Entrée |
velona
|
Partie du discours | adjectif
|
Explications en malgache | Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e! ¶ Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao? ¶ Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy ¶ Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany ¶ Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana" ¶ Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka ¶ Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany [1.1]
|
Explications en anglais | living, alive [1.7]
|
Explications en français | vivant [1.8]
|
| tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains [1.196]
|
Morphologie |
velona
velon'
velon-
velom-
velo-
| |
-belona
-belon'
-belon-
-belom-
-belo-
| |
veloma | |
|
Dérivés |
Mots composés |
|
Phytonymes |
|
Toponymes |
|
Exemples |
1 | fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona
[2.131]
|
2 | -- Mbola velona ihany hianao Razay!
[2.324]
|
3 | Filazana toetr'olom-belona hiany izany.
[2.59]
|
4 | Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko?
[2.471]
|
5 | tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko.
[2.472]
|
|
Proverbes |
|
Entrée |
velona
|
Partie du discours | interjection
|
Explications en malgache | Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! [1.1]
|
|
Entrée |
velona
|
Partie du discours | adjectif
|
Explications en malgache | [Bezanozano]
be voninahitra [1.78]
|
|