Fizahan-teny

Ohabolana : farihy

Ohabolana 1Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila lolotramalona amy ny mamba. [2.653 #565]
Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila sahato amy ny voay. [2.653 #565]
Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila sahato amin' ny voay. [2.415]
Mandelika ny fahi-be tsy azo ho vary ka mila lolotr' amalona. [2.165 #2227]
Mandelika ny fahibe tsy ho vary, ka mila lolotr' amalona amin' ny mamba. [2.558]
Dikanteny frantsayCombler un grand étang qui ne produira quand même pas de riz, c' est chercher querelle aux caïmans (qui s' y trouvent). [2.165]
Ne comblez pas des étangs où le riz ne pourra jamais pousser, car vous vous attireriez les blâmes des caïmans. [2.415 #3793]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui s'attirent malheur par trop de zèle. [2.415 #3793]

Ohabolana 2Farihy maty mamba ka irobohan' ny adala rehetra. [2.558 #1125]
Farihy maty mamba, ka itsobohan’ ny adala rehetra. [2.653 #938]

Ohabolana 3Farihy tsy misy vodiny, ony tsy misy vavany. [2.415 #5751, 2.558 #1126, 2.653 #939]
Dikanteny frantsayLac qui n' a pas de fond, fleuve qui n' a pas d' embouchure. [2.415 #5751]
Fanazavana frantsayChose impossible. [2.415]

Ohabolana 4Kely mitrena am-parihy hoatry ny zinga. [2.415]
Kely mitrena am-parihy ohatra ny zinga. [2.653, 2.165]
Kely mitrena am-parihy toa zinga. [2.558 #1621]
Dikanteny frantsayPetit qui beugle fort sur le bord des rizières, comme la tasse qui sert à puiser l' eau. [2.415 #1514]
Une petite chose qui mugit près de l' étang, telle la grande tasse en fer-blanc (servant à puiser l' eau). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des enfants et des petites gens. [2.415 #1514]

Ohabolana 5Kotroka adalo ka any aoriana mandrava farihy. [2.558 #1664]

Ohabolana 6Mahina inona no misatroka am-parihy? [2.165 #1076]
Mahin' inona no misatroka am-parihy? [2.415 #1644, 2.653]
Mahin' ny inona no misatroka am-parihy. [2.558 #1882]
Dikanteny frantsayDe qui donc vous inquiétez-vous pour enfoncer votre chapeau sur la tête en passant auprès d' une rizière qu' on travaille? [2.415 #1644]
De quoi êtes-vous inquiet que vous vous enfonciez le chapeau sur la tête en passant auprès d' une rizière (où on travaille)? [2.165]
Fanazavana frantsayPour ne pas être invité à prendre part à la besogne; celui auquel on s' adresse ainsi ne tenait pas à être reconnu. [2.165]

Ohabolana 7Matahi-dratsy karaha hetona am-parihy. [1.147 #M92]

Ohabolana 8Nandalo farihy : niavona, nahita dobo : nandro! [2.558]

Ohabolana 9Raha soasoa no ataon-drahavana, dia tsiriry miandry farihy izahay, fa raha ratsiratsy no ataon-drahavana, manifi-drano izahay dia lasa. [2.558 #3656]

Ohabolana 10Ravin-tatamo am-parihy : tezitra, ny ranomaso havozona, faly ny ranomaso hantenda. [2.558]

Ohabolana 11Tatamo am-parihin-dRasahala : raha faly, miara-manatrika, raha tezitra miara-mihodina. [2.558 #4111]
Tatamo am-parihin-dRasahala : raha faly, miara-manatrika; tezitra, miara-mihodina. [2.653 #3047]
Toa ravin-koririka am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika; tezitra, miara-mihodina. [2.165]
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika; tezitra, miara-mihodina. [2.165]
Dikanteny frantsayNous sommes pareils aux feuilles de nénuphar dans l' étang égalisateur: contents, nous nous tournons les uns vers les autres; fâchés, nous nous détournons les uns des autres. [2.165]

Ohabolana 12Trano misy olona, misy afo, tany misy farihy, misy sahona. [2.558 #4384]

Ohabolana 13Tsy ny farihy lelik’ antsanga, fa ny farihy maty mamba : ny zanany no mpandimby an-drainy. [2.558 #4768]
Tsy ny farihy lelik’ antsanga, fa ny farihy maty mamba : ny zanany no mpandimby ny rainy. [2.653 #3563]

Ohabolana 14Tsiriry diso farihy va hianao, no miboboka ranon-tambiazina ? [2.653]
Tsiriry diso farihy ve hianao no miboboka ranon-tambiazina? [2.558 #4460]
Vorona diso farihy, ka misoka amy ny ranon-tambiazina. [2.653 #3743]
Vorona diso farihy, ka misoka amin' ny ranon-tambiazina. [2.415 #5884]
Vorona diso farihy : na tsy misoka ranon-tambiazina aza misolotika amim-potaka. [2.558 #5039]
Dikanteny frantsayOiseau qui n'a pas rencontré le lac ou l' étang : il se plonge dans l' eau ferrugineuse. [2.415 #5884]
Fanazavana frantsayIl faut se contenter de ce qu'on a ; faute de grives on mange des merles. [2.415 #5884]

Fizahan-teny