Teny iditra lafo
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Be vidy, tsy taka-bola: Lafo ny vary tamin' itỳ fa tafakatra roa ambin' ny folo ny kilao
Efa lasan' olona: Ento aty hojereko io satroka io fa hovidiko. -- Efa lafo io, tompoko
Mitovy hevitra: be vidy ~ hangana ~ hentona ~ maneno ~ sarobidy ~ sarotra ~ tsy azo vidina ~ tsy azon' ny kely vola ~ tsy mahaleo ny sarany ny vidiny ~ tsy takatra ~ tsy takatry ny malahelo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Sold; expensive [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Vendu; qui coûte cher [1.8]
Ohatra Siramamy roa sobika nokarakaraina nandritra ny herinandro no nentiny hamidy, ary lafo daholo ireny. [2.470]
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra lafo
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] lasam-bidy [1.78]

Teny iditra lafo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sakalava] Hazandrano misy tsilony ka manaintaina ohatra ny asian' ny maingoka ny voatsindrony [1.1]
Voambolana 
Ohabolana 

Teny iditra lafo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsimisaraka] (autre prononciation de lafika . lafo, adjectif, veut dire : « qui se vend cher », ce qui était vrai, à une certaine époque, pour le crin végétal). Chrysalidocarpus mananjarensis Jum. & H.Perrier (fichier manuscrit de R. Decary). [1.196]
Anarana siantifika Chrysalidocarpus mananjarensis
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/02