<-
->

Isa / Iz 61:1 The Spirit of the Lord GOD is upon me; because the Lord hath anointed me to preach good tidings unto the meek; he hath sent me to bind up the brokenhearted, to proclaim liberty to the captives, and the opening of the prison to them that are bound; Ny Fanahin' i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin' ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin' ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin' ny mazava, Ato amiko ny fanahin' ny Tompo, Tompo, satria voahosotry ny Tompo aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin' ny mahantra, hamehy ny ferin' ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa; L' esprit du Seigneur Yahvé est sur moi, car Yahvé m' a donné l' onction; il m' a envoyé porter la nouvelle aux pauvres, panser les coeurs meurtris, annoncer aux captifs la libération et aux prisonniers la délivrance,
Isa / Iz 61:2 To proclaim the acceptable year of the Lord, and the day of vengeance of our God; to comfort all that mourn; Hitory taona ankasitrahan' i Jehovah sy andro famalian' Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, hitondra taom-pahasoavana anankiray ho an' ny Tompo, sy ny andro famaliana anankiray ho an' ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra. proclamer une année de grâce de la part de Yahvé et un jour de vengeance pour notre Dieu, pour consoler tous les affligés,
Isa / Iz 61:3 To appoint unto them that mourn in Zion, to give unto them beauty for ashes, the oil of joy for mourning, the garment of praise for the spirit of heaviness; that they might be called trees of righteousness, the planting of the Lord, that he might be glorified. Hanolotra ho an' ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon' ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon' ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon' ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon' ny fahamarinana, nambolen' i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. Hitondra ho an' ny tra-pahoriana ao Siona sy hanasatroka azy ny satro-boninahitra ho solon' ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon' ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon' ny fahareraham-po; dia hantsoin' ny olona hoe: terebintan' ny fahamarinana, volin' ny Tompo ho an' ny voninahiny. pour mettre aux affligés de Sion pour leur donner un diadème au lieu de cendre, de l' huile de joie au lieu d' un vêtement de deuil, un manteau de fête au lieu d' un esprit abattu; et on les appellera térébinthes de justice, plantation de Yahvé pour se glorifier.
Isa / Iz 61:4 And they shall build the old wastes, they shall raise up the former desolations, and they shall repair the waste cities, the desolations of many generations. Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin' ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin' ny taranaka lasa ela. Amin' izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan' izay voafongotra fahiny; hanamboatra ny tanana simba, mbamin' ny korontan-javatra rava tamin' ny taona lasa. Ils rebâtiront les ruines antiques, ils relèveront les restes désolés d' autrefois; ils restaureront les villes en ruines, les restes désolés des générations passées.
Isa / Iz 61:5 And strangers shall stand and feed your flocks, and the sons of the alien shall be your plowmen and your vinedressers. Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman' osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo; ny zanaky ny hafa firenena, ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo. Des étrangers se présenteront pour paître vos troupeaux, des immigrants seront vos laboureurs et vos vignerons.
Isa / Iz 61:6 But ye shall be named the Priests of the Lord: men shall call you the Ministers of our God: ye shall eat the riches of the Gentiles, and in their glory shall ye boast yourselves. Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron' i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an' Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren' ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo. Fa hianareo kosa hataon' ny olona hoe: mpisoron' ny Tompo, sy hantsoin' ny olona hoe: Mpandraharahan' ny Andriamanitsika. Hihinana ny haren' ny firenena hianareo; hihaingo amin' ny zavatra kanto avy aminy, ary hitafy ny fiamboniana nananany. Mais vous, vous serez appelés prêtres de Yahvé, on vous nommera ministres de notre Dieu. Vous vous nourrirez des richesses des nations, vous leur succéderez dans leur gloire.
Isa / Iz 61:7 For your shame ye shall have double; and for confusion they shall rejoice in their portion: therefore in their land they shall possess the double: everlasting joy shall be unto them. Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin' ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin' ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy. Ho solon' ny henatrareo taloha, dia anjara roa no ho raisinareo, ary ho solon' ny fahafam-baraka, dia hifaly amin' ny anjarany avy izy ireo, ka dia hahazo anjara roa eo amin' ny taniny izy ireo, dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy. Au lieu de votre honte, vous aurez double part; au lieu de l' humiliation, les cris de joie seront leur part; aussi recevront-ils double héritage dans leur pays et auront-ils une joie éternelle.
Isa / Iz 61:8 For I the Lord love judgment, I hate robbery for burnt offering; and I will direct their work in truth, and I will make an everlasting covenant with them. Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin' ny faharatsiana; homeko ny valin' asany amin' ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin' ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin' izy ireo aho. Car moi, Yahvé, qui aime le droit, qui hais le vol et l' injustice, je leur donnerai fidèlement leur récompense et je conclurai avec eux une alliance éternelle.
Isa / Iz 61:9 And their seed shall be known among the Gentiles, and their offspring among the people: all that see them shall acknowledge them, that they are the seed which the Lord hath blessed. Ny taranany ho fantatra any amin' ny jentilisa ary ny terany any amin' ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin' i Jehovah. Ny taranak' izy ireo, halaza eny amin' ny firenena; ary ny tamingany any amin' ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin' ny Tompo izy ireo. Leur race sera célèbre parmi les nations, et leur descendance au milieu des peuples; tous ceux qui les verront les reconnaîtront comme une race que Yahvé a bénie.
Isa / Iz 61:10 I will greatly rejoice in the Lord, my soul shall be joyful in my God; for he hath clothed me with the garments of salvation, he hath covered me with the robe of righteousness, as a bridegroom decketh himself with ornaments, and as a bride adorneth herself with her jewels. Hifaly dia hifaly amin' i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin' Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. Ho revon-kafaliana eo amin' ny Tompo aho, ary hiravoravo amin' ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy. Je suis plein d' allégresse en Yahvé, mon âme exulte en mon Dieu, car il m' a revêtu de vêtements de salut, il m' a drapé dans un manteau de justice, comme l'époux qui se coiffe d' un diadème, comme la fiancée qui se pare de ses bijoux.
Isa / Iz 61:11 For as the earth bringeth forth her bud, and as the garden causeth the things that are sown in it to spring forth; so the Lord GOD will cause righteousness and praise to spring forth before all the nations. Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan' i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan' ny firenena rehetra. Fa toy ny ampanirian' ny tany ny tsimoka eo aminy, sy toy ny ampitsimohan' ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian' ny Tompo Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan' ny firenena rehetra. Car de même que la terre fait éclore ses germes et qu' un jardin fait germer sa semence, ainsi le Seigneur Yahvé fait germer la justice et la louange devant toutes les nations.

<-
->