<-
->

Isa / Iz 28:1 Woe to the crown of pride, to the drunkards of Ephraim, whose glorious beauty is a fading flower, which are on the head of the fat valleys of them that are overcome with wine! Lozan' ny satro-boninahitra, izay reharehan' ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin' ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan' ny lohasaha lonaky ny fileon-divay. Loza ho an' ny diadema be avonavon' ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan' ny fihaingoany, eny an-tampon' ny lohasaha lonaka misy an' ireo lehilahy mamon' ny divay. Malheur à l' orgueilleuse couronne des ivrognes d'Éphraïm, à la fleur fanée de sa superbe splendeur sise au sommet de la grasse vallée, à ceux que terrasse le vin.
Isa / Iz 28:2 Behold, the Lord hath a mighty and strong one, which as a tempest of hail and a destroying storm, as a flood of mighty waters overflowing, shall cast down to the earth with the hand. Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin' ny tany. Indro fa misy fahavalo mahery sy mahefa avy amin' ny anaran' ny Tompo, tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava, tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra; dia hanjera azy mafy amin' ny tany. Voici un homme fort et puissant au service du Seigneur, comme une tornade de grêle, une tempête dévastatrice, comme d'énormes trombes d' eau qui se déversent, de sa main il les jette à terre.
Isa / Iz 28:3 The crown of pride, the drunkards of Ephraim, shall be trodden under feet: Dia hohitsahin' ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan' ny mpimamo any Efraima. Ho hosena amin' ny tongotra ny diadema be avonavon' ny mpimamo ao Efraima. Elles seront foulées aux pieds, l' orgueilleuse couronne des ivrognes d'Éphraïm
Isa / Iz 28:4 And the glorious beauty, which is on the head of the fat valley, shall be a fading flower, and as the hasty fruit before the summer; which when he that looketh upon it seeth, while it is yet in his hand he eateth it up. Ary ny voninkazo mihamalazo amin' ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan' ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan' aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. Ny voninkazo mora malazo famirapiratan' ny fihaingoany, eny an-tampon' ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan' aviavy masaka aloha' ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tànana mandrapaka azy. et la fleur fanée de sa superbe splendeur sise au sommet de la grasse vallée. C' est comme une figue mûre avant l'été : qui l' aperçoit aussitôt la saisit et l' avale.
Isa / Iz 28:5 In that day shall the Lord of hosts be for a crown of glory, and for a diadem of beauty, unto the residue of his people, Ary amin' izany andro izany Jehovah, Tompon' ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an' ny olony sisa, Amin' izany andro izany Iaveh ho diadema mamirapiratra sy fehiloham-boninahitra ho an' ny sisan' ny vahoakany, Ce jour-là, c' est Yahvé Sabaot qui deviendra une couronne de splendeur et un superbe diadème pour le reste de son peuple,
Isa / Iz 28:6 And for a spirit of judgment to him that sitteth in judgment, and for strength to them that turn the battle to the gate. Ary ho fanahy fitsarana ho an' izay mipetraka eo amin' ny fitsarana, sy ho hery ho an' izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady. ho fanahy fahamarinana ho an' izay mipetraka eo amin' ny seza fitsarana, ary ho hery ho an' izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady. un esprit de justice pour qui doit rendre la justice, et la force de ceux qui repoussent l' assaut aux portes.
Isa / Iz 28:7 But they also have erred through wine, and through strong drink are out of the way; the priest and the prophet have erred through strong drink, they are swallowed up of wine, they are out of the way through strong drink; they err in vision, they stumble in judgment. Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon' ny divay ary mivembena azon' ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon' ny toaka; Resin' ny divay ireo; Mivembena azon' ny toaka izy; Miraingiraingy amin' ny fahitana izy ary midoladola eo amin' ny fitsarana. Ireo koa mandraingiraingin' ny divay, jembin' ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin' ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin' ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana; Eux aussi, ils ont été troublés par le vin, ils ont divagué sous l' effet de la boisson. Prêtre et prophète, ils ont été troublés par la boisson, ils ont été pris de vin, ils ont divagué sous l' effet de la boisson, ils ont été troublés dans leurs visions, ils ont divagué dans leurs sentences.
Isa / Iz 28:8 For all tables are full of vomit and filthiness, so that there is no place clean. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana. feno loa maloto ny latabatra rehetra, tsy misy fitoerana intsony. Oui, toutes les tables sont couvertes de vomissements abjects, pas une place nette!
