Fizahan-teny

Ohabolana : mamy

Ohabolana 1Anatin' ny mangidy, ny mamy. [1.3 #452, 2.415 #3653]
Ao anatin’ ny mangidy ny mamy. [2.653 #266, 2.974 #361]
Ao anatin' ny mangidy no misy ny mamy. [1.1]
Añatiñe ty mafaitse ro misy ty mamy. [1.68]
Mangidy am-boalohany fa mamy am-parany. [1.3 #452]
Fanazavana malagasyNy fisahiranana sy ny asa mafy matetika no ahitam-bokatsoa mahafinaritra. [1.1]
Dikanteny frantsayAu sein de l’amertume, la douceur. [2.974 #361]
C' est dans l'amertume qu' on trouve la douceur. [2.415 #3653]
Il y a de l'amertume tout d'abord, mais la douceur vient après. [1.3 #452]
Il y a parfois du doux dans ce qui est amer. [1.3 #452]
Le doux se trouve dans l'amer. [1.68]
Fanazavana frantsayCar le travail et la peine sont récompensés. [2.415 #3653]
Un travail opiniâtre est récompensé, la souffrance bien endurée est une source de joie. [1.3 #452]

Ohabolana 2Aza atao fitia fary ka raha lany ny mamy, dia nariana. [2.558 #385]
Aza atao fitia paraky : nony lany tsiro narora amim-bovoka. [2.558]

Ohabolana 3Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, fy ny aroa. [2.165 #517]
Aza manao bolokilahy homam-boan-tseva : fy ny atsy, mamy ny aroa. [2.653 #423]
Boloky homam-boan-fy ny atsy mamy ny aroa. [2.558 #64]
Bolokilahy homam-boan-tseva: fy ny atsy, mamy ny aroa. [1.1]
Bolokilahy homam-boan-tseva ka mamy ny atsy, fy ny aroa. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona sady mifankahazo amin' ny atsy no mifankahazo amin' ny aroa. [1.1]
Ilazana ny tia roa ka sady tia ny ventiny no tia ny rony, sady tsy mahafoy ny eo an-tanana no mankamamy ny any ivelany. [1.1]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le perroquet mangeant des baies de "seva" ci et là et qui trouve les unes bonnes, et les autres délicieuses. [2.165]
Fanazavana frantsayDésigne les gens au cœur partagé ou inconstants. [2.165]

Ohabolana 4Aza manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy ; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an' ny fokonolona. [2.415 #2847, 2.165]
Dikanteny frantsayNe mourez pas comme les mouches en courant sur les saletés, mais comme les abeilles qui meurent en laissant la douceur à la ruche. [2.415 #2847]
Ne mourez pas comme les mouches, en courant sur toutes les saletés; mais mourez comme les abeilles, qui meurent en laissant le doux pour les autres. [2.165]
Fanazavana frantsayFaites le bien, non le mal. [2.415 #2847]

Ohabolana 5Aza tia mamy loatra, fangao mahatsiaro mamy, ka tsy mahatambatra hariana. [2.415 #2356]
Dikanteny frantsayN' aimez pas trop les douceurs, de peur qu' en les cherchant, vous ne puissiez pas amasser de biens. [2.415 #2356]

Ohabolana 6Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenany mivarotra no mahaloiloy. [2.415 #1976, 2.653]
Boka mivaro-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan' ny mpivarotra no mampahaloiloy. [2.165 #2025]
Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mba soa ihany fa ny tenan' izy mpivarotra no mankaloiloy. [2.558]
Tantely an-tànam-boka, ka na soa aza afa-boninahitra (mankaloiloy). [2.558 #4077]
Dikanteny frantsayLépreux qui vend du miel : ce qu' il vend est doux, mais le marchand donne la nausée. [2.415 #1976]
Un lépreux vendant du miel: ce qu' il vend est bien doux, mais c' est le vendeur qui vous dégoûte. [2.165]
Fanazavana frantsayLe don n' est pas tout, il y a manière de donner. [2.415 #1976]

