Teny iditra asondrotra (sondrotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao ho avoavo kokoa: Asondroty io sary io fa iva loatra ~ Asondroty ny feo
Akarina, ampiana tovona; tovonana: Hasondrotray ny tranonay amin' ny taona ho avy
Atao amin' ny toerana ambonimbony kokoa, omena voninahitra: Nasondrotry ny fanjakana izy fa nahavita be tamin' ny firenena [1.1]
Fanazavàna teny frantsay à élever, à hausser, à augmenter, à promouvoir en dignité, à relever, à faire dépasser, à faire monter: Iva loatra io sary io ka tokony hasondrotra (Ce tableau est trop bas, il faut l'élever) ~ Tokony hasondrotra ny tranonao (Vous devriez exhausser votre maison) ~ Nasondrotry ny fanjakana izy (L'administration l'a promu à un poste plus élevé) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : asondrotra, asondrotro, asondrotrao, asondrony, asondrotsika, asondrotray, asondrotrareo, asondrotr', asondro-, asondrotry
Ny lasa : nasondrotra, nasondrotro, nasondrotrao, nasondrony, nasondrotsika, nasondrotray, nasondrotrareo, nasondrotr', nasondro-, nasondrotry
Ny hoavy : hasondrotra, hasondrotro, hasondrotrao, hasondrony, hasondrotsika, hasondrotray, hasondrotrareo, hasondrotr', hasondro-, hasondrotry
Filaza mandidy : asondroty
Kamban-teny 
Lohateny Asondrotry ny taranaka (Ny Onja)
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20