Teny iditra |
loha
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Faritra ambony indrindra amin' ny tenan' ny olombelona -- ary aloha indrindra kosa ho an' ny biby -- izay mizara roa: ny eo anoloana misy ny maso, orona, sofina, vava, ary ny ao an-damosina rakotry ny volo, fa ny ao anatiny kosa misy ny ati-doha fototry ny fihontsonana sy ny fisaintsainana ary ny finiavana: Nianjera izy ka vaky ny lohany (raha ny ao anatin' ny loha no lazaina, dia ny teny hoe andoha no ampiasaina: Marary ny andohako; jereo Andoha Saina: olona kely loha koa izay nametraka itỳ teto Lehibe mpitarika: Rainivoanjo no lohany tamin' io raharaha ratsy io Tendrony aloha amin' ny zavatra iray: Nifatratra tao anaty zozoro ny loha lakana Karazana: Maro loha ny sakafo narosony ho anay
[1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | The head; the front part [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | La tête; la partie avant [1.8]
|
Voambolana |
Ohatra |
1 | Elo manga miofon'andro ambony loha;
[1.257]
|
2 | Dia hisy loha ho tapaka indray atsy ho atsy!
[2.528]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra |
loha,
lohako,
lohanao,
lohany,
lohantsika,
lohanay,
lohanareo,
lohan',
lohan-,
loham- |
Tovonana |
-doha,
-dohako,
-dohanao,
-dohany,
-dohantsika,
-dohanay,
-dohanareo,
-dohan',
-dohan-,
-doham- |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Manontolo |
|
Ampahany |
|
Anaran' akora mamorom-batana |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana |
Lahatsoratra |
|