Fizahan-teny

Ohabolana : mamba

Ohabolana 1Amboa nihaza mamba, ka mandimby ananana. [2.165 #1720, 2.653 #128]
Amboa nihaza mamba, ka nandimby ananana. [2.558 #175]
Dikanteny frantsayUn chien chassait un crocodile, et les rôles ont changé (c.à.d. c' est le crocodile qui a pris le chien). [2.165]
Fanazavana frantsayUn voleur volé. [2.165]

Ohabolana 2Arahaba mamba : tsy fitia fa tahotra. [2.974 #196]
Aza manao arahaba mamba: tsy fitia, fa tahotra. [2.653 #420, 2.165]
Dikanteny frantsayNe saluez pas comme on salue un caïman: ce ne serait pas de l'amitié, mais de la peur. [2.165]
Saluer le caïman, ce n’est pas amour, c’est crainte. [2.974 #196]

Ohabolana 3Aretina tsy miohatra ny boka, biby tsy miohatra ny mamba. [2.415]
Dikanteny frantsayPas de maladie pire que la lèpre, ni d'animal pire que le caïman. [2.415 #1944]
Fanazavana frantsaySe disait des choses excessives, comme les malheurs. [2.415]

Ohabolana 4Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila lolotramalona amy ny mamba. [2.653 #565]
Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila sahato amy ny voay. [2.653 #565]
Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila sahato amin' ny voay. [2.415]
Mandelika ny fahi-be tsy azo ho vary ka mila lolotr' amalona. [2.165 #2227]
Mandelika ny fahibe tsy ho vary, ka mila lolotr' amalona amin' ny mamba. [2.558]
Dikanteny frantsayCombler un grand étang qui ne produira quand même pas de riz, c' est chercher querelle aux caïmans (qui s' y trouvent). [2.165]
Ne comblez pas des étangs où le riz ne pourra jamais pousser, car vous vous attireriez les blâmes des caïmans. [2.415 #3793]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui s'attirent malheur par trop de zèle. [2.415 #3793]

Ohabolana 5Aza mba vonoina ny vintsy : sakaizan' ny mamba izy ireny ; hanin' ny mamba ialahy raha mampijaly ny sakaizany. [2.415]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas tuer les martins-pêcheurs, enfant : ce sont les amis des caïmans et le caïman te mangerait si tu maltraitais ses amis. [2.415 #1494]
Fanazavana frantsayLes parents disaient ce proverbe aux enfants pour les empêcher de faire du mal aux martins-pêcheurs. [2.415]

Ohabolana 6Bararatan' i Nanja : raha tsy pararetin' ny mamba dia pararetin' ny voay. [2.558 #848]
Bararatan' Inanja : raha tsy pararetin' ny mamba, pararetin' ny voay. [2.415 #709, 2.653]
Dikanteny frantsayRoseaux de Nanja : s' ils ne sont pas agités par les crocodiles, ils le sont par les caïmans. [2.415 #709]
Fanazavana frantsayLe peuple est exploité tantôt par un chef et tantôt par un autre. [2.415 #709]

Ohabolana 7Biby tsy miohatra ny mamba. [2.653, 2.165, 2.415, 2.558]
Dikanteny frantsayAucun animal ne surpasse le caïman. [2.165]
Le caïman est le plus fort des animaux, aucun autre ne saurait le vaincre. [2.415 #197]
Fanazavana frantsayDonc, n' en cherchez pas, ne demandez pas l' impossible. [2.165]
Paroles du roi Andrianampoinimerina passées en proverbe, pour signifier la force ou la puissance du souverain ou de toute autre personne. [2.415 #197]

Ohabolana 8Farihy maty mamba ka irobohan' ny adala rehetra. [2.558 #1125]
Farihy maty mamba, ka itsobohan’ ny adala rehetra. [2.653 #938]

Ohabolana 9Hiorika lanin' ny mamba, hivalana lanin' ny voay. [1.1]
Loza fa miorika lanin' ny voay, mivalana rambasan' ny mamba. [2.558]
Miorika lanin' ny mamba, mivalana lanin' ny voay. [2.558 #2359, 2.974 #372]
Dikanteny frantsayRemonter le courant, mais pour être la proie du caïman ; le redescendre, mais pour être la proie du crocodile. [2.974 #372]
Fanazavana frantsayÊtre perplexe, dans une impasse. [1.3]

Ohabolana 10Izay manova fantsakana, vaky siny, ary ny manova fitàna lanin' ny mamba. [2.558 #1510]
Izay manova fantsakana, vaky siny ; izay manova fitàna, lanin' ny mamba. [2.653, 2.415, 2.974]
Dikanteny frantsayChanger de fontaine, c’est briser sa cruche ; changer de gué, c’est se livrer aux caïmans. [2.974 #25]
Changer de fontaine, c' est casser sa cruche ; changer de gué, c' est être dévoré par les caïmans. [2.415 #322]
Fanazavana frantsayMalheur aux novateurs. [2.415 #322]

