<-
->

Isa / Iz 9:1 Nevertheless the dimness shall not be such as was in her vexation, when at the first he lightly afflicted the land of Zebulun and the land of Naphtali, and afterward did more grievously afflict her by the way of the sea, beyond Jordan, in Galilee of the nations. Ny olona izay mandeha amin' ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin' ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan' ny mazava. Ny vahoaka nandeha tamin' ny aizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin' ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan' ny mazava. Le peuple qui marchait dans les ténèbres a vu une grande lumière, sur les habitants du sombre pays, une lumière a resplendi.
Isa / Iz 9:2 The people that walked in darkness have seen a great light: they that dwell in the land of the shadow of death, upon them hath the light shined. Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin' ny fararano, ary tahaka ny fifalin' ny olona, raha mizara babo. Nampitombo ny vahoakanao hianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo. Tu as multiplié la nation, tu as fait croître sa joie; ils se réjouissent devant toi comme on se réjouit à la moisson, comme on exulte au partage du butin.
Isa / Iz 9:3 Thou hast multiplied the nation, and not increased the joy: they joy before thee according to the joy in harvest, and as men rejoice when they divide the spoil. Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon' ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin' ny andro namelezana ny Midiana. Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin' ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin' ny andron' i Madiana. Car le joug qui pesait sur elle, la barre posée sur ses épaules, le bâton de son oppresseur, tu les as brisés comme au jour de Madiân.
Isa / Iz 9:4 For thou hast broken the yoke of his burden, and the staff of his shoulder, the rod of his oppressor, as in the day of Midian. Fa ny kiraron' izay mitrevatreva fandeha eo amin' ny fihorakorahan' ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin' ny afo izany. Ny kapan' ny mpiady rehetra tamin' ny fikatrohana mbamin' ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin' ny afo: ka levon' ny afo. Car toute chaussure qui résonne sur le sol, tout manteau roulé dans le sang, seront mis à brûler, dévorés par le feu.
Isa / Iz 9:5 For every battle of the warrior is with confused noise, and garments rolled in blood; but this shall be with burning and fuel of fire. Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain' ny mandrakizay Andrian' ny fiadanana. Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian' ny fiadanana, Car un enfant nous est né, un fils nous a été donné, il a reçu le pouvoir sur ses épaules et on lui a donné ce nom : Conseiller-merveilleux, Dieu-fort, Père-éternel, Prince-de-paix,
Isa / Iz 9:6 For unto us a child is born, unto us a son is given: and the government shall be upon his shoulder: and his name shall be called Wonderful, Counsellor, The mighty God, The everlasting Father, The Prince of Peace. Ny handrosoan' ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin' ny seza fiandrianan' i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin' ny rariny sy ny hitsiny hatramin' izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron' i Jehovah, Tompon' ny maro, no hahatanteraka izany. mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an' ny seza fiandrianan' i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin' ny hitsiny sy ny rariny, hatramin' izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon' ny Tompon' ny tafika no hanatanteraka izany. pour que s'étende le pouvoir dans une paix sans fin sur le trône de David et sur son royaume, pour l'établir et pour l' affermir dans le droit et la justice. Dès maintenant et à jamais, l' amour jaloux de Yahvé Sabaot fera cela.
Isa / Iz 9:7 Of the increase of his government and peace there shall be no end, upon the throne of David, and upon his kingdom, to order it, and to establish it with judgment and with justice from henceforth even for ever. The zeal of the Lord of hosts will perform this. Ny Tompo mandefa teny ho an' i Jakoba, ka mihatra amin' ny Isiraely izany. Nandefa teny ho an' i Jakoba, ny Tompo, ary mihatra amin' Israely izany; Le Seigneur a jeté une parole en Jacob, elle est tombée en Israël.
Isa / Iz 9:8 The Lord sent a word into Jacob, and it hath lighted upon Israel. Ary ho fantatr' izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin' ny fiavonavonany sy ny fireharehan' ny fony manao hoe: hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan' ny fony manao hoe: Tout le peuple l' a su, Éphraïm et l' habitant de Samarie qui disent dans l' orgueil de leur coeur altier :
Isa / Iz 9:9 And all the people shall know, even Ephraim and the inhabitant of Samaria, that say in the pride and stoutness of heart, Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy. Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy fa sedera kosa no hasolontsika azy. " Les briques sont tombées, nous construirons en pierre de taille, les sycomores ont été abattus, nous les remplacerons par des cèdres. "
Isa / Iz 9:10 The bricks are fallen down, but we will build with hewn stones: the sycomores are cut down, but we will change them into cedars. Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony, Iaveh nanangana ny mpanohitra an-dRasina hamely azy ireo sy manindrona an' ireo fahavalony, Mais Yahvé a soutenu contre ce peuple son adversaire Raçôn, il a excité ses ennemis,
Isa / Iz 9:11 Therefore the Lord shall set up the adversaries of Rezin against him, and join his enemies together; Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany. dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistina any Andrefana, ka ho lanin' ireo, hataony be am-bava, Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany. Aram à l' orient, les Philistins à l' occident : ils ont dévoré Israël à belles dents. Avec tout cela sa colère ne s' est pas détournée, sa main reste levée.
