|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  vato
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain' ny mpahalala fa avy amin' ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany
Potik' io voalaza eo ambony: Vary be vato
Ireo toko alahatra amin' ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona
Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: vatomizana
Isa azo amin' ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Rabe tamin' ny fifidianana farany
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] a stone, a rock, a vote
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8, 1.13] pierre
6  [1.13] roche, caillou
Ohatra  7  [2.356] Nisaina ny vato azon' ny mpilatsaka.
8  [2.643] Misy vato milahadahatra manodidina azy ireo.
9  [2.996] Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika;
Voambolana  10  Haibolantany
Haiendriteny 
11  Tsotra :
12  Tovonana :
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny mpanao :
14  Matoantenin' ny iharana :
15  Anarana :
16  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Anaran' olona 
Lohateny  32  Izaho – Atody niady amam-bato (Rahaingo Bruno)
Anaran-toerana 
Zanakanarana 
Ohabolana  46  Ohabolana misy io teny vato io
Lahatsoratra  47  Randzavola: vato ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)48  vato
Sokajin-teny  49  anarana
Fanazavàna teny malagasy  50  [1.13] vato miforona any anatin' ny voa na ny fantsom-boa
Fanazavàna teny frantsay  51  [1.3] gravelle
52  [1.54] calcul
53  [1.13] calcul rénal
Voambolana  54  Fahasalamana
Sampanteny 
55  Anarana :

Fivaditsoratra  56  tavo, tova, vato

Nohavaozina tamin' ny 2025/06/09