Ohabolana 7Fy ny toho, fy ny amalona fa ny lelako tsy ataoko jono. [2.165 #1147, 2.653 #975, 2.558, 1.1]
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lela tsy ataoko jono. [2.415 #2181]
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lela tsy azo atao jono. [2.415 #2181]
Na fy aza ny amalona, ny lelako tsy ataoko jono. [1.1 #57]
Na mamy aza ny amalona, ny lelako tsy ataoko jono? [2.558 #2725]
Na tiako aza hianao, ny lelako tsy hataoko jono. [2.415 #1111]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fahamalinana: na toy inona na toy inona hasoan' ny zavatra iray, tsy tokony hatakalo an' io na oviana ny aina. [1.1 #57]
Dikanteny frantsayJ' ai beau vous aimer, je ne sacrifierai pas ma langue à servir d' appât pour vous. [2.415 #1111]
Les poissons nommés toho sont bons, les anguilles sont délicieuses, cependant la langue n' est pas un appât qu' on puisse sacrifier pour les prendre. [2.415 #2181]
Le "toho" est excellent, l' anguille est délicieuse, mais je n' employerai quand même pas ma langue comme appât (pour les prendre). [2.165]
Fanazavana frantsayIl y a une limite à tout, même aux sacrifices à faire pour les parents ; comparaison tirée de la pêche des poissons. [2.415 #1111]
Les richesses sont agréables mais il ne faut pas sacrifier sa vie pour les obtenir. [2.415 #2181]

Ohabolana 8Haja omena ny tantely no anaovana azy sorona, fa ny mamy toa azy maro ihany. [2.558 #85]
Haja omena ny tantely no anaovana azy sorona, fa ny mamy toa azy mba misy ihany. [2.165 #851]
Dikanteny frantsayC' est par considération envers le miel qu' on l' emploie dans les sacrifices, mais il y a d' autres choses qui sont tout aussi douces. [2.165]

Ohabolana 9Izay miaritra ny mangidy voantondro dia hahazo ny mamy irain-jehy. [2.415]
Dikanteny frantsayCeux qui savent supporter un doigt d' amertume, trouveront un empan de douceur. [2.415 #5269]
Fanazavana frantsayLa constance et la peine sont récompensées, et après l' amer vient le doux. [2.415 #5269]

Ohabolana 10Lany tsy mamy hoatry ny siran' ny mahihitra. [2.415 #2293]
Lany tsy mamy, ohatra ny siran’ ny mahihitra. [2.653]
Lany tsy mamy, tahaka ny siran' ny mahihitra. [2.558 #1743]
Dikanteny frantsayÉpuisé sans avoir jamais eu de goût comme le sel de l' avare. [2.415 #2293]
Fanazavana frantsayL' avare le dépense avec peine, ce qui fait qu' il n' y trouve aucun goût. [2.415 #2293]

Ohabolana 11Mamy hoditra ; mangidy hoditra. [2.415 #5958]
Dikanteny frantsayCelui dont le commerce est agréable a la peau douce ; l' homme revêche à la peau âpre. [2.415 #5958]
Fanazavana frantsayAimé ou détesté de tout le monde. [2.415 #5958]

Ohabolana 12Mamy kely hoatry ny zanaka. [2.415 #1520]
Mamy kely ohatra ny zanaka. [2.165]
Dikanteny frantsayQu' on aime petits, comme les enfants. [2.415 #1520]
Qu' on chérit petits, comme les enfants. [2.165]

Ohabolana 13Mamy kely toa zafy. [2.415 #974, 2.558 #1960, 2.653 #1484]
Dikanteny frantsayChéri comme les petits-enfants. [2.415 #974]
Fanazavana frantsayLes grands-parents avaient la réputation d' aimer et de gâter leurs petits-enfants. [2.415 #974]

Ohabolana 14Mamy ny homana, fy ny mitsako, fa ny maimbo rezatra no tsy laitra. [2.415 #2717]
Dikanteny frantsayIl est doux de manger, il est agréable de mâcher, mais avoir une mauvaise haleine parce qu' on a trop mangé n' est pas supportable. [2.415 #2717]
Fanazavana frantsayOn aime à faire ce qu' on veut, mais le déshonneur qui vient à la suite est amer. [2.415 #2717]

Ohabolana 15Mamy ny miaina. [2.415 #2867]
Dikanteny frantsayIl fait bon vivre. [2.415 #2867]
Fanazavana frantsayLes Malgaches étaient très attachés à la vie. [2.415 #2867]

Ohabolana 16Mamy ny tany ipetrahan' ikaky sy ineny. [2.415 #1521]
Dikanteny frantsayDouce est la terre où demeurent papa et maman. [2.415 #1521]
Fanazavana frantsayParoles par lesquelles l' enfant exprime son amour filial et son attachement à la terre qui l'a vu naître. [2.415 #1521]

Ohabolana 17Mamy ny vola. [2.415 #2203]
Dikanteny frantsayL' argent est doux. [2.415 #2203]
Fanazavana frantsayIl est agréable d' avoir de l' argent. [2.415 #2203]

