Teny iditra |
ady
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fifamelezana, fifanafihana amin' ny basy aman-defona:
Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany Fifampitoriana any amin' ny Fitsarana:
Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe Tsy fifanarahana, mety hiafara amin' ny fifamaliana mafy na amin' ny fifamelezana mihitsy aza:
Ady be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian' ny zavatra adika amin' ny dikany:
Manaitra ny maso avy hatrany ny adin' ny loko amin' ity sary ity
[1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | A fight, combat, quarrel, contention, battle, dispute, contest, attack, assault, war. Also of things fitting well, as a door and its posts, two straight pieces of wood fitting well together, two bricks, etc. etc. With suffix pronoun -ny, as adiny, it means a something difficult to be done. [Jav. Avd (?); or Ar. Adava.] [1.2]
|
| Fighting, war [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Guerre [1.3, 1.8, 1.5]
|
| Combat [1.3, 1.8, 1.13, 1.5]
|
| Discussion, dispute [1.3, 1.5]
|
| Procès [1.3, 1.5]
|
| Bataille Ajustage, jonction, mélange des couleurs, accord d'une copie avec son original Accord des instruments ou des voix [1.3]
|
| Lutte [1.13]
|
Ohatra |
1 | maty tany an'ady izy (il est mort à la guerre)
[1.3]
|
2 | mahery an' ady izy (il est valeureux dans les combats)
[1.3]
|
3 | nanao ady samy irery Davida sy Goliata (David et Goliath se battirent en combat singulier)
[1.3]
|
4 | manana ady izy (il est en procès)
[1.3]
|
5 | mba taiza no nahita ady hianao?
[2.324]
|
6 | maty maina ireo namoy ny ainy, tsy nahatohitra ny ady tsy omby tratra, ady tamin' ny hery setra, ady koa tamin' ny zehitra, izay samy nilomany.
[2.472]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
ady,
adiko,
adinao,
adiny,
adintsika,
adinay,
adinareo,
adin',
adin-,
adim- |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Lohateny |
|
Ohabolana |
Lahatsoratra |
|