<-
->

Isa / Iz 41:1 Keep silence before me, O islands; and let the people renew their strength: let them come near; then let them speak: let us come near together to judgment. Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin' ny fitsarana. Mangina hihaino ahy, hianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin' ny fitsarana. Iles, faites silence pour m'écouter, que les peuples renouvellent leurs forces, qu' ils s' avancent et qu' ils parlent, ensemble comparaissons au jugement.
Isa / Iz 41:2 Who raised up the righteous man from the east, called him to his foot, gave the nations before him, and made him rule over kings? he gave them as the dust to his sword, and as driven stubble to his bow. Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban' ny fahamarinana tamin' ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? Iza no nampiakatra avy any atsinanana an' ilay ifanenan' ny fahamarinana ny diany? Iza no nanolotra azy an' ireo firenena, sy nampanaiky azy an' ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka izy; ary ataony tonga sahala amin' ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany. Qui a suscité de l' Orient celui que la justice appelle à sa suite, auquel Il livre les nations, et assujettit les rois ? Son épée les réduit en poussière et son arc en fait une paille qui s' envole.
Isa / Iz 41:3 He pursued them, and passed safely; even by the way that he had not gone with his feet. Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin' izay lalana tsy mbola nodiavin' ny tongony. Enjehiny ireo, ka mizotra soa aman-tsara izy; eo amin' ny làlana mbola tsy nodiavin' ny tongony. Il les chasse et passe en sécurité par un chemin que ses pieds ne font qu' effleurer.
Isa / Iz 41:4 Who hath wrought and done it, calling the generations from the beginning? I the Lord, the first, and with the last; I am he. Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin' ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin' ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy. Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin' ny voalohany, izaho Iaveh, izay voalohany, sady ho eo amin' ny farany koa! Qui a agi et accompli ? Celui qui dès le commencement appelle les générations; moi, Yahvé, je suis le premier, et avec les derniers je serai encore.
Isa / Iz 41:5 The isles saw it, and feared; the ends of the earth were afraid, drew near, and came. Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga. Mahita izany ireo nosy, ka raiki-tahotra; mangovitra ny vazan-tany; manatona izy ireo ka tonga. Les îles ont vu et prennent peur, les extrémités de la terre frémissent, ils sont tout près, ils arrivent.
Isa / Iz 41:6 They helped every one his neighbour; and every one said to his brother, Be of good courage. Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin' ny rahalahiny avy hoe: Matokia. Samy manampy ny namany avy izy, ary mifampilaza hoe: Matokia! Chacun aide son compagnon, il dit à l' autre : " Courage! "
Isa / Iz 41:7 So the carpenter encouraged the goldsmith, and he that smootheth with the hammer him that smote the anvil, saying, It is ready for the sodering: and he fastened it with nails, that it should not be moved. Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin' ny tantanana nampahery izay nively teo amin' ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin' ny hombo izy mba tsy hihozongozona. Ny mpanefy mankahery ny mpanao anidina; ny mpandama amin' ny tantanana mankahery ny mively eo amin' ny riandriana; hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity; dia homboany amin' ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona. L' artisan donne courage à l' orfèvre, et celui qui polit au marteau à celui qui bat l' enclume : il dit de la soudure : " Elle est bonne ", il la renforce avec des clous pour qu' elle ne vacille pas.
Isa / Iz 41:8 But thou, Israel, art my servant, Jacob whom I have chosen, the seed of Abraham my friend. Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak' i Abrahama sakaizako, Fa hianao kosa, ry Israely, mpanompoko, hianao, ry Jakoba nofidiko, taranak' i Abrahama, sakaizako. Et toi, Israël, mon serviteur, Jacob, que j' ai choisi, race d' Abraham, mon ami,
Isa / Iz 41:9 Thou whom I have taken from the ends of the earth, and called thee from the chief men thereof, and said unto thee, Thou art my servant; I have chosen thee, and not cast thee away. Hianao izay efa notantanako avy tany amin' ny faran' ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: Hianao izay notantanako avy any am-paran' ny tany, sy nantsoiko avy any amin' ireo tany lavitra ireo: hianao izay nilazako hoe: Mpanompoko hianao, efa nofidiko, ka tsy mba nariako. toi que j' ai saisi aux extrémités de la terre, que j' ai appelé des contrées lointaines, je t' ai dit : " Tu es mon serviteur, je t' ai choisi, je ne t' ai pas rejeté. "
Isa / Iz 41:10 Fear thou not; for I am with thee: be not dismayed; for I am thy God: I will strengthen thee; yea, I will help thee; yea, I will uphold thee with the right hand of my righteousness. Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin' ny tanana ankavanan' ny fahamarinako Aho. Aza matahotra hianao fa momba anao aho; aza mijerijery amin' ahiahy, fa izaho no Andriamanitrao; nohazoniko mafy hianao, ka manampy anao aho; ary manohana anao amin' ny tànana an-kavanan' ny fahamarinako. Ne crains pas car je suis avec toi, ne te laisse pas émouvoir car je suis ton Dieu; je t' ai fortifié et je t' ai aidé, je t' ai soutenu de ma droite justicière.
