<-
->

Isa / Iz 43:1 But now thus saith the Lord that created thee, O Jacob, and he that formed thee, O Israel, Fear not: for I have redeemed thee, I have called thee by thy name; thou art mine. Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain' i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Ary ankehitriny, izao no lazain' ny Tompo, dia ilay nahary anao, ry Jakoba, sy namorona anao, ry Israely: Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao, izay efa niantso anao amin' ny anaranao, ka ahy hianao! Et maintenant, ainsi parle Yahvé, celui qui t' a créé, Jacob, qui t' a modelé, Israël. Ne crains pas, car je t' ai racheté, je t' ai appelé par ton nom : tu es à moi.
Isa / Iz 43:2 When thou passest through the waters, I will be with thee; and through the rivers, they shall not overflow thee: when thou walkest through the fire, thou shalt not be burned; neither shall the flame kindle upon thee. Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; Raha mita rano hianao, dia homba anao aho; raha mamaky ny ony hianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan' ny afo hianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao. Si tu traverses les eaux je serai avec toi, et les rivières, elles ne te submergeront pas. Si tu passes par le feu, tu ne souffriras pas, et la flamme ne te brûlera pas.
Isa / Iz 43:3 For I am the Lord thy God, the Holy One of Israel, thy Saviour: I gave Egypt for thy ransom, Ethiopia and Seba for thee. Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin' ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin' Israely no Mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, Ejipta, ary ho solonao Etiopia sy Sabà. Car je suis Yahvé, ton Dieu, le Saint d' Israël, ton sauveur. Pour ta rançon, j' ai donné l'Égypte, Kush et Séba à ta place.
Isa / Iz 43:4 Since thou wast precious in my sight, thou hast been honourable, and I have loved thee: therefore will I give men for thee, and people for thy life. Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon' ny ainao. Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina hianao, sady tia anao aho, hanome olona maro ho takalonao aho, sy firenena maro, ho solon' ny ainao. Car tu comptes beaucoup à mes yeux, tu as du prix et je t' aime. Aussi je livre des hommes à ta place et des peuples en rançon de ta vie.
Isa / Iz 43:5 Fear not: for I am with thee: I will bring thy seed from the east, and gather thee from the west; Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; Aza matahotra fa momba anao aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana aho, ary hanangona anao avy any Andrefana. Ne crains pas, car je suis avec toi, du levant je vais faire revenir ta race, et du couchant je te rassemblerai.
Isa / Iz 43:6 I will say to the north, Give up; and to the south, Keep not back: bring my sons from far, and my daughters from the ends of the earth; Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin' ny faran' ny tany, Ny Avaratra hilazako hoe: Atolory izy! ary ny Atsimo hataoko hoe: Aza mitana azy! Avereno ny zanakolahy, avy any lavitra any, sy ny zanakovavy, avy any am-paran' ny tany, Je dirai au Nord : Donne! et au Midi : Ne retiens pas! Ramène mes fils de loin et mes filles du bout de la terre,
Isa / Iz 43:7 Even every one that is called by my name: for I have created him for my glory, I have formed him; yea, I have made him. Dia izay rehetra antsoina amin' ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko. dia izay rehetra mitondra ny anarako, izay nohariko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko. quiconque se réclame de mon nom, ceux que j' ai créés pour ma gloire, que j' ai formés et que j' ai faits.
Isa / Iz 43:8 Bring forth the blind people that have eyes, and the deaf that have ears. Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. Avoahy ny olona jamba mana-maso, sy ny marenina manan-tsofina. Fais sortir un peuple aveugle qui a des yeux, et des sourds qui ont des oreilles.
Isa / Iz 43:9 Let all the nations be gathered together, and let the people be assembled: who among them can declare this, and shew us former things? let them bring forth their witnesses, that they may be justified: or let them hear, and say, It is truth. Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin' izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazany izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: Marina izany! Que toutes les nations se rassemblent, que tous les peuples s' unissent! Qui parmi eux a proclamé cela et nous a fait connaître les choses anciennes ? Qu' ils produisent leurs témoins et qu' ils se justifient, qu' on les entende et qu' on dise : C' est la vérité!
