Fizahan-teny

Ohabolana : ririnina

Ohabolana 1Androngolahy manetsa : mandro matetika vao mavo lamosina. [2.558 #237]
Androngolahy manetsa : mandro matetika vao mavo lamosina ; tongo-dririnina : hosoran-tsavony vao mihavasoka. [2.415 #701, 2.653 #227]
Dikanteny frantsayLézard à l' époque du repiquage du riz : il prend des bains fréquents et il a le dos sale ; les pieds en hiver, on les enduit de savon et ils sont ternes. [2.415 #701]
Fanazavana frantsaySe disait des officiers concussionnaires. [2.415 #701]

Ohabolana 2Anosizato milalao, ary ny terak’ Ambohimanarina manetsa ririnina; fararano an-tanan-dany tsy mba vatry ny olon-tsy hanana azy, fa vatran’ ny hanana azy. [2.415 #6206, 2.653 #243]
Anosizato milalao, ary ny terak' Ambohimanarina manetsa ririnina, fararano an-tanan-dany : tsy vatran' ny olona tsy hanana azy fa vatran' ny hanana azy. [2.558 #289]
Dikanteny frantsayProverbe analogue à la fable de la cigale et de la fourmi : rira bien qui rira le dernier. [2.415 #6206]
Fanazavana frantsayAnosizato s' amuse, et les gens d' Ambohimanarina plantent le riz en hiver ; être à l' époque de la moisson alors que les provisions s' épuisent, c' est bien pour ceux qui vont avoir une récolte, mais pas pour ceux qui n' en auront pas. [2.415]

Ohabolana 3Ataovy mitombo hoatry ny tohatr' omby fahavaratra, fa aza atao mihena hoatry ny trafon' omby ririnina. [2.415 #2171]
Ataovy mitombo ohatra ny tohatr’ omby fahavaratra, fa aza atao mihena ohatra ny trafon’ omby ririnina. [2.653]
Dikanteny frantsayFaites prospérer vos biens comme les mamelles des vaches qui se gonflent en été ; ne les laissez pas décroître comme la bosse du boeuf qui se ratatine en hiver. [2.415]

Ohabolana 4Ataovy tery omby ririnina ka atao izay tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny. [1.1]
Tery omby ririnina : atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [2.415 #398]
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [1.1]
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [1.1]
Toy ny tery omby ririnina: atao tsy mankahia ny reniny, tsy mahabotry ny zanany. [2.165 #1273, 2.415 #6194, 2.653]
Toy ny tery omby ririnina : ataovy izay tsy hankahia an-dreniny ary tsy hahabotry ny zanany. [2.558 #4337]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fitsimbinana antokon' olona roa, izay samy mitady tombontsoaho azy avy, toy ny mpivarotra sy ny mpividy izany, ohatra, ka amin' ny fiadiam-barotra indrindra no ampiasaina io ohabolana io. [1.1]
Enti-milaza fltsimbinana olona na zavatra roa tonta, ny andaniny sy ny ankilany. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme lorsqu' on trait une vache en hiver : on le fait de manière à ce que la vache ne s' amaigrisse pas, et que le veau ne soit pas rabougri. [2.415 #6194]
Manière de traire les vaches en hiver : il ne faut pas rendre la vache trop maigre ni rendre le veau trop chétif. [2.415 #398]
Pareil à une vache que l' on trait en hiver: il faut lui laisser un peu de lait afin de ne pas la faire maigrir trop, et pourtant il faut aussi que le veau ait sa part afin de ne pas rester chétif. [2.165]
Fanazavana frantsayIl y a peu de lait en hiver. Se disait de la prudence et du savoir faire à tout concilier, ainsi il ne faut pas trop pressurer le peuple par les impôts et la corvée. [2.415 #6194]
Il ne faut pas trop pressurer les gens par l' impôt, la corvée, les demandes de service ; il faut être sage à tout concilier. [2.415 #398]