Isa / Iz 28:9 Whom shall he teach knowledge? and whom shall he make to understand doctrine? them that are weaned from the milk, and drawn from the breasts. Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Iza no tadiaviny hampianarana fahendrena, ary zovy no tadiavany hamoasana ny fianarana? Ny zaza vao notazana, vao mitsaha-nono va? A qui enseigne-t-il la leçon ? A qui explique-t-il la doctrine ? A des enfants à peine sevrés, à peine éloignés de la mamelle,
Isa / Iz 28:10 For precept must be upon precept, precept upon precept; line upon line, line upon line; here a little, and there a little: Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etý, ary kely erý; Fa didy manampy didy, didy manampy didy fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika mbetika izao, mbetika izany. quand il dit : çav laçav, çav laçav; qav laqav, qav laqav; ze'êr sham, ze'êr sham.
Isa / Iz 28:11 For with stammering lips and another tongue will he speak to this people. Eny, amin' ny molotra miambakambaka sy amin' ny fiteny baiko no hitenenany amin' ity firenena ity, Eny ary, fa olona mibadabada sy amin' ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan' ny Tompo amin' ity vahoaka ity. Oui, c' est par des lèvres bégayantes et dans une langue étrangère qu' il parlera à ce peuple.
Isa / Iz 28:12 To whom he said, This is the rest wherewith ye may cause the weary to rest; and this is the refreshing: yet they would not hear. Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. Niteny izy nanao hoe: Ity no fitoerana fitsaharana; avelao hiala sasatra ny reraka; ity no fanamaivanana; - kanefa tsy nety nihaino izy ireo. Il leur avait dit : " Voici le repos! Donnez le repos à l' accablé : ceci est un endroit tranquille. " Mais ils n' ont pas voulu écouter.
Isa / Iz 28:13 But the word of the Lord was unto them precept upon precept, precept upon precept; line upon line, line upon line; here a little, and there a little; that they might go, and fall backward, and be broken, and snared, and taken. Ary ny tenin' i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etý, ary kely erý, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina. Noho izany, ho azy ireo ny tenin' ny Tompo, dia ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin' ny fandrika. Aussi Yahvé va leur parler ainsi : çav laçav, çav laçav; qav laqav, qav laqav; ze'êr sham, ze'êr sham, afin qu' en marchant ils tombent à la renverse, qu' ils soient brisés, pris au piège, emprisonnés.
Isa / Iz 28:14 Wherefore hear the word of the Lord, ye scornful men, that rule this people which is in Jerusalem. Koa mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity. Koa mihainoa ny tenin' ny Tompo hianareo, ry olona mpananihany, lehiben' ny vahoaka eto Jerosalema. C' est pourquoi, écoutez la parole de Yahvé, hommes insolents, gouverneurs de ce peuple qui est à Jérusalem.
Isa / Iz 28:15 Because ye have said, We have made a covenant with death, and with hell are we at agreement; when the overflowing scourge shall pass through, it shall not come unto us: for we have made lies our refuge, and under falsehood have we hid ourselves: Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin' ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin' ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, Hianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin' ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin' ny seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena. Vous avez dit : " Nous avons conclu une alliance avec la mort, avec le shéol nous avons fait un pacte. Quant au fléau menaçant, il passera sans nous atteindre, car nous avons fait du mensonge notre refuge, et dans la fausseté nous nous sommes cachés. "
Isa / Iz 28:16 Therefore thus saith the Lord GOD, Behold, I lay in Zion for a foundation a stone, a tried stone, a precious corner stone, a sure foundation: he that believeth shall not make haste. Dia izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino. Noho izany, izao kosa no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siona dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé : Voici que je vais poser en Sion une pierre, une pierre de granit, pierre angulaire, précieuse, pierre de fondation bien assise : celui qui s' y fie ne sera pas ébranlé.
Isa / Iz 28:17 Judgment also will I lay to the line, and righteousness to the plummet: and the hail shall sweep away the refuge of lies, and the waters shall overflow the hiding place. Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin' ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin' ny rano ny fierena. Ny rariny no hataoko fitsipika, ary ny fahamarinana no hataoko fandanjana. Ka ny lainga fiarovana ho paohin' ny havandra; ary ny fierenareo hindaosin' ny rano. Et je prendrai le droit comme mesure et la justice comme niveau. Mais la grêle balaiera le refuge de mensonge et les eaux inonderont la cachette;
Isa / Iz 28:18 And your covenant with death shall be disannulled, and your agreement with hell shall not stand; when the overflowing scourge shall pass through, then ye shall be trodden down by it. Hofoanana ny fanekenareo amin' ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin' ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo. Ny fanekenareo amin' ny fahafatesana hofoanana; ary ny fifanarahanareo amin' ny seoly, tsy haharitra; fa rehefa handalo ny loza manafotra, homontsaniny hianareo; votre alliance avec la mort sera rompue, votre pacte avec le shéol ne tiendra pas. Quant au fléau destructeur, lorsqu' il passera, vous serez piétinés par lui.
