<-
->

Sal 24:1 The earth is the Lord' s, and the fulness thereof; the world, and they that dwell therein. Salamo nataon' i Davida. An' i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Salamon' i Davida. An' ny Tompo ny tany, mbamin' izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin' ny mponina rehetra ao aminy. Psaume. De David. A Yahvé la terre et sa plénitude, le monde et tout son peuplement;
Sal 24:2 For he hath founded it upon the seas, and established it upon the floods. Fa Izy no nanorina azy tambonin' ny ranomasina. Tambonin' ny rano no nampitoerany azy. Fa izy no nanorina azy, tambonin' ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin' ny ony. c' est lui qui l' a fondée sur les mers, et sur les fleuves l' a fixée.
Sal 24:3 Who shall ascend into the hill of the Lord? or who shall stand in his holy place? Iza no hiakatra any an-tendrombohitr' i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin' ny fitoerany masina? Iza no hiakatra any amin' ny tendrombohitry ny Tompo? iza no hitoetra eo amin' ny fitoerany masina? Qui montera sur la montagne de Yahvé? Et qui se tiendra dans son lieu saint?
Sal 24:4 He that hath clean hands, and a pure heart; who hath not lifted up his soul unto vanity, nor sworn deceitfully. Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin' ny lainga, na mianiana hamitaka. Izay tsy manan-tsiny ny tànany, ary madio ny fony, izay tsy manarana ny fanahiny amin' ny lainga, ary tsy mianiana mba hamitaka. L' homme aux mains nettes, au coeur pur son âme ne se porte pas vers des riens, il ne jure pas pour tromper.
Sal 24:5 He shall receive the blessing from the Lord, and righteousness from the God of his salvation. Handray fitahiana avy amin' i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin' Andriamanitry ny famonjena azy. Hahazo ny fanambinan' ny Tompo izy, ny fahamarinana avy amin' ny Tompon' ny famonjeny. Il emportera la bénédiction de Yahvé et la justice du Dieu de son salut.
Sal 24:6 This is the generation of them that seek him, that seek thy face, O Jacob. Selah. Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. Toy izany ny taranak' izay mitady azy, dia ireo mitady ny tavan' Andriamanitr' i Jakoba. - Selà. C' est la race de ceux qui Le cherchent, qui recherchent ta face, Dieu de Jacob.
Sal 24:7 Lift up your heads, O ye gates; and be ye lift up, ye everlasting doors; and the King of glory shall come in. Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran' ny mpanjakan' ny voninahitra. Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, hidiran' ny Mpanjakan' ny voninahitra. Portes, levez vos frontons, élevez-vous, portails antiques, qu' il entre, le roi de gloire!
Sal 24:8 Who is this King of glory? The Lord strong and mighty, the Lord mighty in battle. Iza izao Mpanjakan' ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. Iza moa izany Mpanjakan' ny voninahitra izany? Iaveh mahery sy mahefa, Iaveh mahery an' ady. Qui est-il, ce roi de gloire? C' est Yahvé, le fort, le vaillant, Yahvé, le vaillant des combats.
Sal 24:9 Lift up your heads, O ye gates; even lift them up, ye everlasting doors; and the King of glory shall come in. Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran' ny Mpanjakan' ny voninahitra. Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata hianareo, ry varavarana fahagola hidiran' ny Mpanjakan' ny voninahitra! Portes, levez vos frontons, élevez-vous, portails antiques, qu' il entre, le roi de gloire!
Sal 24:10 Who is this King of glory? The Lord of hosts, he is the King of glory. Selah. Iza ary izao Mpanjakan' ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon' ny maro, Izy no Mpanjakan' ny voninahitra. Iza moa izany Mpanjakan' ny voninahitra izany? Iavehn' ny tafika, izy no Mpanjakan' ny voninahitra! - Selà. Qui est-il, ce roi de gloire? Yahvé Sabaot, c' est lui, le roi de gloire.

<-
->