Isa / Iz 43:10 Ye are my witnesses, saith the Lord, and my servant whom I have chosen: that ye may know and believe me, and understand that I am he: before me there was no God formed, neither shall there be after me. Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Hianareo no vavolombeloko, - teny marin' ny Tompo sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako. C' est vous qui êtes mes témoins, oracle de Yahvé, vous êtes le serviteur que je me suis choisi, afin que vous le sachiez, que vous croyiez en moi et que vous compreniez que c' est moi : avant moi aucun dieu n' a été formé et après moi il n' y en aura pas.
Isa / Iz 43:11 I, even I, am the Lord; and beside me there is no saviour. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho dia izaho ihany no Iaveh, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho. Moi, c' est moi Yahvé, et en dehors de moi il n' y a pas de sauveur.
Isa / Iz 43:12 I have declared, and have saved, and I have shewed, when there was no strange god among you: therefore ye are my witnesses, saith the Lord, that I am God. Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. Izaho no nilaza, izaho no namonjy, izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary hianareo no vavolombeloko - teny marin' ny Tompo. C' est moi qui ai révélé, sauvé et fait entendre, ce n' est pas un étranger qui est parmi vous, vous, vous êtes mes témoins, oracle de Yahvé, et moi, je suis Dieu,
Isa / Iz 43:13 Yea, before the day was I am he; and there is none that can deliver out of my hand: I will work, and who shall let it? Eny, hatramin' izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin' ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? Izaho no Andriamanitra. Amin' ny sisa izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin' ny tànako; Hiasa aho, ka zovy moa no hahasakana izany? de toute éternité je le suis; nul ne peut délivrer de ma main, si j' agis, qui pourrait me faire renoncer ?
Isa / Iz 43:14 Thus saith the Lord, your redeemer, the Holy One of Israel; For your sake I have sent to Babylon, and have brought down all their nobles, and the Chaldeans, whose cry is in the ships. Izao no lazain' i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin' ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin' ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin' ny sambo izay efa nifaliany. Izao no lazain' ny Tompo, mpanavotra anareo, ilay Masin' Israely: Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an' i Babilona aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeana, ka hidina any amin' ny sambo ireharehany fatratra! Ainsi parle Yahvé, votre rédempteur, le Saint d' Israël. A cause de vous, j' ai envoyé quelqu' un à Babylone, je vais faire tomber tous les verrous, et les Chaldéens changeront leurs cris en lamentations.
Isa / Iz 43:15 I am the Lord, your Holy One, the creator of Israel, your King. Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo. Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an' Israely, mpanjakanareo! Je suis Yahvé, votre Saint, le créateur d' Israël, votre roi.
Isa / Iz 43:16 Thus saith the Lord, which maketh a way in the sea, and a path in the mighty waters; Izao no lazain' i Jehovah, Izay manao lalana eny amin' ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin' ny rano manonja, Izao no lazain' ny Tompo, izay nanao làlana eny amin' ny ranomasina, sakeli-dàlana eny amin' ny rano mahery, Ainsi parle Yahvé, celui qui traça dans la mer un chemin, un sentier dans les eaux déchaînées,
Isa / Iz 43:17 Which bringeth forth the chariot and horse, the army and the power; they shall lie down together, they shall not rise: they are extinct, they are quenched as tow. Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro: izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika amam-piady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. - qui fit sortir char et cheval, armée et troupe d'élite ensemble; ils se sont couchés pour ne plus se relever, ils se sont éteints, comme une mèche ils se sont consumés.
Isa / Iz 43:18 Remember ye not the former things, neither consider the things of old. Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Ne vous souvenez plus des événements anciens, ne pensez plus aux choses passées,
Isa / Iz 43:19 Behold, I will do a new thing; now it shall spring forth; shall ye not know it? I will even make a way in the wilderness, and rivers in the desert. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin' ny tany sao no hasiako ony; Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va hianareo? Hanisy làlana any an' efitra aho, sy ony eny an-tany karankaina. voici que je vais faire une chose nouvelle, déjà elle pointe, ne la reconnaissez-vous pas ? Oui, je vais mettre dans le désert un chemin, et dans la steppe, des fleuves.
