Explications en malgache | Karazam-borona mpitsindroka, somary boribory vatana bontolontolo vava somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin' ny olombelona hatramin' ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohovavy, akoholahy, vontotr' akoho, akohokely) ¶ Ny teny ilazana ny feon' akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy),
mikakàka (ny akohovavy hanatody),
mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nisy nanaitra),
maneno (ny akoholahy),
mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany
[1.1]
|