Isa / Iz 9:12 The Syrians before, and the Philistines behind; and they shall devour Israel with open mouth. For all this his anger is not turned away, but his hand is stretched out still. Fa ny olona tsy miverina amin' Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon' ny maro, tsy mba tadiaviny. Satria tsy niverina amin' izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an' ny Tompon' ny tafika izy ireo. Mais le peuple n' est pas revenu à celui qui le frappait, il n' a pas cherché Yahvé Sabaot.
Isa / Iz 9:13 For the people turneth not unto him that smiteth them, neither do they seek the Lord of hosts. Ka dia nofongoran' i Jehovah amin' ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro Ka hofongoran' ny Tompo amin' Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr' antrendry aman-jozoro amin' ny indray andro monja. Aussi Yahvé a retranché d' Israël tête et queue, palme et jonc, en un jour.
Isa / Iz 9:14 Therefore the Lord will cut off from Israel head and tail, branch and rush, in one day. (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo); Ny loholona sy ny andriana no loha, ary ny mpaminany mampianatra lainga no rambo. l' ancien et le dignitaire, c' est la tête, le prophète qui enseigne le mensonge, c' est la queue.
Isa / Iz 9:15 The ancient and honourable, he is the head; and the prophet that teacheth lies, he is the tail. Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina. Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very. Les guides de ce peuple l' ont égaré, et ceux qu' ils guident se sont fourvoyés.
Isa / Iz 9:16 For the leaders of this people cause them to err; and they that are led of them are destroyed. Ary noho izany dia tsy mahafaly an' i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany. Noho izany ny zatovon' izy ireo tsy ankasitrahan' ny Tompo, ary ny kamboty amam-pitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany. C' est pourquoi en ses jeunes gens le Seigneur ne trouvera plus sa joie, de ses orphelins et de ses veuves il n' aura plus pitié, car tous sont impies et malfaisants, toute bouche profère l' insanité. Avec tout cela sa colère ne s' est pas détournée, sa main reste levée.
Isa / Iz 9:17 Therefore the Lord shall have no joy in their young men, neither shall have mercy on their fatherless and widows: for every one is an hypocrite and an evildoer, and every mouth speaketh folly. For all this his anger is not turned away, but his hand is stretched out still. Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana. Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin' ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolombolona. Oui, la méchanceté a brûlé comme le feu, elle dévore ronces et épines, elle a incendié les halliers de la forêt, ils se sont élevés en tourbillons de fumée.
Isa / Iz 9:18 For wickedness burneth as the fire: it shall devour the briers and thorns, and shall kindle in the thickets of the forest, and they shall mount up like the lifting up of smoke. Noho ny fahatezeran' i Jehovah, Tompon' ny maro, dia efa maintin' ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin' ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny Noho ny hatezeran' ny Tompon' ny tafika dia may ny tany, ary ny vahoaka zary rembin' ny afo. Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony; Par l' emportement de Yahvé Sabaot la terre a été brûlée et le peuple est comme la proie du feu. Nul n' a pitié de son frère,
Isa / Iz 9:19 Through the wrath of the Lord of hosts is the land darkened, and the people shall be as the fuel of the fire: no man shall spare his brother. Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra, mikapa eny an-kavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny an-kaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; Manase mamely an' i Efraima, Efraima mamely an' i Manase, izy roa tonta ireo mamely an' i Jodà. on a coupé à droite et on a eu faim, on a mangé à gauche et on n' a pas été rassasié. Chacun dévore la chair de son bras,
Isa / Iz 9:20 And he shall snatch on the right hand, and be hungry; and he shall eat on the left hand, and they shall not be satisfied: they shall eat every man the flesh of his own arm: Eny, Manase mihinana an' i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an' i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an' i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany ary mbola mihinjitra ihany ny tànany. Manassé dévore Éphraïm, et Éphraïm Manassé, ensemble ils s' attaquent à Juda. Avec tout cela sa colère ne s' est pas détournée, sa main reste levée.
Isa / Iz 9:21 Manasseh, Ephraim; and Ephraim, Manasseh: and they together shall be against Judah. For all this his anger is not turned away, but his hand is stretched out still.

<-
->