Ohabolana 5Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana. [2.165]
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana. [2.415 #3097]
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro ihaonana. [2.558 #545]
Aza masoandro ririnina ka vao mihaona dia manjombona. [2.558 #702]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le soleil d' hiver qui est couvert lorsqu'on le rencontre mais faites comme le soleil de printemps qui apporte la joie. [2.415 #3097]
Quand on vous rencontre, n' ayez pas un visage sombre tel un soleil d' hiver, mais ayez plutôt un visage gai comme le brillant soleil du printemps. [2.165 #1259]
Fanazavana frantsayEntretenez la joie. [2.415 #3097]

Ohabolana 6Aza manao tenin-dahy ririnina. [2.558 #589]

Ohabolana 7Aza mivadibadika toy ny andro ririnina. [2.415 #5329]
Mivadibadika ohatra ny andro ririnina. [1.1]
Mivadibadika tahaka ny andro ririnina. [2.558 #2511]
Mivadibadika toy ny andro ririnina. [2.653 #1911, 2.974]
Fanazavana malagasyIlazana toetra mora miovaova toy ny andro ririnina, izay mafana kely dia tonga mangatsiaka indray avy eo. [1.1]
Dikanteny frantsayNe changez pas souvent comme le jour en hiver. [2.415 #5329]

Ohabolana 8Aza tsara vava fahavaratra fa ratsy vava ririnina. [2.558 #56, 2.653 #719]

Ohabolana 9Aza tsara vava ririnina toy ny mpamboly voalobok' Avaradrano. [2.558 #57]

Ohabolana 10Aza zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana. [2.558]
Zatra ny fita ririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana. [1.1]
Zatra ny lalan-dririnina, ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona voa noho ny fanarahany ny fahazarana fotsiny, tsy mahay manova famindra raha misy hilana izany. [1.1]
Enti-milaza olona entim-pahazarana fotsiny ka ny tsy tokony hatao avy no atao. [1.1]

Ohabolana 11Be ny zana-bantony fa izay lava vava no tsy izy ary izay tera-dririnina no botry. [2.558 #882]
Be ny zana-bantony, fa izay lava vava no tsy izy, ary izay tera-dririnina tsy maintsy ho botry. [2.415 #3100, 2.165]
Dikanteny frantsayDans une première portée les petits sont nombreux, mais ils n' ont pas la gueule longue, et les petits qui naissent en hiver sont tous chétifs. [2.415 #3100]
Les petits de la première portée sont nombreux, mais ceux qui ont la gueule longue ne sont pas bons, et les petits nés en hiver sont tous forcément chétifs. [2.165]
Fanazavana frantsayLes Malgaches ont remarqué que le premier enfant, ou les petits de la première portée d' un animal, sont plus chétifs que ceux qui viennent après. Mais en hiver, tous sont chétifs, à cause du manque de nourriture. [2.165]
Observateurs, les Malgaches avaient remarqué que les petits de la première portée étaient plus chétifs que ceux des autres portées ; de plus, en hiver à cause du manque de nourriture, tous étaient chétifs. [2.415 #3100]

Ohabolana 12Dokodahy ririnina : amidy tsy lafo voamena, avela mandany mangahazo. [2.558 #1003]

Ohabolana 13Dokodahy ririnina : toa tsy avy miainan' ny taviny, kanjo taolana ihany. [2.558 #67]

Ohabolana 14Fitia landy ririnina : tohinina vao mihabari-maso. [2.415 #5090, 2.653 #971, 2.558]
Dikanteny frantsayIl en est de certaines affections comme des vers à soie en hiver : c' est lorsqu' on les touche qu' ils commencent à ouvrir de grands et beaux yeux. [2.415 #5090]
Fanazavana frantsaySe disait au sens érotique. [2.415 #5090]

Ohabolana 15Fozalahy ririnina ka samy mitady tamenany ho azy. [2.558 #1216]
Fozalahy ririnina : samy mitady tamenany ho azy. [2.165 #1260, 2.415 #5847, 2.653 #994]
Dikanteny frantsayCrabes mâles en hiver : chacun cherche de son côté à s' engraisser. [2.415 #5847]
Des crabes en hiver (la saison sèche): ils cherchent tous à manger (litt. à devenir rouges). [2.165]
Fanazavana frantsayChacun cherche la fortune. [2.415 #5847]
Dans certains endroits, les crabes, pendant la saison sèche, s' enfoncent dans le sol, au dire des Malgaches, comme pour y chercher à manger, et en ressortent beaucoup plus gros. [2.165]

