Teny iditra mangidy (ngidy)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza
Masiaka: Mangidy ny sakay
Mampahory izaitsizy, mampangirifiry
Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay
Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany
Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra
Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana
Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina
Mitovy hevitra: hentona ~ mafaitra ~ mangananganana ~ mangeroka ~ mangidy ohatra ny vahona ~ mangidy toy ny tangena ~ monta [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Bitter [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Amer [1.8]
Ohatra Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. [2.472]
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra mangidy
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Saro-tongavina [1.78]
Fanazavàna teny anglisy Expensive [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui coûte cher [1.8]

Teny iditra mangidy (hidy)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] mangidihidy [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  [Sakalava-Mayotte] Qui démange, qui donne envie de se gratter [1.405]

Teny iditra mangidy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsimisaraka, Sihanaka] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [1.196]
Anarana siantifika Physena madagascariensis
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/18