Isa / Iz 41:11 Behold, all they that were incensed against thee shall be ashamed and confounded: they shall be as nothing; and they that strive with thee shall perish. Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. Ho menatra sy hangaihay foana, izay rehetra misafoaka hamely anao; hanahaka ny zava-poana sy ho levona, izay mifanditra aminao. Voici qu' ils seront honteux et humiliés, tous ceux qui s' enflammaient contre toi. Ils seront réduits à rien et périront, ceux qui te cherchaient querelle.
Isa / Iz 41:12 Thou shalt seek them, and shalt not find them, even them that contended with thee: they that war against thee shall be as nothing, and as a thing of nought. Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony, ry zareo mila sotasota aminao; hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona, ry zareo miady aminao. Tu les chercheras et tu ne les trouveras pas, ceux qui te combattaient; ils seront réduits à rien, anéantis, ceux qui te faisaient la guerre.
Isa / Iz 41:13 For I the Lord thy God will hold thy right hand, saying unto thee, Fear not; I will help thee. Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. Fa izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin' ny tànana an-kavanana, milaza aminao hoe: Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao. Car moi, Yahvé, ton Dieu, je te saisis la main droite, je te dis : " Ne crains pas, c' est moi qui te viens en aide. "
Isa / Iz 41:14 Fear not, thou worm Jacob, and ye men of Israel; I will help thee, saith the Lord, and thy redeemer, the Holy One of Israel. Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin' ny Isiraely no Mpanavotra anao. Aza matahotra, ry kankana avy amin' i Jakoba, ry olom-bitsy sisa, tamin' Israely! fa izaho no tonga mamonjy anao - teny marin' ny Tompo - ary ilay Masin' Israely no mpanavotra anao. Ne crains pas, vermisseau de Jacob, et vous, pauvres gens d' Israël. C' est moi qui te viens en aide, oracle de Yahvé, celui qui te rachète, c' est le Saint d' Israël.
Isa / Iz 41:15 Behold, I will make thee a new sharp threshing instrument having teeth: thou shalt thresh the mountains, and beat them small, and shalt make the hills as chaff. Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa. Indro ataoko ambaramba maranitra hianao sady vao no marani-daniroa, hodiavinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao, ary hampanjarinao akofa ny havoana. Voici que j' ai fait de toi un traîneau à battre, tout neuf, à doubles dents. Tu écraseras les montagnes, tu les pulvériseras, les collines, tu en feras de la paille.
Isa / Iz 41:16 Thou shalt fan them, and the wind shall carry them away, and the whirlwind shall scatter them: and thou shalt rejoice in the Lord, and shalt glory in the Holy One of Israel. Hikororoka azy ianao, ka hopaohin' ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin' i Jehovah, ary ny Iray Masin' ny Isiraely no ho reharehanao. Hokororohinao izy, ka hopaohin' ny rivotra, sy haelin' ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin' ny Tompo ary ilay Masin' Israely no hireharehanao. Tu les vanneras, le vent les emportera et l' ouragan les dispersera; pour toi, tu te réjouiras en Yahvé, tu te glorifieras dans le Saint d' Israël.
Isa / Iz 41:17 When the poor and needy seek water, and there is none, and their tongue faileth for thirst, I the Lord will hear them, I the God of Israel will not forsake them. Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan' ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy; Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan' ny hetaheta ny lelany, dia izaho Iaveh no hihaino azy, izaho Andriamanitr' Israely tsy handao azy. Les miséreux et les pauvres cherchent de l' eau, et rien! Leur langue est desséchée par la soif. Moi, Yahvé, je les exaucerai, Dieu d' Israël, je ne les abandonnerai pas.
Isa / Iz 41:18 I will open rivers in high places, and fountains in the midst of the valleys: I will make the wilderness a pool of water, and the dry land springs of water. Hampiboika renirano ao amin' ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin' ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika. Hampiboiboika renirano, eo amin' ny tendrombohitra mangadihady aho, ary loharano eo afovoan' ny lohasaha; hovako ho farihy ny efitra; ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina. Sur les monts chauves je ferai jaillir des fleuves, et des sources au milieu des vallées. Je ferai du désert un marécage et de la terre aride des eaux jaillissantes.