Ohabolana 11Lalan-tsarotra tsy mahavery mpandalo ; ary mamba tsy homana an-tanety ; kanefa raha tia vilivily, voatsilo ; ary raha tia raviravy tongotra, haniny ihany. [2.415 #6284, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayUn chemin difficile ne perd pas les passants ; le caïman ne dévore pas sur la terre ferme ; cependant si on aime les détours, on se blesse aux épines ; et si on aime à laisser pendre ses pieds dans l' eau, on est dévoré par le caïman. [2.415 #6284]
Fanazavana frantsayQui s'expose au danger y périra. [2.415 #6335]

Ohabolana 12Lasa ny mamba fa tonga ny voay. [2.558 #1750]
Lasa ny mamba ka tonga ny voay. [2.415 #2605, 2.653 #1338]
Lasa ny mamba: tonga ny voay. [1.1]
Lasa ny voay: misosoka ny mamba. [1.78]
Fanazavana malagasyIlazana olona na zavatra roa mifandimby, izay samy babany avokoa. [1.78]
Ilazana olona roa mifandimby samy manana toetra ikoizana. [1.1]
Dikanteny frantsayA peine les caïmans sont-ils partis que des crocodiles arrivent. [2.415 #2605]
Les crocodiles sont partis et les caïmans arrivent. [2.165]
Fanazavana frantsayÉchapper à un mal pour tomber dans un autre. [2.415 #2605]
Il n' y a pas moyen d' échapper; mais ce proverbe ne s' applique pas seulement en parlant de choses fâcheuses. [2.165]

Ohabolana 13Lohasaha fandrian’ ny zavona; helo-drano fandrian’ ny mamba. [2.558 #127, 2.653 #1375]
Lohasaha fandrian' ny zavona; helo-drano fandrian' ny mamba; ny avo halan' ny iva. [2.165 #1428]
Dikanteny frantsayDe même que c' est dans les vallées que se tient le brouillard et dans les sinuosités des rivières que se tiennent les caïmans, de même ceux qui sont en bas n' aiment pas ceux qui sont en haut. [2.165]

Ohabolana 14Lozoka toa hisy biby, rano toa hisy mamba, raha ny fo itokisana no lany. [2.558 #1820]

Ohabolana 15Mahantra lahy, fa maka ny anaty rano, hanin' ny mamba, maka ny an-tanety hipoaham-baratra. [2.558]
Mahantra lahy : maka ny anaty rano, hohanin' ny mamba; maka ny an-tanety, hipoaham-baratra. [2.165]
Dikanteny frantsayQui est bien à plaindre: s' il va prendre ce qui est dans l' eau, il sera pris par les crocodiles; et s' il prend ce qui est sur la terre ferme, il sera frappé par la foudre. [2.165]

Ohabolana 16Mahantra lahy! Miorika, lanin' ny mamba; mivalana, lanin' ny voay. [2.165 #1007]
Dikanteny frantsayIl est bien malheureux! S' il remonte le courant il est pris par un crocodile; et s' il descend le courant, il est saisi par un caïman. [2.165 #1007]

Ohabolana 17Mamba lanin-dreniny, sakafo lanin-tompony. [2.415 #2384]
Dikanteny frantsayCaïman mangé par sa mère, dîner mangé par son maître. [2.415 #2384]
Fanazavana frantsaySe disait par ironie de ceux qui mangeaient leur fortune. [2.415 #2384]

Ohabolana 18Mamba miandry fitàna : izay mirotsaka ao aminy, na tsy maty aza, tsy maintsy harahim-pahoriana. [2.653, 2.415]
Mamba miandry fitàna : izay mirotsaka ao aminy, na tsy maty aza tsy maintsy mitondra fahoriana. [2.558]
Dikanteny frantsayCaïman qui attend au gué : tous ceux qui descendent dans l' eau, lors même qu' ils ne meurent pas, trouvent malheur. [2.415 #3347]
Fanazavana frantsaySe disait des gens adonnés à la chicane, et des exploiteurs. [2.415 #3347]