Ohabolana 16Jiafotsy tsara soratra ririnina : mbola tsy afa-po dia misaraka. [2.558]
Jiafotsy tsara soratra ririnina ; tsy mbola afa-po, ka misaraka. [2.415 #5270, 2.653 #1215]
Dikanteny frantsayRabane à jolis dessins en hiver : on s' en sépare avant d' en avoir assez. [2.415 #5270]
Fanazavana frantsayOn la quitte à regret, mais on la quitte, parce que c' est trop froid ; ainsi des choses qu'on quitte à regret. [2.415 #5270]

Ohabolana 17Kibon' omby ririnina : izay ho nofo tsy iantohana fa raha vita ny taona dia zara. [2.558 #112, 2.653 #1268]

Ohabolana 18Kibon’ omby ririnina, ka mitondra tapany lava. [2.415 #3921, 2.653 #1269]
Kibon' omby ririnina : mitondra tapany lava. [2.558 #1645]
Tahaka ny kibon' omby ririnina, ka mitondra tapany lava. [2.165 #1272]
Dikanteny frantsayPanse de boeuf en hiver : la moitié seulement est pleine à cause du manque d' herbe. [2.415]
Pareil à l' estomac des bœufs en hiver: il n' est longtemps qu' à moitié plein. [2.165]
Fanazavana frantsayEn hiver, il n' y a presque plus d'herbe verte sur les collines, et les bœufs que l'on force quand même à paître, n' ayant pas autre chose à leur donner, deviennent souvent d' une maigreur extrême. [2.165]
Se disait des gens qui n'ont pas de quoi manger parce qu' ils sont paresseux. [2.415 #3921]

Ohabolana 19Lohany main-tendro, ohatra ny tahom-bomanga-hazo ririnina. [2.653]
Lohany main-tendro, ohatra ny tahom-bomanga ririnina. [2.558]

Ohabolana 20Malaza ho ririnina, kanefa toa fahavaratra; ary malaza ho fahavaratra, kanefa toa ririnina. [2.165 #1266]
Dikanteny frantsayLogiquement, c' est l' hiver, et pourtant on dirait que c' est l' été; de même on est en été, et pourtant il semble qu' on soit en hiver. [2.165]

Ohabolana 21Mamantan-tany foana toy ny havandra tonga ririnina. [2.165 #975, 2.415 #3927]
Mitsapa (mamantan-)tany foana tahaka ny havandra ririnina. [2.558 #2502]
Namantan-tany foana tahaka ny havandra ririnina. [2.558 #2728]
Dikanteny frantsayArriver où il n' y a plus rien, comme la grêle qui tombe en hiver. [2.165]
Arriver trop tard comme la grêle qui tombe en hiver. [2.415 #3927]
Fanazavana frantsayIl n'y a plus rien. [2.415 #3927]
La grêle après vendanges. [2.165]

Ohabolana 22Manahy manana tahaka ny manam-damba jiafotsy amin' ny andro ririnina. [2.558 #1968]
Manahy manana toy ny manana jiafotsy. [2.165 #742]
Manahy manana, toy ny manan-jiafotsy. [2.653]
Dikanteny frantsayPosséder avec crainte, comme celui qui a un tissu de raphia pour vêtement. [2.165]
Fanazavana frantsayCe vêtement n' est qu' un pis aller, car il n' est pas durable et dénote la pauvreté. [2.165]

Ohabolana 23Mandrebireby ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.415 #3127]
Mizaha mandrebireby ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.653]
Mizaha toetra (mandrebireby) ny taona tahaka ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.558 #3]
Mizaha toetra ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.415 #3127]
Mizaha toetra ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.653]
Dikanteny frantsayTenter ou troubler la saison comme les haricots qui donnent des fruits en hiver. [2.415 #3127]
Fanazavana frantsaySe disait des choses arrivant hors de saison. [2.415 #3127]

