Teny iditra terỳ
Sokajin-teny ny lasan' ny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Endriky ny mpamaritra erý fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Passé de erý [1.3]

Teny iditra terỳ
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy
Teo no ho eo, indray mipy maso [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup) [1.3]

Teny iditra tery
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy
Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity
Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany
Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Pressed; distressed; narrow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Serré; étroit; exigu; en détresse [1.8]
Ohatra 
1ny làlana tery sady ratsy [2.113]
2Voageja manodidina aho sady tery [2.643]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra tery
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany
Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono [1.1]

Teny iditra tery
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Zozoro maina fanao trano [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  [Sihanaka] (dans le sens de : pressé). Cyperus madagascariensis (Willd.) Roem. & Schult. ( (Cyperaceae). Nom donné surtout aux exemplaires de grande taille qu'on aplatit pour faire des cloisons. D'après Rabe cité par A. Grandidier. [1.196]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11