<-
->

Isa / Iz 11:1 And there shall come forth a rod out of the stem of Jesse, and a Branch shall grow out of his roots: Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin' ny fototr' i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin' ny fakany; Misy rantsana hipoitra amin' ny fototr' i Jese, ary misy solofo haniry avy amin' ny fakany. Un rejeton sortira de la souche de Jessé, un surgeon poussera de ses racines.
Isa / Iz 11:2 And the spirit of the Lord shall rest upon him, the spirit of wisdom and understanding, the spirit of counsel and might, the spirit of knowledge and of the fear of the Lord; Ary ny fanahin' i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin' ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin' ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin' ny fahalalana sy ny fahatahorana an' i Jehovah; Hitoetra eo aminy ny fanahin' ny Tompo, dia ny fanahin' ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin' ny fifidianana amam-paherezana, fanahin' ny fahalalana amam-pahatahorana an' ny Tompo. Sur lui reposera l' Esprit de Yahvé, esprit de sagesse et d' intelligence, esprit de conseil et de force, esprit de connaissance et de crainte de Yahvé :
Isa / Iz 11:3 And shall make him of quick understanding in the fear of the Lord: and he shall not judge after the sight of his eyes, neither reprove after the hearing of his ears: Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an' i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan' ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren' ny sofiny; Ny fahatahorana an' ny Tompo no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin' ny masony izy, na hanapaka araka izay ren' ny sofiny. son inspiration est dans la crainte de Yahvé. Il jugera mais non sur l' apparence. Il se prononcera mais non sur le ouï-dire.
Isa / Iz 11:4 But with righteousness shall he judge the poor, and reprove with equity for the meek of the earth: and he shall smite the earth: with the rod of his mouth, and with the breath of his lips shall he slay the wicked. Fa hotsarainy amin' ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin' ny tany; hamely ny tany amin' ny tsorakazon' ny vavany Izy, ary ny fofonain' ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin' ny tsorakazon' ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin' ny fofon' ain' ny molony. Il jugera les faibles avec justice, il rendra une sentence équitable pour les humbles du pays. Il frappera le pays de la férule de sa bouche, et du souffle de ses lèvres fera mourir le méchant.
Isa / Iz 11:5 And righteousness shall be the girdle of his loins, and faithfulness the girdle of his reins. Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony Fahamarinana no hisikinan' ny valahany ary fatra-po mahatoky no ho fehin-kibony. La justice sera la ceinture de ses reins, et la fidélité la ceinture de ses hanches.
Isa / Iz 11:6 The wolf also shall dwell with the lamb, and the leopard shall lie down with the kid; and the calf and the young lion and the fatling together; and a little child shall lead them. Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin' ny zanak' ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin' ny zanak' osy; Ary ny zanak' omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy. Ny amboadia hiara-mitoetra amin' ny zanak' ondry, ny pantera hiara-mandry amin' ny zanak' osy; ny zanak' omby sy ny liona aman' omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy. Le loup habitera avec l' agneau, la panthère se couchera avec le chevreau. Le veau, le lionceau et la bête grasse iront ensemble, conduits par un petit garçon.
Isa / Iz 11:7 And the cow and the bear shall feed; their young ones shall lie down together: and the lion shall eat straw like the ox. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin' ny tanim-bilona iray, ny zanak' ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby. La vache et l' ourse paîtront, ensemble se coucheront leurs petits. Le lion comme le boeuf mangera de la paille.
Isa / Iz 11:8 And the sucking child shall play on the hole of the asp, and the weaned child shall put his hand on the cockatrice' den. Ny zaza minono hilalao amin' ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin' ny lavaky ny menarana. Ny zaza minono hilalao eo amin' ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tànany ao an-davaky ny baziliky. Le nourrisson jouera sur le repaire de l' aspic, sur le trou de la vipère le jeune enfant mettra la main.
Isa / Iz 11:9 They shall not hurt nor destroy in all my holy mountain: for the earth shall be full of the knowledge of the Lord, as the waters cover the sea. Ary tsy handratra na hanimba eran' ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an' i Jehovah, tahaka ny anaronan' ny rano ny fanambanin' ny ranomasina. Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran' ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an' ny Tompo, toy ny fanambanin' ny ranomasina, feno ny rano manarona azy. On ne fera plus de mal ni de violence sur toute ma montagne sainte, car le pays sera rempli de la connaissance de Yahvé, comme les eaux couvrent le fond de la mer.
