<-
->

Isa / Iz 33:1 Woe to thee that spoilest, and thou wast not spoiled; and dealest treacherously, and they dealt not treacherously with thee! when thou shalt cease to spoil, thou shalt be spoiled; and when thou shalt make an end to deal treacherously, they shall deal treacherously with thee. Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa. Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rahefa nitsahatra ny nandrava hianao, dia horavana; rahefa tapi-nandroba hianao, dia horobaina. Malheur à toi qui détruis et n' es pas détruit, qui es traître alors qu' on ne te trahit pas; quand tu auras fini de détruire, tu seras détruit, quand tu auras terminé tes trahisons, on te trahira.
Isa / Iz 33:2 O Lord, be gracious unto us; we have waited for thee: be thou their arm every morning, our salvation also in the time of trouble. Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin' ny andro fahoriana. Tompo o, mamindrà fo aminay! Hianao no antenainay. Aoka hianao ho sandriny isa-maraina, sy ho famonjena anay amin' ny andro fahoriana. Yahvé, fais-nous grâce, en toi nous espérons. Sois notre bras chaque matin, et aussi notre salut au temps de la détresse.
Isa / Iz 33:3 At the noise of the tumult the people fled; at the lifting up of thyself the nations were scattered. Ny feon' ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa. Mandositra ny vahoaka mandre ny feon' ny kotro-baratrao; miparitaka ny firenena nony mitsangana hianao. Au bruit du tumulte les peuples s' enfuient, lorsque tu te lèves les nations se dispersent.
Isa / Iz 33:4 And your spoil shall be gathered like the gathering of the caterpiller: as the running to and fro of locusts shall he run upon them. Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon' ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy. Hangonina hoatra ny fanangon' ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala. On amasse chez vous le butin comme amasse le criquet, on se rue sur lui comme une ruée de sauterelles.
Isa / Iz 33:5 The Lord is exalted; for he dwelleth on high: he hath filled Zion with judgment and righteousness. Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin' ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona. Manerinerina Iaveh fa mitoetra any ambony izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana Siona. Yahvé est exalté car il trône là-haut, il comble Sion de droit et de justice.
Isa / Iz 33:6 And wisdom and knowledge shall be the stability of thy times, and strength of salvation: the fear of the Lord is his treasure. Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren' ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an' i Jehovah no rakitrao. Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an' ny Tompo no rakitrao. Et ce sera la sécurité pour tes jours : sagesse et connaissance sont les richesses qui sauvent, la crainte de Yahvé, tel est son trésor.
Isa / Iz 33:7 Behold, their valiant ones shall cry without: the ambassadors of peace shall weep bitterly. Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy. Indreo ny lehilahy maheriny, mibabababa eny an-dalambe; ary ny iraka mitady fihavanana, mitomany amin' alahelo mafy. Voici qu' Ariel pousse des cris dans les rues, les messagers de paix pleurent amèrement.
Isa / Iz 33:8 The highways lie waste, the wayfaring man ceaseth: he hath broken the covenant, he hath despised the cities, he regardeth no man. Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy. Ny arabe maty, ny làlana tsy misy mpandeha. Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy; ny olona tsy hajainy. Les routes sont désolées, plus de passants sur les chemins, on a rompu l' alliance, méprisé les témoins, on n' a tenu compte de personne.
Isa / Iz 33:9 The earth mourneth and languisheth: Lebanon is ashamed and hewn down: Sharon is like a wilderness; and Bashan and Carmel shake off their fruits. Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela. Misaona sy milofika ny tany; menatra sy malazo i Libàna, zary sahala amin' i Arabah i Sarona, manitsan-dravina Basàna sy Karmely. Endeuillée, la terre languit. Couvert de honte, le Liban se dessèche, Saron est devenue comme la steppe, Bashân et le Carmel frémissent.
Isa / Iz 33:10 Now will I rise, saith the Lord; now will I be exalted; now will I lift up myself. Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin' ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho. Ankehitriny hitsangana aho, hoy Iaveh, ankehitriny hijoro aho; ankehitriny hisandratra aho. Maintenant je me lève, dit Yahvé, maintenant je me dresse, maintenant je m'élève.
Isa / Iz 33:11 Ye shall conceive chaff, ye shall bring forth stubble: your breath, as fire, shall devour you. Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo. Torontoronina mololo hianareo, ka hiteraka vodivary; ny fofonainareo ihany no ho afo mandevona anareo. Vous concevez du foin, vous enfantez de la paille, mon souffle, comme un feu, vous dévorera.
Isa / Iz 33:12 And the people shall be as the burnings of lime: as thorns cut up shall they be burned in the fire. Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin' ny afo izy. Ary ny vahoaka dia ho memy fandoroan-tsokay, ho tsilo voatomboka mirehitra anaty afo. Les peuples seront consumés comme par la chaux, épines coupées, ils seront brûlés au feu.
Isa / Iz 33:13 Hear, ye that are far off, what I have done; and, ye that are near, acknowledge my might. Mihainoa ny amin' izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky. Hianareo lavitra, mihainoa ny nataoko; hianareo akaiky, mahafantara ny heriko. Écoutez, vous qui êtes loin, ce que j' ai fait, sachez, vous qui êtes proches, quelle est ma puissance.
