|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  omby
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin' io toerana io): Be loatra ny olona nasaina fa tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin' io efitra kely io? [1.1]
4 antonona, sahaza ka samy azo faritana amin'ny io na ny ampidirana na ny ampidirina: Tsy omby ny tongony ilay kiraro / Tsy omby an' ilay kiraro ny tongony [1.62]
5 antonona [Sihanaka] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  6 sufficient, enough, competent, large, spacious, roomy, reaching to, arriving at. It is also used for mby [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  7 suffisant, capable de contenir, qui contient; arrivé, rendu, entré dans: Omby olona roapolo ity trano ity (Cette maison peut contenir vingt personnes) ~ Tsy omby ny tongotro ireto kiraro ireto (Ces souliers sont trop petits pour mes pieds) ~ Nony omby tao an-trano izy... (Lorsqu'il fût arrivé à la maison...) [1.3]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io
Sary 
20 

Teny iditra (2/4)21  omby
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23 Biby lehibe ompiana, karazan' ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin' ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan' ny harena lehibe ho an' ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika. [1.1]
24 biby lehibe tariky ny misy taolantehezana, mandinika, miteraka sy mampinono ka iray hatrany ny zanany na dia mety hiteraka kambana aza; ... [1.62]
Fanazavàna teny anglisy  25 an ox, a cow, cattle. Bos indicus, Var. [swa. Ngombe.] see ombe. [1.2]
26 a cow, an ox; cattle [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27 boeuf, l'espèce bovine
28 grossier qui ne sait pas la politesse [1.3]
29 boeuf [1.54]
30 boeuf, vache [1.8]
Ohatra  31  Hay valan' omby tokoa no ao ary omby sivy no tsy maintsy havàhany sy havoakany hiraotra ahitra ery andrefam-bohitra [2.470]
32  ombiko ireo, nisy mpamosavy alika namoaka angamba ireo [2.472]
33  Rahefa tsy ampy ny volan' ialahy, amido amiko ny ombin-tsaretin' ialahy [2.472]
34  Ariary telo no nivarotako ny omby mifahiko (Jai vendu trente piastres le boeuf que j'avais engraissé) [1.3]
Haiendriteny 
35  Tsotra :
Sampanteny 
Anarana :
Voambolana  39  Haibiby: mampinono
Tovy hevitra  40 anombe, anomby, aombe, aomby, jamoka, mbe, ombe
Kamban-teny rehetra  41  Fikambanana 158 amin' io teny io
Anarana ara-tsiansa 
Ohabolana  43  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  44  Soratra misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  45  Soratr' omby
46  Bikan' ny tandrok' omby
Lahatsoratra  47 Randzavola: omby ao amin' ny Baiboly
Sary 
48  49 

Teny iditra (3/4)50  omby
Sokajin-teny  51  anarana
Fanazavàna teny malagasy  52 Trano ataon' ny bibindandy [1.1]
53 trano ataon'ny bibin-dandy hisitrihany [1.62]
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  54 action de faire le cocon, se dit des vers à soie [1.3]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  61  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)

Teny iditra (4/4)62  omby
Sokajin-teny  63  anarana
Fanazavàna teny malagasy  64 sefo, lehibe [1.60]
Fanazavàna teny frantsay  65 chef, patron (le chef est fort comme un boeuf) [1.60]
Tovy hevitra  66 alezy, baibony, kalabe, kalaina, kapta, katraka, laibany, mpanana, ngetroka, nob, pakta, pata

Fivaditsoratra  67 imbo, 68 mibo, omby

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/03