<-
->

Sal 32:1 Blessed is he whose transgression is forgiven, whose sin is covered. Nataon' i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Nataon' i Davida. Fisaintsainana masina. Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany. De David. Poème. Heureux qui est absous de son péché, acquitté de sa faute!
Sal 32:2 Blessed is the man unto whom the Lord imputeth not iniquity, and in whose spirit there is no guile. Sambatra ny olona izay tsy isain' i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Sambatra ny olona tsy tànan' ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny. Heureux l' homme à qui Yahvé ne compte pas son tort, et dont l' esprit est sans fraude!
Sal 32:3 When I kept silence, my bones waxed old through my roaring all the day long. Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra, tamin' ny fitolokoko isan' andro. Je me taisais, et mes os se consumaient à rugir tout le jour;
Sal 32:4 For day and night thy hand was heavy upon me: my moisture is turned into the drought of summer. Selah. Fa efa navesatra tamiko andro aman' alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon' ny fahamainana amin' ny lohataona. Fa nanindry ahy, andro aman' alina, ny tànanao; nihamaina ny herin' ny aiko tamin' ny hainandro lohataona. - Selà. la nuit, le jour, ta main pesait sur moi; mon coeur était changé en un chaume au plein feu de l'été.
Sal 32:5 I acknowledge my sin unto thee, and mine iniquity have I not hid. I said, I will confess my transgressions unto the Lord; and thou forgavest the iniquity of my sin. Selah. Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin' i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin' ny Tompo aho, dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà. Ma faute, je te l' ai fait connaître, je n' ai point caché mon tort; j' ai dit : J' irai à Yahvé. Confesser mon péché. Et toi, tu as absous mon tort, pardonné ma faute.
Sal 32:6 For this shall every one that is godly pray unto thee in a time when thou mayest be found: surely in the floods of great waters they shall not come nigh unto him. Izany no aoka hivavahan' ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin' izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin' ny fotoana mety. Marina, fa amin' ny fahatondrahan' ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany. Aussi chacun des tiens te prie à l' heure de l' angoisse. Que viennent à déborder les grandes eaux, elles ne peuvent l' atteindre.
Sal 32:7 Thou art my hiding place; thou shalt preserve me from trouble; thou shalt compass me about with songs of deliverance. Selah. Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon' ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Hianao no fialofako; hiaro ahy amin' ny fahoriana hianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà. Tu es pour moi un refuge, de l' angoisse tu me gardes, de chants de délivrance tu m' entoures.
Sal 32:8 I will instruct thee and teach thee in the way which thou shalt go: I will guide thee with mine eye. Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao aho, sady hitsinjo anao ny masoko. Je t' instruirai, je t' apprendrai la route à suivre, les yeux sur toi, je serai ton conseil.
Sal 32:9 Be ye not as the horse, or as the mule, which have no understanding: whose mouth must be held in with bit and bridle, lest they come near unto thee. Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina: tsy maintsy entina amin' ny vy sakam-bavany amam-damboridy ireny; fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany. Ne sois pas comme le cheval ou le mulet qui ne comprend ni la rêne ni le frein qu' on s' avance pour le dompter, rien à faire pour qu' il s' approche de toi!
Sal 32:10 Many sorrows shall be to the wicked: but he that trusteth in the Lord, mercy shall compass him about. Be ny fanaintainan' ny ratsy fanahy, fa izay matoky an' i Jehovah kosa dia ho hodidinin' ny famindram-po. Fahoriana be no anjaran' ny ratsy fanahy; fa fahasoavana kosa no manodidina an' izay matoky an' ny Tompo. Nombreux sont les tourments pour l' impie; qui se fie en Yahvé, la grâce l' entoure.
Sal 32:11 Be glad in the Lord, and rejoice, ye righteous: and shout for joy, all ye that are upright in heart. Mifalia amin' i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra. Mifalia sy miravoravoa amin' ny Tompo hianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana hianareo mahitsy fo rehetra! Réjouissez-vous en Yahvé, exultez, les justes, jubilez, tous les coeurs droits.

<-
->