Ohabolana 18Maniry mamy an-trano, tahaky ny vady aman-janaky ny mpivaro-tantely. [2.415 #1208]
Dikanteny frantsayDésirer les douceurs et les gâteries dans le ménage, comme la femme et les enfants du marchand de miel qui désirent le miel et ne peuvent pas y toucher. [2.415 #1208]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas trop demander dans le mariage. [2.415 #1208]

Ohabolana 19Maty mamela mamy toy ny renitantely. [2.415 #3176]
Dikanteny frantsayLe défunt qui laisse des douceurs est semblable à l' abeille qui laisse du miel. [2.415 #3176]

Ohabolana 20Mba ataovy toy ny voankazo an' ala ny anatra omen’ ny olona ny tena, ka ny mangidy aloa ary ny mamy atelina. [2.415 #6512]
Voankazo an' ala, ka ny mamy atelina ary ny mangidy aloa. [2.415 #6533]
Voankazo an' ala, ka ny mangidy aloa, ny mamy atelina. [2.558 #4993]
Voankazo an' ala : ny mangidy aloa, ny mamy atelina. [2.653 #3706, 2.974 #335]
Voankazo añ' ala ka ty mame atele, ty mafaitse aria. [1.68]
Dikanteny frantsayFaites comme avec les fruits de la forêt : on avale les doux et on jette les amers. [1.68]
Faites des avis qu'on vous donne, comme des fruits qu' on trouve dans la forêt : on mange les bons et on laisse les mauvais. [2.415 #6512]
Gomme les fruits cueillis dans la forêt : ceux qui sont amers, on les rejette ; ceux qui sont doux, on les savoure. [2.974 #335]
Quand on trouve des fruits dans la forêt, on mange les bons et on laisse les mauvais. [2.415 #6533]
Fanazavana frantsayOn essaie les fruits, et c'est par le goût qu'on juge ; de même il faut écouter les avis et voir quels sont ceux qui sont bons ou mauvais. [2.415]
Se disait des avis reçus et des paroles entendues. [2.415 #6533]

Ohabolana 21Mibaby akondro, miloloha tantely, ka mamy roa mifanontona. [2.415 #5961, 2.653 #1738]
Mibaby akondro, miloloha tantely, mitehim-pary : intelo miantoana ny mamy. [2.558 #2273]
Dikanteny frantsayPorter sur le dos un régime de bananes, et sur la tête du miel. Deux choses bien douces se rapprochent. [2.415 #5961]
Fanazavana frantsaySe disait de deux bonheurs, deux amis, deux bons caractères. [2.415 #5961]

Ohabolana 22Miloloha mamy tsy ho any ny tena, toy ny vatan’ akondro afa-boa. [2.653 #1789]
Miloloha mamy tsy ho an' ny tena ohatra ny akondro afa-boa. [2.558]
Vatan’ akondro afa-boa: miloloha mamy tsy ho any ny tena. [2.653]
Vatan’ akondro afa-boa : miloloha mamy tsy ho an’ ny tena. [2.415 #3881, 2.974]
Vatan' akondro afa-boa : niloloha ny mamy tsy ho an' ny tena. [2.558 #4885]
Dikanteny frantsayBananier auquel on enlève le régime de bananes qu'il porte : il porte des douceurs mais ce n' est pas pour lui. [2.415 #3881]
Bananier dépouillé de ses fruits : il s’est chargé de douceurs, mais pas pour lui-même. [2.974 #238]
Fanazavana frantsayTravailler pour que d' autres en profitent. [2.415 #3881]

Ohabolana 23Mpivaro-tantely mividy sakay : mivarotra ny mamy ho an' ny olona, fa mividy mangidy ho an' ny tena. [2.415 #5999]
Mpivaro-tantely mividy sakay: mivarotra ny mamy ho an’ olona, fa mividy mangidy ho any ny tena. [2.653 #1999]
Mpivaro-tantely mividy sakay, mivarotra ny mamy ho an' olona fa mividy mangidy ho an' ny tena. [2.974, 2.558]
Dikanteny frantsayComme le vendeur de miel qui achète du piment : il vend aux autres le doux, et prend pour lui ce qui pique. [2.974 #270]
Marchand de miel qui achète du piment : il vend aux autres la douceur et prend pour lui l' amertume. [2.415 #5999]
Fanazavana frantsaySe disait des gens se dépensant au service des autres. [2.415 #5999]