Isa / Iz 41:19 I will plant in the wilderness the cedar, the shittah tree, and the myrtle, and the oil tree; I will set in the desert the fir tree, and the pine, and the box tree together: Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, Ny efitra hampaniriako sedra akasia, mirta sy oliva; hataoko indray maniry eo amin' ny tany lava volo ny sipresa, platana, ary boisy. Je mettrai dans le désert le cèdre, l' acacia, le myrte et l' olivier, je placerai dans la steppe pêle-mêle le cyprès, le platane et le buis,
Isa / Iz 41:20 That they may see, and know, and consider, and understand together, that the hand of the Lord hath done this, and the Holy One of Israel hath created it. Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan' i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin' ny Isiraely no nahary izany. Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tànan' ny Tompo no nanao izany, ary ilay Masin' Israely no nahary izany. afin que l' on voie et que l' on sache, que l' on fasse attention et que l' on comprenne que la main de Yahvé a fait cela, que le Saint d' Israël l' a créé.
Isa / Iz 41:21 Produce your cause, saith the Lord; bring forth your strong reasons, saith the King of Jacob. Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan' i Jakoba. Alaharo ny teninareo, hoy Iaveh, Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny mpanjakan' i Jakoba. Présentez votre querelle, dit Yahvé, produisez vos arguments, dit le roi de Jacob.
Isa / Iz 41:22 Let them bring them forth, and shew us what shall happen: let them shew the former things, what they be, that we may consider them, and know the latter end of them; or declare us things for to come. Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. Aoka hasehony sy hambarany amintsika, izay zavatra ho avy! Ambarao izay zavatra taloha, mba inona sy inona avy ireny? hikezaka handinika izany ny fonay, hahalalanay izay nahatanterahany! Na hoe ampandreneso anay, izay zavatra ho avy! Qu' ils produisent et qu' ils nous montrent les choses qui doivent arriver. Les choses passées, que furent-elles ? montrez-le, que nous y réfléchissions et que nous en connaissions la suite. Ou bien faites-nous entendre les choses à venir,
Isa / Iz 41:23 Shew the things that are to come hereafter, that we may know that ye are gods: yea, do good, or do evil, that we may be dismayed, and behold it together. Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita. Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any, dia ho fantatray fa andriamanitra hianareo. Manaova soa, na manaova ratsy, mba hahitanay izany sy hiarahantsika migaga. annoncez ce qui doit venir ensuite, et nous saurons que vous êtes des dieux. Au moins, faites bien ou faites mal, que nous éprouvions de l'émoi et de la crainte.
Isa / Iz 41:24 Behold, ye are of nothing, and your work of nought: an abomination is he that chooseth you. Indro, ianareo dia naman' ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman' ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo. Indro fa tsinontsinona hianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo! Voici, vous êtes moins que rien, et votre oeuvre, c' est moins que néant, vous choisir est abominable.
Isa / Iz 41:25 I have raised up one from the north, and he shall come: from the rising of the sun shall he call upon my name: and he shall come upon princes as upon morter, and as the potter treadeth clay. Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin' ny fiposahan' ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga. Nampitranga azy avy any avaratra aho, ka tonga izy, avy any atsinanana izy miantso ny anarako; hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka; sy tahaka ny fanosin' ny mpanao vilany ny tanimanga. Je l' ai suscité du Nord et il est venu, depuis le Levant il est appelé par son nom. Il piétine les gouverneurs comme de la boue, comme le potier pétrit l' argile.
Isa / Iz 41:26 Who hath declared from the beginning, that we may know? and beforetime, that we may say, He is righteous? yea, there is none that sheweth, yea, there is none that declareth, yea, there is none that heareth your words. Iza no nitory izany hatramin' ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo. Iza no nampahalala azy hatramin' ny voalohany mba hahafantaranay izany, sy teo aloha ela, mba hilazanay hoe: Marina izany? Tsia: tsy nisy olona nilaza azy! Tsia, tsy nisy olona nampandre azy! Tsia, tsy nisy olona nandre ny teninareo! Qui l' a annoncé dès le principe, pour que nous sachions, et dans le passé, pour que nous disions : C' est juste ? Mais nul n' a annoncé, nul n' a fait entendre, nul n' a entendu vos paroles.
Isa / Iz 41:27 The first shall say to Zion, Behold, behold them: and I will give to Jerusalem one that bringeth good tidings. Izaho no voalohany Izay milaza amin' i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an' i Jerosalema. Izaho no voalohany nilaza tamin' i Siona hoe: Indro! indreo izy, ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly ho an' i Jerosalema aho. Prémices de Sion, voici, les voici, à Jérusalem j' envoie un messager,
Isa / Iz 41:28 For I beheld, and there was no man; even among them, and there was no counsellor, that, when I asked of them, could answer a word. Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho. Mijery aho, ka tsy misy olona; tsy misy mpanolo-tsaina amin' izy ireo, izay azoko nanontaniana sy hamaly ahy. et je regarde : personne! Parmi eux, pas un qui donne un avis, que je puisse interroger et qui réponde!
Isa / Iz 41:29 Behold, they are all vanity; their works are nothing: their molten images are wind and confusion. Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina. Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny. Voici, tous ensemble ils ne sont rien, néant que leurs oeuvres, du vent et du vide leurs statues!

<-
->