Ohabolana 24Maro ny fahoriana, fa ny rovi-damba ririnina no isany. [2.415 #2526]
Dikanteny frantsayLes misères sont nombreuses : avoir des vêtements en lambeaux pendant les froids de l'hiver, en est une. [2.415 #2526]

Ohabolana 25Mitafy lamba amin' ny andro ririnina, ka ny an' ny tena ihany no sambotsamborina vao azo. [2.558 #2432]
Mitafy lamba jiafotsy ririnina: ny any ny tena ihany, ka sambotsamborina vao azo. [2.653]
Mitafy lamba jiafotsy ririnina : ny an' ny tena ihany, ka sambotsamborina vao azo. [2.415 #3126]
Dikanteny frantsaySe couvrir d' un tissu de raphia en hiver : c' est votre propriété, mais pour le garder, il faut le saisir à plusieurs reprises. [2.415 #3126]

Ohabolana 26Mitsapa tany foana, ohatra ny havandra avy ririnina. [2.653]

Ohabolana 27Tari-drano ririnina : miala amin' izay nitaritana azy, fa tsy tonga amin' izay nokasaina. [2.558 #4109]

Ohabolana 28Te-hoderain’ ny goaika, ka mamboly voanjo ririnina. [2.653 #3063, 2.165]
Dikanteny frantsayRechercher la louange des corbeaux et planter des arachides en hiver. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. c' est de la folie de planter des arachides à cette saison; s'emploie en parlant d' une chose faite hors de saison et' qui ne pourra avoir aucun résultat. Les corbeaux mangent les arachides fraîches. [2.165]

Ohabolana 29Terak’ondry ririnina : izay ho donga tsy ierenana, fa zara raha misy tongotra efatra. [2.415 #3143, 2.653]
Dikanteny frantsayBrebis qui met bas en hiver : on ne demande pas que le petit soit dodu, c' est déjà bien qu' il ait quatre pattes. [2.415 #3143]

Ohabolana 30Toy ny alahelon-takatra : faly miara-mitakiky, ory miara-mitakoko, lohataona, toa manjokaiky, ririnina, manjoretra. [2.558 #4252]
Toy ny alahelon-takatra: raha faly, miara-mitokaka; ary raha ory, miara-mitokiky. [2.165]
Toy ny alahelon-takatra : raha faly miara-mitokaka ; raha ory miara-mitokiky. [2.415 #5233, 2.653 #3175]
Dikanteny frantsayC' est comme la tristesse des oiseaux takatra : contents, ils rient ensemble aux éclats ; tristes, ils sont malheureux ensemble. [2.415]
Pareil au chagrin des "takatra" : (cigognes) quand ils sont joyeux ils s' égayent ensemble; et quand ils sont tristes ils le sont ensemble. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe, fait de ressemblance entre les mots mitokaka et mitokiky, disait l' union dans la bonne et dans la mauvaise fortune. [2.415 #5233]

Ohabolana 31Toy ny lavaka am-pefiloha : raha ririnina dia tranom-boalavo, ary raha fahavaratra dia tranom-poza. [2.415 #3147, 2.165]
Dikanteny frantsayC' est comme les trous des digues : en hiver les rats y habitent, et en été, les crabes. [2.415 #3147]
Pareils aux trous dans les digues d' une rivière: en hiver (la saison sèche) les rats y demeurent, et en été les crabes (parce qu' alors ils sont remplis d' eau). [2.165]
Fanazavana frantsayIls ont deux emplois. [2.165]
Se disait des choses à double emploi. [2.415 #3147]

Ohabolana 32Toy ny mitari-drano ririnina: miala amin' izay nitoerany, fa tsy tonga amin' izay alehany. [2.165]
Dikanteny frantsayIl en est comme de l' action de conduire de l' eau en hiver: l' eau quitte bien l' endroit où elle était, mais n' arrive pas jusqu' où il faudrait. [2.165]
Fanazavana frantsayL' hiver à Madagascar est la saison sèche: la terre est desséchée, et l'eau peu abondante, de sorte quelle est absorbée en route. [2.165]

