Teny iditra | 1 miady (ady) |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Mifamely amin' ny basy aman-defona: Mahay miady ny tari-dRamarovokatra noho ny an-dRamarovolana 4 Mifampitory eny amin' ny fitsarana: Miady lova ireto olona ireto 5 Mifanditra, tsy mifanaraka: Tsy manao afa-tsy ny miady ireo zaza mifanarakaraka ireo 6 Mikaona tsara: Miady tsara lahy ny rafitr' itỳ lalimoara itỳ [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
7 To fight, make war [1.2, 1.7] 8 to quarrel, to contend in words or deeds. [1.2] 9 to fit closely together, to correspond exactly [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
10 Se battre, être en guerre, faire la guerre [1.3, 1.8] 11 être en procès, se disputer 12 être joint, s'accoler, se mélanger, être comparé, confronté, se rapporter au type [1.3] 13 être bien ajusté; correspondre [1.8] |
Ohatra |
14 Tsy maintsy miady hatramin' nyfarany aho. [2.471] 15 Fantatsika fa miady ny tany ankehitriny, hoy izy. [2.472] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 20 rafitra ady, mikatroka, miady, mandrafitra ady, mifanangana, mikitrana, mifanandrina, mifanatrika, mifanao ankolafiny, mifanao ambakiloha, mifamely, mipaka, mikatroka, mikitra, mifampikatroka, mifandramatra, mifamango, mifanjinja, mifanafika, mifananika mifanora-bato, mifamely antsamotady, mifanondro basy aman-defona, mifanao mandrosoa fa masaka ny lohomby, mifanjenjina, mifamovoka, mifanakofoka, mifandrotika, mifanakotika, mifandazo, mifanorotoro, mifanotohoto, mifandripaka, mifandringana |
Kamban-teny |
|
Lohateny |
|
Ohabolana | 33 Ohabolana misy io teny miady io |
Fivaditsoratra | 34 amidy, i mady, miady |
Nohavaozina tamin' ny 2023/06/20 |