Teny iditra mandositra (lositra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manalavitra haingana mba tsy ho tratra, miriatra, mirifatra, miridana: Mandositra ny fahavalo
Mivoaka an-tsokosoko, milefa: Nandositra hono Rainivoanjo efa voatana tao antranomaizina
Midify: Mandositra ahy foana ny zanakao
Mitovy hevitra: lasa any am-parakatsakatsaka ~ lasa any an-dakira ~ lasa any banty ~ madio ny rano nitany ~ manao kaovasy ~ manao rarangy ~ manao tongotra an-katoka ~ manao tsipy kely ~ manao tsoa-pe ~ manao vezamaimbo ~ manary ~ manary basy ~ manavotra aina ~ manifi-drano ~ manjavona ~ midify ~ milefa ~ milomay ~ miporitsaka ~ miridana ~ mirifatra ~ miriotra ~ mitakidingina ~ mitsoaka ~ mitsoriaka ~ mivoaka ~ riatra mandositra ~ tapa-kofehy ~ tsy tana ~ vaky bao ~ vaky mandositra ~ vaky tady [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To run away from; to flee [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fuir, s'enfuir de [1.8]
Ohatra 
1Mandositra ny fakampanahy aho! [2.5]
2Nahoana ianao no mandositra ahy? [2.471]
3Vadin' Andriamanjaka ka entina mandositra! [2.528]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandositra
Ny lasa : nandositra
Ny hoavy : handositra
Filaza mandidy : mandosira
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11