemples | Lazaiko anao kosa anefa fa hataoko tsy maintsy henon'ny lehiben'ny distrika [Andraina: Mitaraina, page 187] | ||||||||||||||||
Citations | Proverbes contenant le mot atao | ||||||||||||||||
Mis à jour le 2020/07/31 |
![]() |