Teny iditra mitakoko (takoko)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mipetraka tsy mitombina fa ny tongotra miforitra eo anoloana no mitondra ny tena: Mitakoko eo amorom-patana foana i Dadabe
Mipetraka, manjonitra na toa manjoretra rera-po, ketraka, kivy: Nitakoko izy noho ny fahoriana nanjo azy
Mitovy hevitra: mamokaiky ~ mandoroka ~ mangetoka ~ manjokaiky ~ manjonitra ~ manjoretra ~ mijakoko ~ mijakoretra ~ mijamoka ~ mitokiky ~ mivokaiky [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To sit disconsolately with folded arms and in a stooping posture. [1.2]
 To squat; to sit disconsolately [1.7]
Fanazavàna teny frantsay S'accroupir; avoir une posture attristée [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitakoko
Ny lasa : nitakoko
Ny hoavy : hitakoko
Filaza mandidy : mitakokoa
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20