Fizahan-teny

Ohabolana : tery

Ohabolana 1Amboa kely tery vozona. [2.415 #746]
Dikanteny frantsayL' opprimé dont on étouffe les cris, c' est comme un petit chien qu' on étrangle. [2.415 #746]

Ohabolana 2Ataovy tery omby ririnina ka atao izay tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny. [1.1]
Tery omby ririnina : atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [2.415 #398]
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [1.1]
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. [1.1]
Toy ny tery omby ririnina: atao tsy mankahia ny reniny, tsy mahabotry ny zanany. [2.165 #1273, 2.415 #6194, 2.653]
Toy ny tery omby ririnina : ataovy izay tsy hankahia an-dreniny ary tsy hahabotry ny zanany. [2.558 #4337]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fitsimbinana antokon' olona roa, izay samy mitady tombontsoaho azy avy, toy ny mpivarotra sy ny mpividy izany, ohatra, ka amin' ny fiadiam-barotra indrindra no ampiasaina io ohabolana io. [1.1]
Enti-milaza fltsimbinana olona na zavatra roa tonta, ny andaniny sy ny ankilany. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme lorsqu' on trait une vache en hiver : on le fait de manière à ce que la vache ne s' amaigrisse pas, et que le veau ne soit pas rabougri. [2.415 #6194]
Manière de traire les vaches en hiver : il ne faut pas rendre la vache trop maigre ni rendre le veau trop chétif. [2.415 #398]
Pareil à une vache que l' on trait en hiver: il faut lui laisser un peu de lait afin de ne pas la faire maigrir trop, et pourtant il faut aussi que le veau ait sa part afin de ne pas rester chétif. [2.165]
Fanazavana frantsayIl y a peu de lait en hiver. Se disait de la prudence et du savoir faire à tout concilier, ainsi il ne faut pas trop pressurer le peuple par les impôts et la corvée. [2.415 #6194]
Il ne faut pas trop pressurer les gens par l' impôt, la corvée, les demandes de service ; il faut être sage à tout concilier. [2.415 #398]

Ohabolana 3Aza kilonga mahay lapa: mivoaka, manao halalaka; miditra, manao tsy ho tery. [2.653 #391, 2.415]
Aza kilonga mahay lapa : mivoaka, manao halalaka, miditra, manao tsy ho tery tongotra aman-tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayNe soyez pas comme les jeunes familiers du palais : quand ils sortent ils veulent être au large et quand ils rentrent ils ne veulent pas être à l' étroit. [2.415 #1557]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de la fierté de ces jeunes gens. [2.415 #1557]

Ohabolana 4Bemangy miray fandriana: any an-doha no tery. [2.653]
Be mangy miray fandriana ka ny any an-doha no tery. [2.558 #856]

Ohabolana 5Ny tery toa adala ary ny malalaka toa hendry. [2.558 #3296]

Ohabolana 6"Raikitra terý izao!" hoy ilay voa bala tamin' ny feny, "fa afaka ho borozano aho raha tonga" . [2.165]
Raikitra tery izao hoy ilay voa bala tamin' ny feny, fa afaka ho borizano aho raha tonga. [2.415 #448]
Raikitra tery izao, hoy ilay voan' ny bala teo amin' ny feny, fa afaka ho borizano raha tonga. [2.558 #3689]
Dikanteny frantsay "Çà y est" , s' écrie le soldat atteint d' une balle à la cuisse, "je serai exempté du service une fois arrivé" . [2.165]
C' est fait, dit le soldat qui vient de recevoir une balle à la cuisse, à mon arrivée je serai exempté du service militaire. [2.415 #448]
Fanazavana frantsayBienheureuse balle qui, tout en lui laissant la vie, le fera dispenser du service forcé et non rétribué! [2.165]
Bonheur d' échapper à la corvée. [2.415 #448]

Ohabolana 7Tery lala ka fifitse. [1.68]
Dikanteny frantsayParcourir un chemin étroit comme le papier toilette. [1.68]

Ohabolana 8Tery vay manta. [2.415 #4452]
Dikanteny frantsayPresser un furoncle qui n' est pas mûr. [2.415 #4452]
Fanazavana frantsayRéclamer son dû sans ménagement, presser le débiteur de rembourser sans délai. [2.415 #4452]

Ohabolana 9Tonom-bomangan' ny Merinatsimo : ny kapo-body leo ihany, fa ny tery valahana no tsy toha. [2.415 #4606]
Tonom-bomangan' ny Merinatsimo: ny kapo-body leo ihany, fa ny tory valahana no tsy toha. [2.165]
Dikanteny frantsayLe rôtissage des patates des gens du sud de l' Imerina: il leur est facile de frapper sur le gros bout (des patates, pour voir si elles sont cuites), mais les serrer au milieu (où il y a un rétrécissement) est insupportable (parce qu' elles crèvent). [2.165]
Patates rôties des gens qui sont au sud de l' Imerina : on peut les frapper sur le gros bout pour voir si elles sont cuites ; mais on ne peut pas les serrer par le milieu, car elles crèvent. [2.415 #4606]

Ohabolana 10Tsy mety raha atao hoatry ny latsin-trano : an-trano, tsy mahita hivoahana ; alatrano, tsy mahita hidirana. [2.415 #4094]
Tsy mety raha atao ohatra ny latsin-trano : an-trano, tsy mahita hivoahana; ala-trano, tsy mahita hidirana. [2.653]
Tsy mety raha atao toy ny tery latsin-trano : alatrano tsy mahita hidirana ao an-trano tsy mahita hivoahana. [2.558 #4583]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas traiter quelqu' un comme les lattes du toit de la maison : si elles sont dedans elles n'ont pas la faculté de sortit, et si elles sont dehors elles n'ont pas la faculté de rentrer. [2.415]

Fizahan-teny