Ohabolana 19Mamba noana ka tsy mahamasim-panidy. [2.415 #718, 2.558 #1948, 2.653, 2.165]
Mamba noana, ka tsy tam-panafody. [2.415 #716, 2.653]
Mamba noana, ka tsy tsy mifidy harapaka. [2.653]
Mamba noana ka tsy tsy tam-panafody. [2.165]
Mamba noana tsy mahamasim-panidy. [1.1]
Mamba noana tsy mba masim-panidy. [2.415 #718]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olon-doza tsy azo ivalozana ary tsy azo idifiana. [1.1]
Dikanteny frantsayCaïman affamé qu' aucun charme ou talisman ne peut arrêter. [2.415 #716]
Le concussionnaire et l' exacteur sont comme le caïman affamé dont la gueule n' est pas fermée par l' amulette. [2.415 #718]
Sur un caïman affamé un charme n' a pas d' effet. [2.165]
Fanazavana frantsayOn appelait fanidy un charme qui était censé fermer la bouche du caïman. [2.415 #718]
Se disait des exacteurs et des bandits. [2.415 #716]

Ohabolana 20Mamba noana, mamba miandry. [2.415 #717]
Dikanteny frantsayCaïman affamé toujours aux aguets, caïman qui attend une occasion. [2.415 #717]

Ohabolana 21Mamba tsy maty anaty rano fa eny an-tanety. [2.558]

Ohabolana 22Manao tokin-dreniomby: mamba matory, ka horohana. [2.653 #1558]
Manao tokin-dreniomby : mamba matory ka orohana. [2.415 #6296, 2.558 #2014]
Dikanteny frantsayAvoir une audace de vache : elle va flairer un caïman qui dort. [2.415 #6296]

Ohabolana 23Mita be tsy lanin' ny mamba. [2.165 #235, 2.653 #1844, 2.974]
Dikanteny frantsaySi l' on est nombreux pour traverser (la rivière), on n' est pas mangé par les caïmans. [2.165]
Une foule dans une rivière n’a pas à craindre les caïmans. [2.974 #410]
Fanazavana frantsayL' union fait la force. [2.165]

Ohabolana 24Mita rano saro-mamba. [2.415 #2628, 1.1]
Fanazavana malagasyMandalo fotoan-tsarotra. [1.1]
Dikanteny frantsayPasser par une épreuve dangereuse, c' est passer à gué une rivière peuplée de caïmans. [2.415 #2628]

Ohabolana 25Mitsirika ambany rano toa mamba. [2.415 #724]
Dikanteny frantsaySemblable au caïman qui regarde par-dessous l' eau s' il y a une proie à saisir. [2.415 #724]
Fanazavana frantsayS'appliquait aux voleurs. [2.415 #724]

Ohabolana 26Mpanjono lasa-mamba, ka samy maka ny tiany. [2.165 #1719, 2.653 #1968]
Mpanjono lasan' ny mamba ka samy maka ny tiany. [2.558 #2596]
Dikanteny frantsayUn pêcheur à la ligne pris par un crocodile, chacun prend ce qu' il lui faut. [2.165]
Fanazavana frantsayLe pêcheur prend (ou prenait) des poissons, et le crocodile prend l' homme! [2.165]

Ohabolana 27Nahoana no ny Betsimisaraka no namono mamba, ka ny Sakalava no miravaka ny nifiny. [2.415 #3862]
Nahoana no ny Betsimisaraka no namono ny mamba, ka ny Sakalava no miravaka ny nifiny ? [2.653 #2059, 2.974 #115]
Ny Sakalava no namono ny voay, ka ny Tanosy no miravaka ny nifiny. [2.653 #2412]
Dikanteny frantsayPourquoi est-ce le Betsimisaraka qui a tué le caïman et le Sakalava qui se fait une parure de ses dents ? [2.415 #3862]
Pourquoi le Betsimisaraka a-t-il abattu le caïman, si c'est le Sakalava qui doit se parer de ses dents ? [2.974 #115]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui travaillent et prennent de la peine pour d'autres. [2.415 #3862]

Ohabolana 28Nefa aho tsy dia tevan-tia hena, na mamba tia morona. [2.653 #2098]
Nefa aho tsy tevan-tia hena, na mamba tia morona, ka aza ratsy fijery. [2.558]

Ohabolana 29Ny havandra hamono tsy mba mirehona; ny mamba hanaikitra tsy mba miseho. [2.653 #2258, 2.974 #392]
Ny havandra hamono tsy mba mireona ; ny mamba hanaikitra. [2.415 #2735]
Dikanteny frantsayCaïman qui mordra ne se fait pas voir. [2.415 #2735]
La grêle ne gronde pas avant de nuire ; le caïman se cache avant de mordre. [2.974 #392]
Fanazavana frantsayLe malheur frappe à l'improviste. [2.415 #2735]

Ohabolana 30Ny mamba handramby tsy mba mikoba-drano. [2.558 #3096]