Ohabolana 24Na dia mamy aza ny trondro, ny lela tsy azo atao hanin-jono. [2.415 #6237]
Dikanteny frantsayLe poisson trondro a beau être excellent, on ne consentirait pas pour l' attraper, à mettre sa langue au bout de l' hameçon. [2.415 #6237]
Fanazavana frantsayLes richesses sont agréables, mais il faut être prévoyant et ne pas leur sacrifier l'honneur ou la vie. [2.415 #6237]

Ohabolana 25Raha indrindra ho hanim-biby ihany, aleo kaikerin' ny renin-tantely, fa ireny no ela nihinanana ny mamy, ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.558]
Raha indrindra hohanim-biby ihany, aleo kekerin' ny renitantely, fa ireny no efa nihinana ny mamy ; ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ny ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.415 #732, 2.653]
Dikanteny frantsayS' il faut être dévoré par les bêtes, il vaut mieux être piqué par des abeilles, car elles ont mangé des douceurs ; s' il faut être garrotté avec des lianes, il vaut mieux être attaché avec des ignames, car on en a tiré des fruits. [2.415 #732]
Fanazavana frantsaySe disait des grands qui exploitaient le peuple, mais en y mettant des formes. [2.415 #732]

Ohabolana 26Raha maloiloy mamy, tsy dikidiky fa aretina. [2.558 #235]
Raha maloiloin’ ny mamy, tsy dikidiky, fa aretina. [2.415 #2821, 2.653 #2681]
Dikanteny frantsaySi vous avez la nausée de ce qui est doux, ce n' est pas là du dégoût, c' est de la maladie. [2.415 #2821]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui sont insensibles aux bons procédés. [2.415 #2821]

Ohabolana 27Roibe fefim-pary : ihintsanan' ny lay, fa tsy mba homana ny mamy. [2.653, 2.415]
Dikanteny frantsayArbustes épineux qui servent de haie pour les cannes à sucre : ils en reçoivent les poils qui tombent, mais ils n' ont jamais part à leur douceur. [2.415 #790]
Fanazavana frantsayLes petits travaillent pour les grands, sans avoir part à leur bonheur. [2.415 #790]

Ohabolana 28Solafaka aman-tsira, lavo amin-tantely : ny mamy roa ho anao daholo ? [2.653 #2928]
Solafaka amin-tsira, lavo amin' ny tantely : ny mamy roa ho anao daholo. [2.558 #3927]
Solafaka amin-tsira, lavo amin-tantely: ka ny mamy roa ho anao daholo. [2.165 #1056]
Dikanteny frantsayGlisser sur du sel, tomber sur du miel: vous attrapez deux choses savoureuses pour vous tout seul. [2.165]
Fanazavana frantsayLe sel, autrefois était un article très apprécié et cher; ce proverbe revient à dire: Vous en avez de la chance! [2.165]

Ohabolana 29Solafaka amin' akondro, miarina amam-bahona : ny nianjerana mamy, fa ny niarenana mangidy. [2.558]

Ohabolana 30Tamam-pary mamy ka miady ny fakany. [2.558 #4010]
Tamam-pary mamy, ka mihady ny fakany. [2.165 #670, 2.415 #3071]
Tamanam-pary mamy, ka mihady ny fakany. [2.653 #2981, 2.974 #283]
Dikanteny frantsayAimer beaucoup la canne à sucre douce et en prendre jusqu' à la racine. [2.165]
Habitué à la douceur des cannes à sucre, il creuse jusqu' aux racines. [2.415 #3071]
Trop habitué à manger de la canne à sucre, il va jusqu’à déterrer les racines. [2.974 #283]
Fanazavana frantsaySe disait des libertins qui se ruinent pour continuer leur vie de débauche. [2.415 #3071]

Ohabolana 31Tantely am-borodamba ka tsy fantatry ny olona ho mamy. [2.558 #4076]
Tantely am-borodamba: tsy fantatr’ olon-ko-mamy. [2.653 #3028]

Ohabolana 32Tantely manatody amim-pary: ny manatody mamy, ny anatodizana mamy. [2.653 #3030, 2.558]
Tantely manatody amim-pary : tafahaona samy mamy. [2.653 #3031, 2.974]
Tantely manatody amim-pary : tafahoan-tsamy mamy. [2.558]
Dikanteny frantsayUne mouche à miel pondant sur la canne à sucre : le doux s’est ajouté au doux. [2.974 #71]

Ohabolana 33Tantely sy siramamy : na dia samy mamy aza, misy samihafa anarana ihany. [2.974 #72, 2.653]
Tantely sy siramamy : na dia samy mamy aza, tsy itovizana kosa ny anarana. [2.558 #4101]
Dikanteny frantsayMiel et sucre : même douceur et noms différents. [2.974 #72]

