|
|
|
|

Teny iditra1  hevitra
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny mpanao :
4  Matoantenin' ny iharana :
5  Matoantenin' ny fameno :
6  Anarana :
7  Mpamaritra :
Voambolana  8  Filôzôfia
Fanazavàna teny malagasy  9  Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany
10  Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity
11  Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao
12  Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io
13  Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra
14  Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao
15  Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona
16  Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity
17  Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao?
18  Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity
19  Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  20  thought, thinking an idea [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  21  pensée, idée [1.3#242, 1.8]
22  opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion)
23  sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion)
24  jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu)
25  intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence)
26  conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné)
27  sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot)
28  signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole)
29  projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir)
30  expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras)
31  ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt)
32  motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses)
33  raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde)
34  prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail)
35  récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail)
36  valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit)
37  complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire)
38  rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure)
39  proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) [1.3]
Ohatra  40  Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4#19]
41  Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470#62]
42  Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3#242]
43  Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3#243]
Haiendriteny 
44  Tsotra :
45  Tovonana :
Mpanahaka  46  torohevitra
Kamban-teny 
Ohabolana  78  Ohabolana misy io teny hevitra io

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/25