Isa / Iz 28:19 From the time that it goeth forth it shall take you: for morning by morning shall it pass over, by day and by night: and it shall be a vexation only to understand the report. Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany. isaky ny avy izy, hahatratra anareo, fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman' alina; ny fangorohoroana ihany no hanao fananarana anareo! Chaque fois qu' il passera, il vous saisira, car chaque matin il passera, et le jour et la nuit, et seule la terreur fera comprendre la révélation.
Isa / Iz 28:20 For the bed is shorter than that a man can stretch himself on it: and the covering narrower than that he can wrap himself in it. Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon' ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy. Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara; ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra. Car la couche sera trop courte pour s' y étendre, et la couverture trop étroite pour s' en envelopper.
Isa / Iz 28:21 For the Lord shall rise up as in mount Perazim, he shall be wroth as in the valley of Gibeon, that he may do his work, his strange work; and bring to pass his act, his strange act. Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin' ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin' ny lohasahan' i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa. Fa Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon' ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan' i Gabaona, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony! Oui, comme au mont de Peraçim, Yahvé se lèvera, comme au val de Gabaôn, il frémira, pour opérer son oeuvre, son oeuvre étrange, pour accomplir sa tâche, sa tâche mystérieuse.
Isa / Iz 28:22 Now therefore be ye not mockers, lest your bands be made strong: for I have heard from the Lord GOD of hosts a consumption, even determined upon the whole earth. Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin' i Jehovah, Tompon' ny maro, Hamelezana ny tany rehetra. Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin' Iavehn' ny tafika hahazo ny tany rehetra. Et maintenant, cessez de vous moquer, de peur que ne se resserrent vos liens, car je l' ai entendu : c' est irrévocablement décidé par le Seigneur Yahvé Sabaot, contre tout le pays.
Isa / Iz 28:23 Give ye ear, and hear my voice; hearken, and hear my speech. Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko. Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko, mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko: Prêtez l' oreille et entendez ma voix; soyez attentifs, entendez ma parole.
Isa / Iz 28:24 Doth the plowman plow all day to sow? doth he open and break the clods of his ground? Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva? Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy, dia miasa tany hatrany hatrany sy miasa tany ary mamaky bainga ihany? Le laboureur passe-t-il tout son temps à labourer pour semer, à défoncer et herser son coin de terre ?
Isa / Iz 28:25 When he hath made plain the face thereof, doth he not cast abroad the fitches, and scatter the cummin, and cast in the principal wheat and the appointed barley and the rie in their place? Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin' izay va ny voan' ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin' ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny? Rahefa voaravony ny tany, moa tsy dia hapariakany va amin' izay ny nigela sy hafafiny ny komina, ary hataony mitandahatra tsara ny fromenta sy ny orja amin' ny anjara toerany; ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny? Après avoir aplani la surface, ne jette-t-il pas la nigelle, ne répand-il pas le cumin ? Puis il met le blé, le millet, l' orge ... et l'épeautre en bordure.
Isa / Iz 28:26 For his God doth instruct him to discretion, and doth teach him. Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. Ny Andriamaniny no nampianatra azy izany fitsipika izany, sy nanoro azy. Son Dieu lui a enseigné cette règle et l' a instruit.
Isa / Iz 28:27 For the fitches are not threshed with a threshing instrument, neither is a cart wheel turned about upon the cummin; but the fitches are beaten out with a staff, and the cummin with a rod. Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian' ny sariety no akodiadia amin' ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin' ny fantàka, ary ny komina amin' ny tehina. Satria tsy mba ny rambaramba no fivelezana ny nigela, ary ny komina tsy kodiavana kodiaran-tsarety; fa ny nigela velezina amin' ny tehina, ary ny komina amin' ny tsorakazo. On n'écrase pas la nigelle avec le traîneau, on ne fait pas passer sur le cumin les roues du chariot. C' est avec un bâton qu' on bat la nigelle, et le cumin se bat au fléau.
Isa / Iz 28:28 Bread corn is bruised; because he will not ever be threshing it, nor break it with the wheel of his cart, nor bruise it with his horsemen. Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian' ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy. Ny fromenta hosena, fa tandremana tsara ny tsy hivelezana azy lava; atosika ho eo aminy ny kodiaran-tsarety, mbamin' ny soavaly, nefa tsy torotoroina izy. Lorsqu' on foule le froment, on ne s' attarde pas à l'écraser; on met en marche la roue du chariot et son attelage, on ne le broie pas.
Isa / Iz 28:29 This also cometh forth from the Lord of hosts, which is wonderful in counsel, and excellent in working. Izany koa dia avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro; Fa mahagaga amin' ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin' ny fahendrena. Izany koa dia avy amin' ny Tompo' ny tafika; mahagaga amin' ny fisainany izy, sady be no azony enti-manatanteraka. Tout cela est un don de Yahvé Sabaot, merveilleux conseil qui fait de grandes choses.

<-
->