<-
->

Isa / Iz 7:1 And it came to pass in the days of Ahaz the son of Jotham, the son of Uzziah, king of Judah, that Rezin the king of Syria, and Pekah the son of Remaliah, king of Israel, went up toward Jerusalem to war against it, but could not prevail against it. Ary tamin' ny andron' i Ahaza, zanak' i Jotama, zanak' i Ozia, mpanjakan' ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan' i Syria, sy Pelza, zanak' i Remalia, mpanjakan' ny Isiraely, hanafika an' i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy. Tamin' ny andron' i Akaza, zanak' i Joatama, zanak' i Oziasa, mpanjakan' i Jodà, dia niakatra hanafina an' i Jerosalema, Rasima, mpanjakan' i Siria, niaraka tamin' i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan' Israely; nefa tsy nahafaka azy izy. Au temps d' Achaz, fils de Yotam, fils d' Ozias, roi de Juda, Raçôn, roi d' Aram, monta avec Péqah, fils de Remalyahu, roi d' Israël, vers Jérusalem pour porter l' attaque contre elle, mais il ne put l' attaquer.
Isa / Iz 7:2 And it was told the house of David, saying, Syria is confederate with Ephraim. And his heart was moved, and the heart of his people, as the trees of the wood are moved with the wind. Dia nambara tamin' ny taranak' i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin' ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon' ny vahoakany toy ny firondronan' ny hazo any an' ala, raha asian' ny rivotra. Nambara tamin' ny taranak' i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin' i Efraima i Siria. Tamin' izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an' ala ny fon' ny mpanjaka sy ny fon' ny vahoaka. On annonça à la maison de David : " Aram a fait halte sur le territoire d'Éphraïm. " Alors son coeur et le coeur de son peuple se mirent à chanceler comme chancellent les arbres de la forêt sous le vent.
Isa / Iz 7:3 Then said the Lord unto Isaiah, Go forth now to meet Ahaz, thou, and Shearjashub thy son, at the end of the conduit of the upper pool in the highway of the fuller' s field; Ary hoy Jehovah tamin' Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an' i Ahaza eo amin' ny faran' ny lakan-drano amin' ny kamory ambony, eo amin' ny lalambe mankamin' ny sahan' ny mpamotsy lamba, Dia hoy Iaveh tamin' Izaia: Mivoaha hianao sy Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an' i Akaza eo amin' ny faran' ny lakan-dranon' ny kamory ambony, amin' ny làlan' ny sahan' ny mpamotsy lamba; Et Yahvé dit à Isaïe : Sors au-devant d' Achaz, toi et Shéar-Yashub ton fils, vers l' extrémité du canal de la piscine supérieure, vers le chemin du champ du Foulon.
Isa / Iz 7:4 And say unto him, Take heed, and be quiet; fear not, neither be fainthearted for the two tails of these smoking firebrands, for the fierce anger of Rezin with Syria, and of the son of Remaliah. ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan' ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak' i Remalia. ka hianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana hianao eo anatrehan' ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin' ny fisafoak' i Rasima sy Siria, ary ny zana-dRomelia. Tu lui diras : Prends garde et calme-toi. Ne crains pas et que ton coeur ne défaille pas devant ces deux bouts de tisons fumants à cause de l' ardente colère de Raçôn, d' Aram et du fils de Remalyahu,
Isa / Iz 7:5 Because Syria, Ephraim, and the son of Remaliah, have taken evil counsel against thee, saying, Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak' i Remalia ka nanao hoe: Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao mbamin' i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe: parce qu' Aram, Éphraïm et le fils de Remalyahu ont tramé contre toi un mauvais coup en disant :
Isa / Iz 7:6 Let us go up against Judah, and vex it, and let us make a breach therein for us, and set a king in the midst of it, even the son of Tabeal: Andeha isika hananika an' i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak' i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany, Andeha isika hananika an' i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak' i Tabeela ho mpanjaka ao; " Montons contre Juda, détruisons-le, brisons-le pour le ramener vers nous, et nous y établirons comme roi le fils de Tabeel. "
Isa / Iz 7:7 Thus saith the Lord GOD, It shall not stand, neither shall it come to pass. Dia izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany; noho izany dia izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany! Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Cela ne tiendra pas, cela ne sera pas;
Isa / Iz 7:8 For the head of Syria is Damascus, and the head of Damascus is Rezin; and within threescore and five years shall Ephraim be broken, that it be not a people. Fa ny lohan' i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan' i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin' ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony), Satria fa Damasa no lohan' i Siria, ary Rasina no lohan' i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima. car la tête d' Aram c' est Damas, et la tête de Damas c' est Raçôn; encore soixante-cinq ans, et Éphraïm cessera d'être un peuple.
