<-
->

Isa / Iz 39:1 At that time Merodachbaladan, the son of Baladan, king of Babylon, sent letters and a present to Hezekiah: for he had heard that he had been sick, and was recovered. Tamin' izany andro izany no nampitondran' i Merodaka-baladana, zanak' i Baladana, mpanjakan' i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an' i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana. Tamin' izany andro izany, Merodaka-Baladana, zank' i Baladana mpanjakan' i Babilona, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an' i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany. En ce temps-là, Mérodak-Baladan, fils de Baladan, roi de Babylone, envoya des lettres et un présent à Ézéchias, car il avait appris sa maladie et son rétablissement.
Isa / Iz 39:2 And Hezekiah was glad of them, and shewed them the house of his precious things, the silver, and the gold, and the spices, and the precious ointment, and all the house of his armour, and all that was found in his treasures: there was nothing in his house, nor in all his dominion, that Hezekiah shewed them not. Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin' izay rehetra tao amin' ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon' i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin' ny fanjakany rehetra. Faly Ezekiasa tamin' ny nahatongavan' ireo iraka ireo ka nasehony azy ny trano fitehirizany ny rakiny, ny volafotsy amam-bolamena, ny zava-manitra aman-diloilo sarobidy, ny trano fitehirizam-piadiany, mbamin' izay rehetra tao amin' ny trano firaketany; tsy nisy tsy nasehon' i Ezekiasa an' ireo na ny tao an-tranony, na ny teo amin' ny fanjakany rehetra. Ézéchias s' en réjouit et il montra aux messagers sa chambre du trésor, l' argent, l' or, les aromates, l' huile précieuse ainsi que son arsenal et tout ce qui se trouvait dans ses magasins. Il n' y eut rien qu'Ézéchias ne leur montrât dans son palais et dans tout son domaine.
Isa / Iz 39:3 Then came Isaiah the prophet unto king Hezekiah, and said unto him, What said these men? and from whence came they unto thee? And Hezekiah said, They are come from a far country unto me, even from Babylon. Dia nankany amin' i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain' ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatý aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona. Dia nankao amin' i Ezekiasa mpanjaka Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: Inona no nolazain' ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankaty aminao? Hoy ny navalin' i Ezekiasa: Avy lavitra izy ireo no nankaty amiko; avy any Babilona. Alors le prophète Isaïe vint trouver le roi Ézéchias et lui demanda : " Qu' ont dit ces gens-là, et d' où sont-ils venus chez toi ? " Ézéchias répondit : " Ils sont venus d' un pays lointain, de Babylone. "
Isa / Iz 39:4 Then said he, What have they seen in thine house? And Hezekiah answered, All that is in mine house have they seen: there is nothing among my treasures that I have not shewed them. Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin' ny firaketako rehetra. Ary hoy Izaia: Inona avy no hitany tato an-tranonao? Ka hoy ny navalin' i Ezekiasa: Hitany avokoa izay rehetra ato an-tranoko; tsy misy tsy nasehoko azy ny firaketako rehetra. Isaïe reprit : " Qu' ont-ils vu dans ton palais ? " Ézéchias répondit : " Ils ont vu tout ce qu' il y a dans mon palais : il n' y a dans mes magasins rien que je ne leur aie montré. "
Isa / Iz 39:5 Then said Isaiah to Hezekiah, Hear the word of the Lord of hosts: Ary hoy Isaia tamin' i Hezekia: Henoy ny tenin' i Jehovah, Tompon' ny maro: Dia hoy Izaia tamin' i Ezekiasa: Henoy ny tenin' ny Tompon' ny tafika: Alors Isaïe dit à Ézéchias : " Écoute la parole de Yahvé Sabaot!
Isa / Iz 39:6 Behold, the days come, that all that is in thine house, and that which thy fathers have laid up in store until this day, shall be carried to Babylon: nothing shall be left, saith the Lord. Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin' ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah. Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilona izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin' ny razanao mandrak' androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy Iaveh. Des jours viennent où tout ce qui est dans ton palais, tout ce qu' ont amassé tes pères jusqu'à ce jour, sera emporté à Babylone. Rien ne sera laissé, dit Yahvé.
Isa / Iz 39:7 And of thy sons that shall issue from thee, which thou shalt beget, shall they take away; and they shall be eunuchs in the palace of the king of Babylon. Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin' ny lapan' ny mpanjakan' i Babylona ireo. Ary amin' ireo zanakao, avy amin' ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan' ny mpanjakan' i Babilona. Parmi les fils issus de toi, ceux que tu as engendrés, on en prendra pour être eunuques dans le palais du roi de Babylone. "
Isa / Iz 39:8 Then said Hezekiah to Isaiah, Good is the word of the Lord which thou hast spoken. He said moreover, For there shall be peace and truth in my days. Dia hoy Hezekia tamin' Isaia: Tsara ny tenin' i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin' ny androko handry fahizay. Ka hoy Ezekiasa tamin' Izaia: Tsara ny tenin' ny Tompo nambaranao; ary nanampy teny izy nanao hoe: fa hisy fiadanana sy fandriana fahizay, amin' ny androko. Ézéchias dit à Isaïe : " C' est une parole favorable de Yahvé que tu annonces. " Il pensait en effet : " Il y aura paix et sûreté ma vie durant. "

<-
->