Fizahan-teny

Ohabolana : mangahazo

Ohabolana 1Aza atao fitia mangahazo : tiana ihany ka akapokapoka. [2.415 #5069, 2.558 #386, 2.653]
Dikanteny frantsayQue votre amour ne ressemble pas à celui qu' on a pour le manioc : on aime le manioc, mais on le frappe et on le jette contre la pierre du foyer. [2.415 #5069]
Fanazavana frantsayOn frappe ainsi le manioc grillé sous la cendre pour enlever la cendre. Ne croyez pas aimer si vous traitez mal. [2.415 #5069]

Ohabolana 2Aza manao ombin’ Imarovatana : sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bola folo ; nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony ihany no mihalehibe. [2.653, 2.415]
Aza manao ombin' Imarovatana : sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bolafolo, nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony no mihalehibe. [2.558]
Dikanteny frantsayNe soyez pas comme les boeufs d'Imarovatana : ils mangent à la fois l' herbe de toute une vallée et du manioc pour deux piastres et demie, et cependant on ne voit pas qu' ils engraissent, il n' y a que leur ventre qui grossisse. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui, malgré tous les soins, ne paient pas de retour. [2.415 #5432]

Ohabolana 3Dokodahy ririnina : amidy tsy lafo voamena, avela mandany mangahazo. [2.558 #1003]

Ohabolana 4Mangahazo anaty tenona: mitondra lefona an-kibo, miferin-aina andro aman-alina, velona fa manana aina. [2.415 #2618, 2.653 #1612]
Mangahazo anaty tenona : mitondra lefona an-kibo, miferin' aina andro aman' alina, velona fa manan' aina. [2.558 #2099]
Dikanteny frantsayManiocs au milieu de glaïeuls : ils portent des lances au coeur et sont affligés jour et nuit ; on dit qu' ils sont vivants parce qu' ils n' ont pas perdu la vie. [2.415]
Fanazavana frantsayLe glaïeul est une mauvaise herbe très vivace et dont les feuilles sont en forme de lance ; les pousses qui sortent de terre sont dures et piquantes ; ce proverbe se disait des affligés. [2.415 #2618]

Ohabolana 5Mangahazo mangidy malemy: hanina amin' ny lemim-panahiny. [1.1]
Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin' ny lemim-panahiny. [2.165 #383, 2.415 #5960, 2.558 #2100]
Fanazavana malagasyRaha tsy maintsy mandray vola na zavatra manana toetra mifangaroharo, ny toetra tsara ananany no jerena. [1.1]
Dikanteny frantsayLe manioc amer et tendre: c' est sa tendreté qui le fait manger. [2.165]
Le manioc amer et tendre, on le mange à cause de sa tendresse. [2.415 #5960]

Ohabolana 6Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo nanjary fanala hamono ny mangahazo. [2.558 #2761]
Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo tonga fanala hamono ny mangahazo. [2.653 #2092]

Ohabolana 7Natao ihany ny sikidy an-tanana, fa raha noana natakalo mangahazo. [2.415 #132, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayOn s' était bien promis de garder au bras ce que le devin avait commandé de porter, mais quand on a faim on le change pour du manioc. [2.415 #132]
Fanazavana frantsayNécessité n' a pas de loi. [2.415 #132]

Ohabolana 8Taola-mangahazo natao zaridaina : samy ti-hanjary. [1.147 #T43]

Ohabolana 9Tsy mba nampoizina ho fanala hamono ny mangahazo, fa natao ho zavona hahamasaka ny vary. [2.415 #5940]
Dikanteny frantsayOn ne croyait pas que ce fût de la gelée blanche à faire mourir le manioc, mais on pensait que c' était un brouillard à faire mûrir le riz. [2.415 #5940]
Fanazavana frantsaySe disait des gens trompés dans leurs prévisions. [2.415 #5940]

Fizahan-teny