<-
->

Isa / Iz 64:1 Oh that thou wouldest rend the heavens, that thou wouldest come down, that the mountains might flow down at thy presence, Dia tahaka ny fandevon' ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa. Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina; tahaka ny afo mampangotraka ny rano; mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny anaranao, ka hangovitan' ny firenena eo anatrehanao, comme le feu enflamme des brindilles, comme le feu fait bouillir l' eau - pour faire connaître ton nom à tes adversaires, devant ta face les nations trembleraient
Isa / Iz 64:2 As when the melting fire burneth, the fire causeth the waters to boil, to make thy name known to thine adversaries, that the nations may tremble at thy presence! Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra. amin' ny fahavitanao zava-mahatahotra, tsy azo nampoizina; endrey raha midina hianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra! - quand tu ferais des prodiges inattendus. Tu es descendu : devant ta face les montagnes ont été ébranlées.
Isa / Iz 64:3 When thou didst terrible things which we looked not for, thou camest down, the mountains flowed down at thy presence. Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren' ny olona, na nohenoiny, Na hitan' ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an' ny miandry Azy afa-tsy Hianao. zavatra izay mbola tsy re tsaika akory! Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita, izay Andriamanitra hafa manao toy izany, ho an' ny manantena azy, afa-tsy hianao. Jamais on n' avait ouï dire, on n' avait pas entendu, et l' oeil n' avait pas vu un Dieu, toi excepté, agir ainsi en faveur de qui a confiance en lui.
Isa / Iz 64:4 For since the beginning of the world men have not heard, nor perceived by the ear, neither hath the eye seen, O God, beside thee, what he hath prepared for him that waiteth for him. Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin' ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin' ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? Hianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro anao. Fa izao tezitra hianao, ary meloka izahay; - sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay? - Tu as rencontré celui qui, plein d' allégresse, pratique la justice; en suivant tes voies, ils se souviendront de toi. Voici que toi, tu t' es irrité, et nous avons péché. Nous sommes à jamais dans tes voies et nous serons sauvés.
Isa / Iz 64:5 Thou meetest him that rejoiceth and worketh righteousness, those that remember thee in thy ways: behold, thou art wroth; for we have sinned: in those is continuance, and we shall be saved. Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra, Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra. Tous, nous étions comme des êtres impurs, et nos bonnes actions comme du linge souillé. Tous, nous nous flétrissons comme des feuilles mortes, et nos fautes nous emportent comme le vent.
Isa / Iz 64:6 But we are all as an unclean thing, and all our righteousnesses are as filthy rags; and we all do fade as a leaf; and our iniquities, like the wind, have taken us away. Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay. Tsy nisy olona niantso ny anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin' ny fahotanay izahay. Plus personne pour invoquer ton nom, pour se réveiller en s' attachant à toi, car tu nous as caché ta face et tu nous as livrés au pouvoir de nos fautes.
Isa / Iz 64:7 And there is none that calleth upon thy name, that stirreth up himself to take hold of thee: for thou hast hid thy face from us, and hast consumed us, because of our iniquities. Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan' ny tananao izahay rehetra. Fa ankehitriny, Tompo o, rainay hianao; tanimanga izahay, ary hianao no ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra. Et pourtant, Yahvé, tu es notre père, nous sommes l' argile, tu es notre potier, nous sommes tous l' oeuvre de tes mains.
Isa / Iz 64:8 But now, O Lord, thou art our father; we are the clay, and thou our potter; and we all are the work of thy hand. Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra. Aza tafahoatra amin' ny hatezeranao hianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakariva ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra! Yahvé, ne t' irrite pas à l' excès, ne garde pas à jamais le souvenir de la faute. Vois donc, nous sommes tous ton peuple.
Isa / Iz 64:9 Be not wroth very sore, O Lord, neither remember iniquity for ever: behold, see, we beseech thee, we are all thy people. Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema. Ireo tanananao masina, tonga efitra; Siona zary efitra, Jerosalema, tany maty. Tes villes saintes sont devenues un désert, Sion est devenue un désert, Jérusalem, un lieu désolé.
Isa / Iz 64:10 Thy holy cities are a wilderness, Zion is a wilderness, Jerusalem a desolation. Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran' ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra. Ny tranonay masina sy be voninahitra, izay nankalazan' ny razanay ny fiderana anao, efa nodoran' ny afo, ary ny zavatra maminay rava avokoa. Notre temple saint et magnifique, où nos ancêtres te louaient, est devenu la proie du feu. Tout ce que nous aimions est devenu ruine.
Isa / Iz 64:11 Our holy and our beautiful house, where our fathers praised thee, is burned up with fire: and all our pleasant things are laid waste. Ary mbola mahatsindry fo amin' izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra? Ka dia mbola hahatsindry fo ihany va hianao amin' izany rehetra izany, ry Iaveh? Mbola hangina ihany va hianao sy hampijaly anay mafy indrindra? Peux-tu rester insensible à tout cela, Yahvé ? Te taire serait nous humilier à l' excès.
Isa / Iz 64:12 Wilt thou refrain thyself for these things, O Lord? wilt thou hold thy peace, and afflict us very sore?

<-
->