<-
->

Isa / Iz 12:1 And in that day thou shalt say, O Lord, I will praise thee: though thou wast angry with me, thine anger is turned away, and thou comfortedst me. Ary hiteny ianao amin' izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. Ka dia izao no holazainao amin' izany andro izany: Midera anao aho, ry Iaveh, fa tezitra hianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy hianao. Et tu diras, en ce jour-là : Je te loue, Yahvé, car tu as été en colère contre moi. Puisse ta colère se détourner, puisses-tu me consoler.
Isa / Iz 12:2 Behold, God is my salvation; I will trust, and not be afraid: for the Lord JEHOVAH is my strength and my song; he also is become my salvation. Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy. Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia Iaveh, Iaveh, izy no famonjena ahy teo. Voici le Dieu de mon salut : j' aurai confiance et je ne tremblerai plus, car ma force et mon chant c' est Yahvé, il a été mon salut.
Isa / Iz 12:3 Therefore with joy shall ye draw water out of the wells of salvation. Koa amin' ny fifaliana no hantsakanareo rano amin' ny loharanom-pamonjena. Hanovo rano an-kafaliana hianareo amin' ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin' izany andro izany: Dans l' allégresse vous puiserez de l' eau aux sources du salut.
Isa / Iz 12:4 And in that day shall ye say, Praise the Lord, call upon his name, declare his doings among the people, make mention that his name is exalted. Ary hiteny ianao amin' izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an' i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin' ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. Miderà an' ny Tompo, miantsoa ny anarany; torio amin' ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny anarany. Et vous direz, en ce jour-là : Louez Yahvé, invoquez son nom, annoncez aux peuples ses hauts faits, rappelez que son nom est sublime.
Isa / Iz 12:5 Sing unto the Lord; for he hath done excellent things: this is known in all the earth. Mankalazà an' i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin' ny tany rehetra izany. Mihirà ho an' ny Tompo fa nanao zava-mahagaga izy; ka aoka ho fantatra any amin' ny tany rehetra izany! Chantez Yahvé, car il a fait de grandes choses, qu' on le proclame sur toute la terre.
Isa / Iz 12:6 Cry out and shout, thou inhabitant of Zion: for great is the Holy One of Israel in the midst of thee. Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin' ny Isiraely. Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siona, fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin' Israely! Pousse des cris de joie, des clameurs, habitante de Sion, car il est grand, au milieu de toi, le Saint d' Israël. Contre Babylone.

<-
->