|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  hidy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.78] [Sihanaka] fefy
4  [1.1] Zavatra natao hisakana ny varavarana na vata tsy hivoha na hisokatra avy hatrany rehefa vohaina: Very ny hidim-baravarana
Fisakanana tsy hivoha: Mafy hidy ve ity vata ity?
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] a closure, a lock
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8, 1.5.mg#144] serrure
7  [1.8, 1.5.mg#144] fermeture
Ohatra  8  [2.470#] Ndeha hiasa aho, Reniny a, hoy Rainitoandro tsy rototra sady manala hidy ny varavarana ihany.
9  [2.472#] Efa nataon' i Dada tsara hidy sahala amin' ny isan-kariva ny vala, nefa mbola tafavoaka ihany ny omby.
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny iharana :
12  Matoantenin' ny fameno :
13  Anarana :
14  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny hidy io
Lahatsoratra  20  Randzavola: hidy ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/3)21  hidy
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny frantsay  23  [2.612] appellation botanique: Delonix leucantha
Voambolana  24  Haizavamaniry: hazo
Tovy hevitra  25  alamboronala, boy, fengoka

Teny iditra (3/3)26  hidy
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny malagasy  28  [1.78] [Taisaka] hidihidy
Voambolana  29  Fahasalamana

Fivaditsoratra  30  Dihy, dihy, hidy

Nohavaozina tamin' ny 2025/07/13