Isa / Iz 7:9 And the head of Ephraim is Samaria, and the head of Samaria is Remaliah' s son. If ye will not believe, surely ye shall not be established. Ary ny lohan' i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan' i Samaria dia ny zanak' i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra. Ary Samaria no lohan' i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan' i Samaria. Raha tsy mino hianareo, dia tsy haharitra. La tête d'Éphraïm c' est Samarie, et la tête de Samarie c' est le fils de Remalyahu. Si vous ne croyez pas, vous ne vous maintiendrez pas.
Isa / Iz 7:10 Moreover the Lord spake again unto Ahaz, saying, Ary Jehovah mbola niteny tamin' i Ahaza ihany ka nanao hoe: Mbola niteny tamin' i Akaza koa Iaveh nanao hoe: Yahvé parla encore à Achaz en disant :
Isa / Iz 7:11 Ask thee a sign of the Lord thy God; ask it either in the depth, or in the height above. Mangataha famantarana amin' i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin' ny lalina ambany, na ho avy amin' ny avo ambony. Mangataha famantarana amin' ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin' ny faravodin' ny seoly, na any amin' ny havoan' ny lanitra. Demande un signe à Yahvé ton Dieu, au fond, dans le shéol, ou vers les hauteurs, au-dessus.
Isa / Iz 7:12 But Ahaz said, I will not ask, neither will I tempt the Lord. Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an' i Jehovah Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an' ny Tompo aho. Et Achaz dit : Je ne demanderai rien, je ne tenterai pas Yahvé.
Isa / Iz 7:13 And he said, Hear ye now, O house of David; Is it a small thing for you to weary men, but will ye weary my God also? Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak' i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, no dia hanasatra an' Andriamanitro koa ianareo ? Ka hoy Izaia: Mihainoa, ry taranak' i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an' Andriamanitra koa hianareo? Il dit alors : Écoutez donc, maison de David! est-ce trop peu pour vous de lasser les hommes, que vous lassiez aussi mon Dieu ?
Isa / Iz 7:14 Therefore the Lord himself shall give you a sign; Behold, a virgin shall conceive, and bear a son, and shall call his name Immanuel. Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan' anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela. Noho izany dia tenan' ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanan' anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela. C' est pourquoi le Seigneur lui-même vous donnera un signe : Voici, la jeune femme est enceinte, elle va enfanter un fils et elle lui donnera le nom d' Emmanuel.
Isa / Iz 7:15 Butter and honey shall he eat, that he may know to refuse the evil, and choose the good. Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany. Hihinana hero-dronono sy tantely izy, mandra-pahainy mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara. Il mangera du lait caillé et du miel jusqu'à ce qu' il sache rejeter le mal et choisir le bien.
Isa / Iz 7:16 For before the child shall know to refuse the evil, and choose the good, the land that thou abhorrest shall be forsaken of both her kings. Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin' ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo. Fa alohan' ny hahaizan' io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara, dia ho rava ny tanin' ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo. Car avant que l' enfant sache rejeter le mal et choisir le bien, elle sera abandonnée, la terre dont les deux rois te jettent dans l'épouvante.
Isa / Iz 7:17 The Lord shall bring upon thee, and upon thy people, and upon thy father' s house, days that have not come, from the day that Ephraim departed from Judah; even the king of Assyria. Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin' ny andro nialan' i Efraima tamin' ny Joda (Dia ny mpanjakan' i Asyria); Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin' ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin' ny andro nisarahan' i Efraima tamin' i Jodà, - dia ny mpanjakan' i Asiria. Yahvé fera venir sur toi, sur ton peuple et sur la maison de ton père des jours tels qu' il n' en est pas venu depuis la séparation d'Éphraïm et de Juda le roi d' Assur .
