Teny iditra |
lahy
|
Sokajin-teny | anarana na mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | A male, a man; a husband Masculine [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Mâle; homme; mari Mâle, masculin [1.8]
|
| [Sakalava-Mayotte]
Mâle [1.405]
|
Ohatra |
1 | Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka;
[2.470]
|
2 | lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any
[2.470]
|
3 | Dekona lahy sy vavy Analakely.
[2.59]
|
4 | ombi-lahy mitrena an-tseranana
[2.245]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
lahy,
lahiko,
lahinao,
lahiny,
lahintsika,
lahinay,
lahinareo,
lahin',
lahin-,
lahim- |
Tovonana : |
-dahy,
-dahiko,
-dahinao,
-dahiny,
-dahintsika,
-dahinay,
-dahinareo,
-dahin',
-dahin-,
-dahim- |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaram-poko |
|
Anaran-toerana |
|
Tohi-kevitra |
Ohabolana |
|
Teny iditra |
lahy
|
Sokajin-teny | tenim-piontanana
|
Fanazavàna teny malagasy | Tenim-piontanana enti-milaza:
1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Used in phrases like: asa lahy!,
tsara lahy!,
maty lahy!
[1.2]
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|