Teny iditra tarỳ
Singan-teny t~ ; arỳ
Sokajin-teny ny lasan' ny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "arỳ" raha enti-milaza ny lasa: Tarỳ Ankadindambo izahay afakomaly
Avy arỳ: Efa tarỳ ve ianao? [1.1]
Ohatra 
1Tary ambany tary, nisy vehivavy lehibe iray avy niakatra. [2.4]
2Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [2.117]
3Ny miaramila an-tongotra kosa dia tary Analatelo no niandry. [2.472]

Teny iditra tary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin' ny n' lapa izy (hoditra tokana eo amin' ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary [1.1]
  [Merina] Ny kely indrindra amin' ireo amponga efatra nampiasaina tamin' ny famorana ka natao hipetrahan' ny zaza hodidiana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A second drum [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Le plus petit des quatre tambours usités à la circoncision, dont le son était rauque et sur lequel on plaçait l'enfant pour le circoncire [1.3]
Ohatra Ampongalahy iray atao hoe "tary" no ipetrahan' izay hitazona ny zaza. [2.436]
Voambolana 
Sampanteny 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19