|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  tanana
Fototeny  2  tana
Sokajin-teny  3  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Gejaina amin' ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao
Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita
Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa
Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] to be seized, to be held, to be grappled; to be charged
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#664] qu'on tient, qu'on retient, qu'on arrête, qu'on saisit, qu'on garde
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
10  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny tanana io

Teny iditra (2/3)16  tanana
Sokajin-teny  17  anarana
Fanazavàna teny malagasy  18  [1.1] Rantsam-batana hatreo amin' ny hatotanana ka hatramin' ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan' ny hisakafo.
19  [1.1] les pattes de devant chez les animaux (les mains chez l'Homme et les Lémuriens)
Pour les plantes, désigne la base des pétioles des frondes de Fougères ; la base des tiges d'ignames, etc.
Fanazavàna teny anglisy  20  [1.7] the hand
the forelegs of quadrupeds
Fanazavàna teny frantsay  21  [1.3, 1.8] la main, les mains
22  [1.3, 1.8] les pattes de devant chez les quadrupèdes
23  [1.3] les manches des habits, etc.
24  [1.5] main, manche, rayon
25  [1.405] [Sakalava-Mayotte] [tañana] main
Ohatra  26  Raha sahy ialahy, tehafo ny tanako [2.472]
27  Noraisiko ilay bodofotsy tsara tarehy teo akaikiko, dia nanaraka ny tanako ny sombiny voaraiko [2.471]
28  Any ampaosinao ny tanany vatany vao variana kely foana ianao [2.470]
Voambolana  29  Haiaina
30  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Haiendriteny 
31  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Manontolo 
Ampahany 
Anaran' akora mamorom-batana 
Ohabolana  164  Ohabolana misy io teny tanana io
Lahatsoratra  165  Randzavola: tanana ao amin' ny Baiboly
Sary 
166  167 

Teny iditra (3/3)168  tana
Sokajin-teny  169  anarana
Fanazavàna teny malagasy  170  [1.1] Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra ara-pomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isan-karazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy etý ambanivohitra.
Fanazavàna teny anglisy  171  [1.7] a town, a city (written with the accent)
Fanazavàna teny frantsay  172  [1.8] ville, village (s'écrit toujours avec l'accent)
173  [1.405] [Sakalava-Mayotte] ville, village
Ohatra  174  eny fa mahalala rariny tokoa izato hianao / ry Ifiadanana / ka sanatria tokoa raha hafoiko ny tanànanay. [2.131]
175  nefa ny firefodrefotry ny basy ao an-tanànan' Antsirabe mbola tsy mijanona. [2.324]
Voambolana  176  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Haiendriteny 
177  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Lohateny  202  Lapan' ny tananan' Antananarivo (Rado)
Ohabolana  203  Ohabolana misy io teny tanàna io
Lahatsoratra  204  Randzavola: tanàna sy vohitra ao amin' ny Baiboly
Sary 
205  206 

Fivaditsoratra  207  atanan, natana, tanàna, tanana

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08