Isa / Iz 43:20 The beast of the field shall honour me, the dragons and the owls: because I give waters in the wilderness, and rivers in the desert, to give drink to my people, my chosen. Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin' ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. Hanome voninahitra ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin' ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an' efitra aho, sy ony eny amin' ny tany karankaina, hampisotroina ny vahoakako, ny olom-boafidiko, Les bêtes sauvages m' honoreront, les chacals et les autruches, car j' ai mis dans le désert de l' eau et des fleuves dans la steppe, pour abreuver mon peuple, mon élu.
Isa / Iz 43:21 This people have I formed for myself; they shall shew forth my praise. Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy. ny vahoaka noforoniko mba ho ahy, ka hitory ny fiderana ahy. Le peuple que je me suis formé publiera mes louanges.
Isa / Iz 43:22 But thou hast not called upon me, O Jacob; but thou hast been weary of me, O Israel. Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely. Kanefa, ry Jakoba o, tsy mba niantso ahy hianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely. Tu ne m' as pas invoqué, Jacob, oui, tu t' es lassé de moi, Israël.
Isa / Iz 43:23 Thou hast not brought me the small cattle of thy burnt offerings; neither hast thou honoured me with thy sacrifices. I have not caused thee to serve with an offering, nor wearied thee with incense. Tsy nitondranao ny zanak' ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin' ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin' ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin' ny ditin-kazo mani-pofona. Tsy mba nanateranao ny ondrin' ny sorona doranao aho, na nomenao voninahitra tamin' ny soronao akory. Tsy namesatra anao tamin' ny fanatitra aho na nanasatra anao tamin' ny emboka manitra. Tu ne m' as pas apporté d' agneaux en holocauste, et tu ne m' as pas honoré par tes sacrifices. Je ne t' ai pas asservi à des oblations, je ne t' ai pas lassé en exigeant de l' encens.
Isa / Iz 43:24 Thou hast bought me no sweet cane with money, neither hast thou filled me with the fat of thy sacrifices: but thou hast made me to serve with thy sins, thou hast wearied me with thine iniquities. Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin' ny saboran' ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin' ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin' ny helokao. Tsy lany vola namidy veromanitra ho ahy hianao; na namoky ahy tamin' ny saboran-tsoronao; fa hianao aza no namesatra ahy tamin' ny fahotanao, nanasatra ahy tamin' ny tsy fahamarinanao. Pour moi, tu n' as pas acquis de roseau à prix d' argent, et tu ne m' as pas rassasié de la graisse de tes sacrifices. Mais par tes péchés, tu as fait de moi un esclave, tu m' as lassé par tes fautes.
Isa / Iz 43:25 I, even I, am he that blotteth out thy transgressions for mine own sake, and will not remember thy sins. Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin' ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. Izaho dia izaho ihany no mamono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao. C' est moi, moi, qui efface tes crimes par égard pour moi, et je ne me souviendrai plus de tes fautes.
Isa / Iz 43:26 Put me in remembrance: let us plead together: declare thou, that thou mayest be justified. Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao. Ampahatsiarovy aho; aoka hifandahatra isika. Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao. Fais-moi me souvenir, et nous jugerons ensemble, fais toi-même le compte afin d'être justifié.
Isa / Iz 43:27 Thy first father hath sinned, and thy teachers have transgressed against me. Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, Nanota ny rainao voalohany, ary nivadika tamiko ireo mpanalàlanao. Ton premier père a péché, tes interprètes se sont révoltés contre moi.
Isa / Iz 43:28 Therefore I have profaned the princes of the sanctuary, and have given Jacob to the curse, and Israel to reproaches. Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an' i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. Ka izany no nanonganako an' ireo loholon' ny fitoerana masina, nanolorako an' i Jakoba ho anatema sy Israely ho fandatsa. Alors j' ai destitué les chefs du sanctuaire, j' ai livré Jacob à l' anathème et Israël aux outrages.

<-
->