Isa / Iz 7:18 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall hiss for the fly that is in the uttermost part of the rivers of Egypt, and for the bee that is in the land of Assyria. Ary amin' izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin' ny faran' ny onin' i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin' ny tany Asyria; Amin' izany andro izany, Iaveh hisiaka ny lalitra any amin' ny fara lafin' ny onin' i Ejipta, sy ny renitantely, any amin' ny tanin' i Asiria. Il arrivera, en ce jour-là, que Yahvé sifflera les mouches qui sont à l' extrémité des fleuves d'Égypte et les abeilles qui sont au pays d' Assur.
Isa / Iz 7:19 And they shall come, and shall rest all of them in the desolate valleys, and in the holes of the rocks, and upon all thorns, and upon all bushes. Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin' ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin' ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin' ny saha fiandrasana rehetra. Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa eny amin' ny lohasaha mideza, sy eny an-tsefatsefa-karambato, any amin' ny hazo madinika milobolobo, mbamin' ny tany fiandrasana biby rehetra. Elles viendront et se poseront toutes dans les torrents des ravins et dans les fentes des rochers, sur tous les buissons et à tous les points d' eau.
Isa / Iz 7:20 In the same day shall the Lord shave with a razor that is hired, namely, by them beyond the river, by the king of Assyria, the head, and the hair of the feet: and it shall also consume the beard. Amin' izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin' ny hareza nohofana any amoron' ny Ony (Dia ny mpanjakan' i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin' iny koa. Amin' izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin' ny hareza nahofany tany an-dafin' ny ony, - dia amin' ny mpanjakan' i Asiria, - ary hoesoriny koa ny volom-bava. En ce jour-là, le Seigneur rasera avec un rasoir loué au-delà du fleuve avec le roi d' Assur la tête et le poil des jambes, et même la barbe, il l' enlèvera.
Isa / Iz 7:21 And it shall come to pass in that day, that a man shall nourish a young cow, and two sheep; Ary amin' izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona; Amin' izany andro izany, ny olona iray hiompy ombivavy iray sy ondrivavy roa; Il arrivera, en ce jour-là, que chacun élèvera une génisse et deux têtes de petit bétail.
Isa / Iz 7:22 And it shall come to pass, for the abundance of milk that they shall give he shall eat butter: for butter and honey shall every one eat that is left in the land. Ary noho ny haben' ny ronono azo avy amin' ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan' ny olona sisa rehetra ao amin' ny tany. ka noho ny habetsahan' ny ronono avy amin' ireny dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona; fa hero-dronono sy tantely no fihinan' ny olona rehetra tafajanona eo amin' ny tany. Et il arrivera qu' en raison de l' abondante production du lait, il mangera du lait caillé tout survivant au milieu du pays mangera du lait caillé et du miel.
Isa / Iz 7:23 And it shall come to pass in that day, that every place shall be, where there were a thousand vines at a thousand silverlings, it shall even be for briers and thorns. Ary amin' Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo. Amin' izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo. Il arrivera, en ce jour-là, que tout lieu où il y a mille pieds de vigne valant mille pièces d' argent deviendra ronces et épines.
Isa / Iz 7:24 With arrows and with bows shall men come thither; because all the land shall become briers and thorns. Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin' izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra. Zana-tsipìka aman-tsipìka, no ho enti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin' ny tany rehetra. Avec flèches et arc on y pénétrera, car tout le pays sera ronces et épines.
Isa / Iz 7:25 And on all hills that shall be digged with the mattock, there shall not come thither the fear of briers and thorns: but it shall be for the sending forth of oxen, and for the treading of lesser cattle. Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin' ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan' ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman' osy izany. Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa amin' ny antsetra fiavana tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahan' ny ondry. Sur toutes les montagnes qui sont cultivées à la houe, tu n' iras plus par crainte des ronces et des épines, et ce sera pacage de boeufs et terre piétinée par les moutons.

<-
->