Teny iditra manatrika (atrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahita maso: Nanatrika ny namonoana an' i Rainandriamampandry, hono, ny raibeny
Tonga amin' ny...: Tsy nanatrika ny fivoriana izy omaly fa nanavy
Manoloana, tandrify, amin' ny toerana manandrify: Manatrika ny lapan' ny tanàna ny tranonay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To face one, to stand in presence of, to see, to witness, to act as spectators or witnesses. [1.2]
 To face, to meet face to face [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Faire face; assister à [1.8]
Ohatra 
1Avia manatrika, avia manoioana. [2.245]
2Manatrika an' Ilaidama ve ianareo? [2.528]
3Dia eo manatrika ny manjo ny zanaka, anadahy, na vadin' ny tena. [2.472]
4Mitsangana manatrika ny fefy vy mampisaraka azy amin' ny mpiasa izy ireo. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manatrika
Ny lasa : nanatrika
Ny hoavy : hanatrika
Filaza mandidy : manatreha
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra mañatrika
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Mitahy, manampy [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/27