Teny iditra vava
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiandohan' ny lalan-kanina, izay eo afovoany ambanimbany amin' ny tarehy no misy azy, ary misarintsarin-davaka ny endriny, voafaritry ny molotra roa ambony sy ambany: Ao anatin' ny vava no misy ny lela sy ny nify
Faritra misy loaka amin' ny zavatra anankiray, izay ampiasaina ho fidirana na fivoahana: Vava tafondro
Teny ilazana rehefa mety ho faritra mitarehin-davaka na loaka: Vava fery
Fiandohana: Vava asa, vava alahamady
Fahereza-miteny befahatany: Vavan' olona koa Rasoa iny!
Teny, fitenenana: Tsy tohako ny vavan-dRamatoa io ka aleoko mihataka ~ Vava soa sakafo fa ny vava ratsy adidy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The mouth [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Bouche [1.8, 1.196]
 Ouverture [1.8]
 Entrée [1.196]
 Bec, gueule, museau, mufle [1.13]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : vava, vavako, vavanao, vavany, vavantsika, vavanay, vavanareo, vavan', vavan-, vavam-
Tovonana : -bava, -bavako, -bavanao, -bavany, -bavantsika, -bavanay, -bavanareo, -bavan', -bavan-, -bavam-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Manontolo loha
Anaran' akora mamorom-batana volo, volomaso, orona, tarehy, tava, takolaka, sofina, saoka, handrina, maso, molotra
Lohateny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra vava
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara, Sihanaka] Voady [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/20