|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 tarỳ |
| Singan-teny | 2 t~, 3 arỳ |
| Sokajin-teny | 4 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "arỳ" raha enti-milaza ny lasa: Tarỳ Ankadindambo izahay afakomaly
6 Avy arỳ: Efa tarỳ ve ianao? [1.1] |
| Ohatra |
7 tary ambany tary, nisy vehivavy lehibe iray avy niakatra.
[2.4#]
8 Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [2.117#] 9 Ny miaramila an-tongotra kosa dia tary Analatelo no niandry. [2.472#] |
| Teny iditra (2/2) | 10 tary |
| Sokajin-teny | 11 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
12 Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin' ny n' lapa izy (hoditra tokana eo amin' ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary
[1.1] 13 Ny kely indrindra amin' ireo amponga efatra nampiasaina tamin' ny famorana ka natao hipetrahan' ny zaza hodidiana [Merina] [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
14 a second drum
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
15 le plus petit des quatre tambours usités à la circoncision, dont le son était rauque et sur lequel on plaçait l'enfant pour le circoncire
[1.3] |
| Ohatra |
16 Ampongalahy iray atao hoe "tary" no ipetrahan' izay hitazona ny zaza.
[2.436#]
|
| Sampanteny |
|
| Voambolana | 19 Feon-kira: zavamaneno |
| Renianarana |
|
| Fivaditsoratra | 141 itra, 142 raty, tary, tarỳ, 143 Tira, 144 tria |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/13 |
|