Isa / Iz 33:14 The sinners in Zion are afraid; fearfulness hath surprised the hypocrites. Who among us shall dwell with the devouring fire? who among us shall dwell with everlasting burnings? Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin' ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin' ny lelafo mandrakizay? Nangovitra ny mpanota ao Siona, ary raiki-tahotra ny mahalala fivavahana, nanao hoe: Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? Iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay? Les pécheurs ont été terrifiés à Sion, un tremblement a saisi les impies. Qui de nous tiendra devant un feu dévorant ? qui de nous tiendra devant des brasiers éternels ?
Isa / Iz 33:15 He that walketh righteously, and speaketh uprightly; he that despiseth the gain of oppressions, that shaketh his hands from holding of bribes, that stoppeth his ears from hearing of blood, and shutteth his eyes from seeing evil; Izay mandeha amin' ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin' ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin' ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy; Izay nandeha amin' ny rariny, sy miteny amin' ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tànana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadiny amin' ny resaka handatsa-dra, sy mitampi-maso tsy hahita ny ratsy: Celui qui se conduit avec justice et parle loyalement, qui refuse un gain extorqué et repousse de la main le pot-de-vin, qui se bouche les oreilles pour ne pas entendre les propos sanguinaires, et ferme les yeux pour ne pas voir le mal,
Isa / Iz 33:16 He shall dwell on high: his place of defence shall be the munitions of rocks: bread shall be given him; his waters shall be sure. Izy no honina ao amin' ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin' ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso. izany no honina any amin' ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin' ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana. celui-là habitera dans les hauteurs, les roches escarpées seront son refuge, on lui donnera du pain, l' eau ne lui manquera pas.
Isa / Iz 33:17 Thine eyes shall see the king in his beauty: they shall behold the land that is very far off. Ny masonao hahita ny mpanjaka amin' ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka. Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin' ny tarehiny, hahatsinjo ny tany midadasika lasa lavitra. Tes yeux contempleront le roi dans sa beauté, ils verront un pays qui s'étend au loin.
Isa / Iz 33:18 Thine heart shall meditate terror. Where is the scribe? where is the receiver? where is he that counted the towers? Hotsaroan' ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo? Ny fonao hahatsiaro ny natahorany: Nankaiza ny mpanoratra? Nankaiza ny mpampiasa nitana ny fandanjana? Nankaiza ny lehibe mpanisa ny tilikambo? Ton coeur méditera ses frayeurs : " Où est celui qui comptait ? où est celui qui pesait ? où est celui qui comptait les tours ? "
Isa / Iz 33:19 Thou shalt not see a fierce people, a people of a deeper speech than thou canst perceive; of a stammering tongue, that thou canst not understand. Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo. Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha, ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra, ù fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny. Tu ne verras plus le peuple insolent, le peuple au langage incompréhensible, à la langue barbare et dénuée de sens.
Isa / Iz 33:20 Look upon Zion, the city of our solemnities: thine eyes shall see Jerusalem a quiet habitation, a tabernacle that shall not be taken down; not one of the stakes thereof shall ever be removed, neither shall any of the cords thereof be broken. Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin' ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an' i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny. Jereo ity Siona tanàna fanaovantsika fety; aoka ny masonao anie hahita an' i Jerosalema, fonenana mahasambatra, lay tsy hafindrafindra, izay tsy hongotana mandrakizay ny tsimany sy tsy hanesorana iray akory ny tadiny. Contemple Sion, cité de nos fêtes, que tes yeux voient Jérusalem, résidence sûre, tente qu' on ne déplacera pas, dont on n' arrachera jamais les piquets, dont les cordes ne seront jamais rompues.
Isa / Iz 33:21 But there the glorious Lord will be unto us a place of broad rivers and streams; wherein shall go no galley with oars, neither shall gallant ship pass thereby. Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan' ny sambo voizina, na hovakin' ny sambo lehibe. Ao marina no honenan' ny Tompo ho antsika amin' ny voninahiny; ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe; izay tsy ho sahin' ny lakana voizina hidirana na iray aza, sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza. Mais c' est là que Yahvé nous montre sa puissance, comme un lieu de fleuves et de canaux très larges où ne vogueront pas les bateaux à rame, que ne traverseront pas les grands vaisseaux.
Isa / Iz 33:22 For the Lord is our judge, the Lord is our lawgiver, the Lord is our king; he will save us. Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika. Satria Iaveh no mpitsara antsika, Iaveh no mpanao làlana ho antsika, Iaveh no mpanjakantsika; izy no hamonjy antsika. Car Yahvé nous juge et Yahvé nous régente, Yahvé est notre roi, c' est lui notre sauveur.
Isa / Iz 33:23 Thy tacklings are loosed; they could not well strengthen their mast, they could not spread the sail: then is the prey of a great spoil divided; the lame take the prey. Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan' andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin' izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany. Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin' ny fiorenany izy; ary tsy mahahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin' izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo. Tes cordages ont lâché, ils ne maintiennent plus le mât, ils ne hissent plus le signal. Alors on s' est partagé un énorme butin, les boiteux se sont livrés au pillage.
Isa / Iz 33:24 And the inhabitant shall not say, I am sick: the people that dwell therein shall be forgiven their iniquity. Tsy hisy amin' ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka. Tsy misy mponina manao hoe: Marary aho! Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siona. Aucun habitant ne dira plus : " Je suis malade ", le peuple qui y demeure verra sa faute remise.

<-
->