Ohabolana 34Tiana ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika. [2.558 #4135]
Tiana ny zanaka ; nefa raha manaikitra ny nono, akifika. [2.415 #942]
Tsy misy mamy hoatry ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika. [2.165 #1891]
Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika. [2.558, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na dia izay tiana indrindra aza, raha tafaohatra ny toetra asehony dia akipaka. [1.1]
Dikanteny frantsayLa mère aime son enfant, mais lorsqu' il lui mord le sein en tétant, elle l' écarte. [2.415 #942]
Rien n' est plus précieux (litt. doux) qu' un enfant, mais quand il mord le sein on le repousse. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens ingrats envers leurs bienfaiteurs ; se disait surtout pour montrer que l' affection ne doit pas empêcher les corrections et les réprimandes. [2.415 #942]

Ohabolana 35Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra. [2.165 #775]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely : ampoky ny mamy, ampoky ny soa. [2.558 #4872]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely ka tian-ko lalina indrindra. [1.1]
Vary amin-dronono tondrahan-tantely : tian-ko lalin ko fy indrindra. [2.974 #129, 2.653]
Vary niliña tantele. [1.68]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tiana ho amin' izay hahatsara azy indrindra. [1.1]
Enti-milaza zava-tsoa mitontohitra ka tiana sy ankasitrahana fatratra. [1.1]
Dikanteny frantsayDu riz au lait qu'on arrose de miel. [1.68]
Pareil à du riz au lait arrosé de miel, on aime qu' il soit aussi profond que possible. [2.165]
Riz au lait aspergé de miel : le summum de l’exquis. [2.974]
Fanazavana frantsaySouligne la perfection. [1.68]

Ohabolana 36Trangain' ny mamy, ka isafelehan' ny mangidy. [2.558]
Trangain’ ny mamy, ka safelehin’ ny mangidy. [2.653 #3265]

Ohabolana 37Tsy mahaleo ny mangidy voatondro, dia tsy hahazo ny mamy irain-jehy. [2.415 #2755]
Dikanteny frantsayIl faut savoir supporter un doigt d' amertume pour gagner un empan de douceur. [2.415]
Fanazavana frantsayOn n'a rien sans peine. [2.415 #2917]

Ohabolana 38Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mafanafana. [2.415]
Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mamy. [2.415]
Tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina. [2.165 #265]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy toy ny sakay; fa raha teny ierana, mafanafana. [2.653 #3533]
Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. [1.1]
Na inona na inona hasarotan-javatra eo amin' ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. [1.1]
Na inona na inona zava-tsarotra, rehefa ifanarahana tonga mora. [1.1]
Dikanteny frantsayRien n' est plus cuisant que le piment, mais quand il y a union et entente, c' est doux à manger. [2.415 #4842]
Rien n' est plus piquant que le piment, mais si l' on s' accorde pour cela, on le mange quand même. [2.165 #265]
Fanazavana frantsayLes peines sont adoucies en famille. [2.415 #4842]

Ohabolana 39Tsy ny hosoran-tsakay no ho mangidy ; tsy ny hosoran-tantely no ho mamy ; fa ny atao no mahasoa sy maharatsy. [2.415 #4844]
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy. [2.653 #3565, 2.165]
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy, tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahamamy sy mampangidy hoditra. [2.558 #4771]
Dikanteny frantsayCe n' est pas d' être frotté avec du piment qui vous fait sentir mauvais, et ce n' est pas d' être enduit de miel qui vous fait sentir bon, mais c' est ce qu' on fait qui rend bon ou mauvais. [2.165]
Ce n' est pas un enduit de piment qui rendra amer, ni un enduit de miel qui rendra doux, mais ce sont les actions qui sont une source de bien et de mal. [2.415 #4844]
Fanazavana frantsaySentir mauvais (litt. amer), se dit de ceux qui sont détestés, tandis que sentir bon (litt. doux) se dit de quelqu' un qui est aimé et populaire. [2.165]

Ohabolana 40Voninahitra omena ny akondro, fa ny vomanga mba mamy ihany. [2.653]
Voninahitra omena ny akondro, fa ny vomanga mba mamy ihany koa. [2.558 #326]
Voninahitra omena ny tantely, fa ny vomanga mba mamy ihany. [2.165 #850]
Dikanteny frantsayOn honore le miel, mais la patate est douce aussi. [2.165 #850]

Fizahan-teny