Ohabolana 31Ny mamba no mandoto rano, ka ny amalona no tsy mahita rano hosotroina. [2.653 #2315, 2.974 #118]
Dikanteny frantsayC’est le caïman qui souille l’eau et c’est l’anguille qui ne trouve pas où boire. [2.974 #118]

Ohabolana 32Ny ony niteraka ny mamba, fa ny loharano niteraka ny ony. [2.558 #3203]
Ny ony niteraka ny mamba; ny loharano niteraka ny ony. [2.165 #2247, 2.415 #303, 2.653 #2386]
Dikanteny frantsayLe fleuve a donné naissance aux caïmans; la source a donné naissance au fleuve. [2.165]
Le lac a produit un caïman, la source a produit un fleuve. [2.415 #303]
Fanazavana frantsayParoles dites par les descendants du roi Ralambo source des nobles de l' Imerina pour dire qu'ils étaient la source des souverains ; on les appliquait aux richesses. [2.415 #303]

Ohabolana 33Nitady toko ka sendra vato, nitady biby ka tojo mamba. [2.558 #2791]

Ohabolana 34Raha mamba sy voay no miady, aoka hifandramatra, fa samy tompon' ny rano ary raha misy maty dia mihena ny mpiandry fitàna. [2.558]

Ohabolana 35Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra, fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra. [2.165]
Dikanteny frantsayQuand deux crocodiles se battent, laissez-les faire jusqu' au bout, car ils n' ont pas à craindre de déchirer leurs vêtements. [2.165]
Fanazavana frantsayProverbe marquant qu' il ne faut pas intervenir mal à propos dans les querelles qui ne nous regardent pas. [2.165]

Ohabolana 36Sokina mita rano ka tsy maha-lehibe vava mamba. [2.558 #3921]

Ohabolana 37Tendrombohitra, fandrian’ ny zavona ; lohasaha, fandrian’ ny moka; sakeli-drano, fandrian’ ny mamba; izaho kely, fandrian’ ny saina. [2.653 #3069, 2.974 #331]
Dikanteny frantsayLa montagne est le lit des brouillards ; la vallée est le lit des moustiques ; le repli du fleuve est le lit des caïmans; et mon humble apparence est le lit de l’intelligence. [2.974 #331]

Ohabolana 38Toy ny mamba noana, ka tsy mifidy harapaka. [2.415 #739]
Dikanteny frantsayComme le caïman affamé qui ne choisit pas sa proie. [2.415 #739]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui ne reculent devant rien pour faire le mal. [2.415 #739]

Ohabolana 39Toy ny toho asesi-mamba. [2.558 #4338, 2.653 #3238]
Toy ny toho atosiky ny mamba, mandeha amin-tahotra. [2.165 #924]
Dikanteny frantsayComme les petits poissons poussés (vers le bord) par le caïman, c' est par crainte qu' ils vont. [2.165]
Fanazavana frantsayOn dit que le caïman les pousse vers la rive pour saisir le pêcheur qui voudra les prendre. Ce proverbe servait d' excuses aux petits que les grands envoyaient voler. [2.165]

Ohabolana 40Tsy hita izay hiainana, fa hoatry ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano ; mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.415 #5833]
Tsy hita izay hiainana, fa ohatra ny tsindretra anaty tambiazina: mankamy ny marivo, tsindrohin’ ny vano; mankamy ny lalina, paohin’ ny mamba. [2.653]
Tsy hita izay hiainana, fa toy ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano, mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.558 #4496]
Dikanteny frantsayOn ne sait comment vivre, car on est comme les larves de libellules dans une eau ferrugineuse : si elles sont dans les endroits peu profonds, le héron les prend une à une avec le bec ; si elles sont dans les endroits profonds, le caïman les rafle. [2.415 #5833]

Ohabolana 41Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.558 #4441]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahonamandry an-tatatra, mamba mandry an-osy : samia mitoetra amy ny onin-drainy. [2.653 #3311]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy : samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.415 #865, 2.974]
Dikanteny frantsayLa libellule se repose dans la rizière, la grenouille dans les rigoles humides, le caïman sur les îlots du fleuve : qu’ainsi chacun demeure à sa place (dans sa rivière d’origine). [2.974 #122]
Larves de libellules dans les rizières, grenouilles dans les canaux, caïmans dans les îlots, que chacun demeure dans l' eau de ses pères. [2.415 #865]
Fanazavana frantsayChacun doit rester dans sa condition et garder ses usages. [2.415 #865]

Ohabolana 42Tsy ny farihy lelik’ antsanga, fa ny farihy maty mamba : ny zanany no mpandimby an-drainy. [2.558 #4768]
Tsy ny farihy lelik’ antsanga, fa ny farihy maty mamba : ny zanany no mpandimby ny rainy. [2.653 #3563]

Fizahan-teny