<-
->

Isa / Iz 56:1 Thus saith the Lord, Keep ye judgment, and do justice: for my salvation is near to come, and my righteousness to be revealed. Izao no lazain' i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Izao no lazain' ny Tompo: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Ainsi parle Yahvé : Observez le droit, pratiquez la justice, car mon salut est près d' arriver et ma justice de se révéler.
Isa / Iz 56:2 Blessed is the man that doeth this, and the son of man that layeth hold on it; that keepeth the sabbath from polluting it, and keepeth his hand from doing any evil. Sambatra ny zanak' olombelona izay manao izany, ary ny zanak' olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak' olombelona hifikitra mafy amin' izany, ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy, sy hifehy ny tànany tsy hanao ratsy akory! Heureux l' homme qui agit ainsi, le fils d' homme qui s' y tient fermement, qui observe le sabbat sans le profaner et s' abstient de toute action mauvaise.
Isa / Iz 56:3 Neither let the son of the stranger, that hath joined himself to the Lord, speak, saying, The Lord hath utterly separated me from his people: neither let the eunuch say, Behold, I am a dry tree. Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an' i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin' i Jehovah tsy ho isan' ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho. Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin' ny Tompo, tsy hanao hoe: Ho esorin' ny Tompo marina aho, tsy ho isam-bahoakany, ary aoka ny eonoka tsy hanao hoe; Indro hazo maina aho! Que le fils de l'étranger, qui s' est attaché à Yahvé, ne dise pas : " Sûrement Yahvé va m' exclure de son peuple. " Que l' eunuque ne dise pas : " Voici, je suis un arbre sec. "
Isa / Iz 56:4 For thus saith the Lord unto the eunuchs that keep my sabbaths, and choose the things that please me, and take hold of my covenant; Fa izao no lazain' i Jehovah: Ny amin' ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko, Fa izao no lazain' ny Tompo amin' ny eonoka: Izay mitandrina ny sabatako ka hifidy izay sitrako ary hifikitra mafy amin' ny fanekeko: Car ainsi parle Yahvé aux eunuques qui observent mes sabbats et choisissent de faire ce qui m' est agréable, fermement attachés à mon alliance :
Isa / Iz 56:5 Even unto them will I give in mine house and within my walls a place and a name better than of sons and of daughters: I will give them an everlasting name, that shall not be cut off. Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin' ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an' ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy. dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanakalahy sy zanakavavy ao an-tranoko sy ao anatin' ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona. Je leur donnerai dans ma maison et dans mes remparts un monument et un nom meilleurs que des fils et des filles; je leur donnerai un nom éternel qui jamais ne sera effacé.
Isa / Iz 56:6 Also the sons of the stranger, that join themselves to the Lord, to serve him, and to love the name of the Lord, to be his servants, every one that keepeth the sabbath from polluting it, and taketh hold of my covenant; Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an' i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran' i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin' ny Tompo mba hanompo azy sy ho tia ny anarany, ary ho mpanompony; izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin' ny fanekeko, Quant aux fils d'étrangers, attachés à Yahvé pour le servir, pour aimer le nom de Yahvé, devenir ses serviteurs, tous ceux qui observent le sabbat sans le profaner, fermement attachés à mon alliance,
Isa / Iz 56:7 Even them will I bring to my holy mountain, and make them joyful in my house of prayer: their burnt offerings and their sacrifices shall be accepted upon mine altar; for mine house shall be called an house of prayer for all people. Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin' ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an' ny firenena rehetra. dia ho entiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahana eo ambony otely ny sorony dorana aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an' ny firenena rehetra je les mènerai à ma sainte montagne, je les comblerai de joie dans ma maison de prière. Leurs holocaustes et leurs sacrifices seront agréés sur mon autel, car ma maison sera appelée maison de prière pour tous les peuples.
Isa / Iz 56:8 The Lord GOD, which gathereth the outcasts of Israel saith, Yet will I gather others to him, beside those that are gathered unto him. Izao no lazain' i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy. - teny marin' Iaveh Tompo izay mamory ny lasan-ko babo amin' Israely! Mbola hamory ny sasany koa aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady. Oracle du Seigneur Yahvé qui rassemble les déportés d' Israël : J' en rassemblerai encore d' autres avec ceux qui sont déjà rassemblés.
Isa / Iz 56:9 All ye beasts of the field, come to devour, yea, all ye beasts in the forest. He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an' ala. Hianareo, biby any an-tsaha rehetra, avia hihinana; ary hianareo biby any an' ala rehetra koa! Bêtes des champs venez toutes vous repaître, ainsi que vous, toutes les bêtes de la forêt.
Isa / Iz 56:10 His watchmen are blind: they are all ignorant, they are all dumb dogs, they cannot bark; sleeping, lying down, loving to slumber. Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso. Fa ny mpiambina an' Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovo ; fa manonofy, mandriandry, tia torimaso. Ses guetteurs sont tous des aveugles, ils ne savent rien; ce sont tous des chiens muets, incapables d' aboyer. Ils rêvent, restent couchés, aiment dormir.
Isa / Iz 56:11 Yea, they are greedy dogs which can never have enough, and they are shepherds that cannot understand: they all look to their own way, every one for his gain, from his quarter. Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin' ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin' ny filàny harena avokoa izy rehetra. Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin' ny làlany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin' ny voalohany ka hatramin' ny farany. Les chiens sont voraces, insatiables, ce sont eux, les bergers incapables de comprendre. Ils suivent tous leur propre chemin, chacun, jusqu' au dernier, cherchant son intérêt :
Isa / Iz 56:12 Come ye, say they, I will fetch wine, and we will fill ourselves with strong drink; and to morrow shall be as this day, and much more abundant. Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza Avia hianareo, hoy izy, fa haka divay aho, ary hiboboka zava-pisotro mahery isika; ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany, dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa. " Venez, je vais chercher du vin, enivrons-nous de boisson, demain sera comme aujourd' hui, un grand, un très grand jour! "

<-
->