Teny iditra rantsan-tanana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy [ rantsantanana ] Anarana ilazana ireo fisandrahaky ny tanana dimy, izay ampiasain' ny olombelona amin' ny fandraisan-javatra, dia ny ankibe, ny fanondro, ny fanondroadala, ny manarapoana ary ny ankikely
Ireo rantsana folo amin' ny tanana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The fingers [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Les doigts [1.8]
 Doigt [1.13]
Ohatra 
1Ny vahiny sendra nandalo moa dia azo isaina amin' ny rantsantanana. [2.445]
2voavakivakiny madinika toy ny rantsantanana koa ny falafa anankiray tao amin' ny gorodona tao. [2.357]
Voambolana 
Singan-teny rantsana ; tanana
Kamban-teny 
Manontolo 
Ampahany 
Anaran' akora mamorom-batana 
Mpanahaka  rantsan-tongotra

Nohavaozina tamin' ny 2024/06/18