Isa / Iz 11:10 And in that day there shall be a root of Jesse, which shall stand for an ensign of the people; to it shall the Gentiles seek: and his rest shall be glorious. Ary amin' izany andro izany ny solofon' i Jese, Izay hitsangana ho fanevan' ny firenena, dia Izy no hotadiavin' ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra. Izao no hiseho amin' izany andro izany: Ny solofon' i Jese voatsangana ho fanevan' ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin' ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany. Ce jour-là, la racine de Jessé, qui se dresse comme un signal pour les peuples, sera recherchée par les nations, et sa demeure sera glorieuse.
Isa / Iz 11:11 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall set his hand again the second time to recover the remnant of his people, which shall be left, from Assyria, and from Egypt, and from Pathros, and from Cush, and from Elam, and from Shinar, and from Hamath, and from the islands of the sea. Ary amin' izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin' ny moron-dranomasina. Ary izao no hitranga amin' izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tànany fanindroany, hanavotra ny sisa amin' ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patraosy, Etiopia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin' ny ranomasina. Ce jour-là, le Seigneur étendra la main une seconde fois, pour racheter le reste de son peuple, ce qui restera à Assur et en Égypte, à Patros, à Kush et en Élam, à Shinéar, à Hamat et dans les îles de la mer.
Isa / Iz 11:12 And he shall set up an ensign for the nations, and shall assemble the outcasts of Israel, and gather together the dispersed of Judah from the four corners of the earth. Dia hanangana faneva ho an' ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin' ny vazan-tany efatra. Ary izy hanangam-paneva ho an' ny firenena, hamory ny voasesi-tany amin' Israely; hanangona ny tafaely amin' i Jodà, avy any amin' ny vazan-tany efatra. Il dressera un signal pour les nations et rassemblera les bannis d' Israël. Il regroupera les dispersés de Juda des quatre coins de la terre.
Isa / Iz 11:13 The envy also of Ephraim shall depart, and the adversaries of Judah shall be cut off: Ephraim shall not envy Judah, and Judah shall not vex Ephraim. Ary hitsahatra ny fialonan' i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana an' i Joda: Efraima tsy hialona an' i Joda, Ary Joda tsy handrafy an' i Efraima. Ny fialonan' i Efraima ho foana; ny fandrafian' i Jodà hitsahatra; Efraima tsy hialona an' i Jodà intsony; ary Jodà tsy handrafy an' i Efraima intsony. Alors cessera la jalousie d'Éphraïm, et les ennemis de Juda seront retranchés. Éphraïm ne jalousera plus Juda et Juda ne sera plus hostile à Éphraïm.
Isa / Iz 11:14 But they shall fly upon the shoulders of the Philistines toward the west; they shall spoil them of the east together: they shall lay their hand upon Edom and Moab; and the children of Ammon shall obey them. Fa hipaoka ny tanin' ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin' i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak' i Amona hanoa azy. Hanidina amin' ny soroky ny Filistina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; Edoma sy Moaba hasiany amin' ny tanany; ary ny taranak' i Amona, hanoa azy ireo. Ils fondront sur le dos des Philistins à l' Occident, ensemble ils pilleront les fils de l' Orient. Édom et Moab seront soumis à leur main et les fils d' Ammon leur obéiront.
Isa / Iz 11:15 And the Lord shall utterly destroy the tongue of the Egyptian sea; and with his mighty wind shall he shake his hand over the river, and shall smite it in the seven streams, and make men go over dryshod. Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin' ny ony ka hamely azy amin' ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa. Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin' i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin' ny herin' ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka ataony azo aleha tsy ialan-kapa eo. Yahvé asséchera la baie de la mer d'Égypte, il agitera la main contre le Fleuve, dans la violence de son souffle. Il le frappera pour en faire sept bras, on y marchera en sandales.
Isa / Iz 11:16 And there shall be an highway for the remnant of his people, which shall be left, from Assyria; like as it was to Israel in the day that he came up out of the land of Egypt. Ary hisy lalana voavoatra halehan' ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an' ny Isiraely tamin' ny andro niakarany avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hisy làlana halehan' ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin' ny tany Asiriana, toy ny nisy halehan' Israely, tamin' ny andro niakarany avy any amin' ny tany Ejipta. Et il y aura un chemin pour le reste de son peuple, ce qui restera d' Assur, comme il y en eut pour Israël, quand il monta du pays d'Égypte.

<-
->