Ohabolana 33Trafon' omby ririnina, ka lasan' Andriamanitra nanao azy. [2.415 #58, 2.653 #3264]
Dikanteny frantsayLa bosse du boeuf pendant l' hiver : elle est retournée à Dieu qui l' a faite. [2.415]
Fanazavana frantsayLa bosse du boeuf, devenue plus maigre et plus légère en hiver, se redresse vers le ciel. On disait ce proverbe aux personnes qui maigrissaient. [2.415]

Ohabolana 34Trafon' omby ririnina : miara-ringitra tamin' ny ahitra. [2.558 #284]

Ohabolana 35Tsy maina tsy lena, toy ny andro ririnina. [2.653 #3371]

Ohabolana 36Tsy maintsy lena hoatry ny andro ririnina. [2.415 #6094]
Tsy maintsy lena tahaka ny andro ririnina. [2.558]
Tsy maintsy lena toy ny andro ririnina. [2.165 #1270, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza toetra tsy hita hatao tsara tsy hita hatao ratsy toy ny andro ririnina izay tsy maina mafana no tsy lena mandriaka fa manerika madinika lava. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme un jour d' hiver : il n' est ni sec ni humide. [2.415 #6094]
Ni sec ni mouillé, comme un jour d'hiver. [2.165]
Fanazavana frantsayPendant une partie de l' hiver - la saison sèche à Madagascar - il tombe pourtant une fine pluie, la bruine. [2.165]
Se disait du sage qui se tient dans le juste milieu, ou du médiocre. [2.415 #6094]

Ohabolana 37Tsy mba ny akoho foy ririnina, ka hireraka elatra, fa ny zana-borona foy lohataona ka mavitrika. [2.558 #292]
Tsy mba ny akohokely foy ririnina izahay ka hanjoretra sy hireraka elatra ; fa ny zana-borona foy lohataona, ka sady matanjaka no mavitrika. [2.653 #3390, 2.974]
Dikanteny frantsayNous ne sommes pas des poussins éclos en hiver, malingres et traînant les ailes, mais des oisillons nés au printemps, robustes et agiles. [2.974 #35]

Ohabolana 38Tsy mena-mivadika toa andro ririnina. [2.558 #4579]

Ohabolana 39Tsy mety raha tsara vava ririnina, toy ny voalobok’ Ambohidrano. [2.653 #3493]

Ohabolana 40Tsy tsara tsy ratsy ohatra ny andro ririnina. [1.1]
Fanazavana malagasyIlazana toe-javatra na toetr' olona tsy hita hatao tsara na ratsy tanteraka (mitovy amin' ny hoe "tsy maina tsy lena" entin' ny olona milaza ny ririnina koa). [1.1]

Ohabolana 41Vovoka an-kadilanana, ka ny sisa tsy lasan' ny rivotra raha ririnina, dia faohin' ny riaka raha fahavaratra. [2.415 #3164, 2.165]
Vovoka an-kadilanana : ny tsy lasan' ny rivo-dririnina, faohin' ny riaka raha fahavaratra. [2.558 #5053]
Vovo-tany an-kadilanana : raha ririnina, fohin’ ny rivotra ; raha fahavaratra, lasan' ny riaka. [2.974 #339]
Dikanteny frantsayComme la poussière d’un chemin encaissé : en hiver, le vent l’emporte ; en été, le torrent l’entraîne. [2.974 #339]
De la poussière dans un défilé: ce qui n' a pas été emporté par le vent en hiver est entraîné par les torrents en été. [2.165]
Poussière dans un défilé étroit ce que le vent d' hiver n' a pas emporté, est entraîné par les torrents en été. [2.415 #3164]

Ohabolana 42Zana-borona foy lohataona, akohokely foy ririnina : samy fananana ka tsy azo hiangarana. [2.558 #5078]

Fizahan-teny