<-
->

Isa / Iz 46:1 Bel boweth down, Nebo stoopeth, their idols were upon the beasts, and upon the cattle: your carriages were heavy loaden; they are a burden to the weary beast. Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin' ireo biby reraka. Mirodana Bela, miletsy Nebao; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinareo dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra. Bel s' est courbé, Nebo s' effondre, leurs idoles sont confiées aux animaux et aux bêtes de somme, ces charges que vous souleviez, c' est un fardeau pour la bête fourbue.
Isa / Iz 46:2 They stoop, they bow down together; they could not deliver the burden, but themselves are gone into captivity. Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa. Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin' ny tenany aza. Elles se sont effondrées, courbées toutes ensemble, on ne peut sauver ce fardeau, elles sont allées elles-mêmes en captivité.
Isa / Iz 46:3 Hearken unto me, O house of Jacob, and all the remnant of the house of Israel, which are borne by me from the belly, which are carried from the womb: Mihainoa Ahy, ry taranak' i Jakoba sy izay sisa rehetra amin' ny taranak' Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: Mihainoa ahy, ry taranak' i Jakoba, mbaminareo sisa rehetra amin' ny taranak' Israely; hianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka, nentiko hatreny an-kibon-dreninareo. Écoutez-moi, maison de Jacob, tout ce qui reste de la maison d' Israël, vous que j' ai portés dès votre naissance, soulevés depuis le berceau.
Isa / Iz 46:4 And even to your old age I am he; and even to hoar hairs will I carry you: I have made, and I will bear; even I will carry, and will deliver you. Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. Tsy hiova aho hatramin' ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsivolo anareo. Efa nanao izany aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo. Jusqu'à la vieillesse je reste le même, jusqu' aux cheveux blancs je vous porterai : moi, je l' ai déjà fait, moi je vous soulèverai, moi, je vous porterai et je vous sauverai.
Isa / Iz 46:5 To whom will ye liken me, and make me equal, and compare me, that we may be like? Hampitovinareo amin' iza moa Aho, sy amin' iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? Hampitahainareo amin' iza aho, ary hataonareo sahala amin' iza? Hampitahafinareo amin' iza aho ka hitovy izahay? A qui voulez-vous m' assimiler et m' identifier, à qui me comparer, à qui suis-je semblable ?
Isa / Iz 46:6 They lavish gold out of the bag, and weigh silver in the balance, and hire a goldsmith; and he maketh it a god: they fall down, yea, they worship. Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin' ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony, mandanja volafotsy amin' ny mizana, ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin' izany, dia miankohoka sy mivavaka. Certains déversent l' or de leur bourse, et pèsent l' argent à la balance, ils embauchent un orfèvre pour faire un dieu, ils s' inclinent et ils adorent.
Isa / Iz 46:7 They bear him upon the shoulder, they carry him, and set him in his place, and he standeth; from his place shall he not remove: yea, one shall cry unto him, yet can he not answer, nor save him out of his trouble. Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin' ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin' ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin' ny fahoriany. Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin' ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin' ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin' ny fahoriany. Ils le mettent sur l'épaule et l' emportent, ils le déposent à sa place pour qu' il s' y tienne, pour qu' il n' en bouge pas. On a beau l' invoquer, il ne répond pas, de la détresse il ne sauve pas.
Isa / Iz 46:8 Remember this, and shew yourselves men: bring it again to mind, O ye transgressors. Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. Mihevera izany, ary misehoa ho lehilahy; ampoizo izany, ry mpiodina; Souvenez-vous-en et soyez des hommes; révoltés, rentrez en vous-mêmes.
Isa / Iz 46:9 Remember the former things of old: for I am God, and there is none else; I am God, and there is none like me, Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin' ny andro taloha. Eny, izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa. Souvenez-vous des choses passées depuis longtemps, car je suis Dieu, il n' y en a pas d' autre, Dieu, et personne n' est semblable à moi.
Isa / Iz 46:10 Declaring the end from the beginning, and from ancient times the things that are not yet done, saying, My counsel shall stand, and I will do all my pleasure: Izay manambara ny farany hatramin' ny voalohany, ary nanambara hatramin' ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra, Andriamanitra aho, ary tsy misy mitovy amiko, izaho no manambara ny farany, hatramin' ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarý aloha ela; izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitra-poko rehetra; J' annonce dès l' origine ce qui doit arriver, d' avance, ce qui n' est pas encore accompli, je dis : Mon projet se réalisera, j' accomplirai ce qui me plaît;
Isa / Iz 46:11 Calling a ravenous bird from the east, the man that executeth my counsel from a far country: yea, I have spoken it, I will also bring it to pass; I have purposed it, I will also do it. Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy. izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa aho, ka hanefa izany! j' appelle depuis l' Orient un rapace, d' un pays lointain l' homme que j' ai prédestiné. Ce que j' ai dit, je l' exécute, mon dessein, je l' accomplis.
Isa / Iz 46:12 Hearken unto me, ye stouthearted, that are far from righteousness: Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana: Mihainoa ahy, hianareo olona madi-po, izay lavitry ny fahamarinana. Écoutez-moi, hommes au coeur dur, vous qui êtes loin de la justice,
Isa / Iz 46:13 I bring near my righteousness; it shall not be far off, and my salvation shall not tarry: and I will place salvation in Zion for Israel my glory. Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an' ny Isiraely. Ampanakekeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an' i Siona aho, sy ny voninahitro ho an' Israely. j' ai fait venir ma justice, elle n' est pas loin, mon salut ne tardera pas. Je mettrai en Sion le salut, je donnerai à Israël ma gloire.

<-
->