Fizahan-teny

Ohabolana : lohasaha

Ohabolana 1Aza manao ombin’ Imarovatana : sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bola folo ; nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony ihany no mihalehibe. [2.653, 2.415]
Aza manao ombin' Imarovatana : sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bolafolo, nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony no mihalehibe. [2.558]
Dikanteny frantsayNe soyez pas comme les boeufs d'Imarovatana : ils mangent à la fois l' herbe de toute une vallée et du manioc pour deux piastres et demie, et cependant on ne voit pas qu' ils engraissent, il n' y a que leur ventre qui grossisse. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui, malgré tous les soins, ne paient pas de retour. [2.415 #5432]

Ohabolana 2Aza manao toy ny jorery: ny feony mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava. [2.165 #846, 2.974]
Dikanteny frantsayNe pas imiter la cigale, dont la voix franchit les vallées, mais dont on ne ferait pas une bouchée. [2.974 #29]
Ne soyez pas comme la cigale: elle a un cri qui traverse la vallée, mais de son corps on ne ferait pas une bouchée. [2.165]

Ohabolana 3Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra an-tampon, ny loha. [2.415 #20]
Aza ny lohasaha mangingina no heverina, Andriamanitra no ambonin' ny loha. [2.415 #11]
Aza ny lohasaha mangingina no heverina, fa Andriamanitra ambonyloha. [2.415 #6000]
Aza ny lohasaha mangingina no heverina, fa Andriamanitra no ambonin’ ny loha. [2.165 #16, 2.653 #696, 2.974]
Dikanteny frantsayNe comptez pas sur le silence de la vallée, car Dieu est au-dessus de votre tête. [2.974 #52]
Ne comptez pas sur le silence de la vallée car Dieu est toujours là au-dessus de vos têtes. [2.415 #11]
Ne pensez pas que la vallée soit solitaire, car Dieu y est présent et domine tout. [2.415 #20]
Ne te crois pas caché dans la vallée déserte, car Dieu est au-dessus de la tête. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. n' escompte pas la solitude pour faire le mal. [2.165]
Ce proverbe se disait à ceux qui comptent sur la nuit ou la solitude pour faire le mal : Dieu voit tout. [2.415 #11]
Ne comptez pas sur la solitude pour faire le mal, car Dieu vous voit. [2.415 #20]

Ohabolana 4Boka lavon' antsoro : any an-dohasaha vao mifanatrika. [2.415 #1953, 2.653 #779]
Dikanteny frantsayLépreux qui a glissé sur l' herbe antsoro et est tombé : ce n' est qu' au fond de la vallée qu'il pourra regarder en face l' ennemi qui l' a renversé. [2.415 #1953]
Fanazavana frantsayN' ayant plus de mains, le lépreux ne peut pas se raccrocher. [2.415 #1953]

Ohabolana 5Bonga tsy miohatra an’ Ankaratra. [2.653, 2.415]
Bonga tsy miohatra an' Ankaratra, lohasaha tsy miohatra an' Ilempona. [2.558]
Dikanteny frantsayIl n' y a pas de montagne qui dépasse l'Ankaratra. [2.415 #4745]
Fanazavana frantsayPour dire d'une personne ou d' une chose, quelle est au plus haut degré de perfection : on ne peut rien imaginer de mieux. [2.415 #4745]

Ohabolana 6Ilay nihaza jorery : tsy araka ny feony niampita lohasaha ny habeny. [2.558 #1415]
Ny feony niampita lohasaha fa ny tenany tsy ampy indraim-bava, hoy ilay nihaza jorery. [2.558]

Ohabolana 7Lohasaha fandrian’ ny zavona; helo-drano fandrian’ ny mamba. [2.558 #127, 2.653 #1375]
Lohasaha fandrian' ny zavona; helo-drano fandrian' ny mamba; ny avo halan' ny iva. [2.165 #1428]
Dikanteny frantsayDe même que c' est dans les vallées que se tient le brouillard et dans les sinuosités des rivières que se tiennent les caïmans, de même ceux qui sont en bas n' aiment pas ceux qui sont en haut. [2.165]

Ohabolana 8Mipoa-basy an-dohasaha; miati-drohona ho any ny tena. [2.653 #1806]
Mipoa-basy an-dohasaha : miati-drohona ho an' ny tena. [2.415 #2726]
Dikanteny frantsayTirer un coup de fusil au fond de la vallée, c' est s' accabler soi-même du bruit retentissant. [2.415 #2726]
Fanazavana frantsayOn est sa propre victime. [2.415 #2726]

Ohabolana 9Ny lohasaha tsy ilaozam-pidinana, ny tendrombohitra tsy ilaozam-piakarana. [2.558 #3085]
Ny lohasaha tsy ilaozam-pidinana, tendrombohitra tsy ilaozam-piakarana. [2.165 #2165, 2.415 #3287]
Dikanteny frantsayDans une vallée il faut qu'il y ait des descentes et dans une montagne des montées. [2.415 #3287, 2.165]

Ohabolana 10Ny valala mameno tanety, ny zavona mameno lohasaha, fa ny mpilaza mahay rahateo. [2.558 #3351]

Ohabolana 11Raha lohasaha tsy lonaky ny zezika, dia vatolampy no ao. [2.653 #2671, 2.974 #329]
Dikanteny frantsaySi une vallée est rebelle au fumier, c’est qu’elle recouvre un rocher. [2.974 #329]

Ohabolana 12Sakelidrano fandrian' ny voay. [2.415 #735, 2.653 #2840]
Sakelidrano fandrian' ny voay, lohasaha fandrian' ny moka. [2.558 #3820]
Dikanteny frantsayLes affluents des rivières sont des nids de crocodiles. [2.415 #735]
Fanazavana frantsaySe disait des repaires d'exacteurs ou d' avares. [2.415 #735]

Ohabolana 13Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan' izay hamarara. [2.415, 2.558, 1.1]
Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan' izay mamarara. [2.653 #2862, 2.974 #457, 2.415]
Toy ny saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan' izay mamarara. [2.165 #142]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa amin' ny olona maro iray fifehezana, tsy maintsy misy maningana tsizarizary na tsy vanombanona. [1.1]
Mitovitovy amin' ilay eo ambony ihany, fa manamarika kokoa ny hevitra hoe amin' ny antokon' olona iray, na fikambanana na fianakaviana, tsy maintsy misy manivaka ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayChamp de songes dans une vallée : il faut qu’il y en ait quelqu’un de gâté. [2.974 #457]
Dans un champ d' arums il y en a toujours quelques-uns qui ont des taches. Parmi un grand nombre d' individus ou dans une communauté, il y a toujours quelque brebis galeuse. [2.165]
Parmi les gouets qui remplissent une vallée il y en a toujours de mauvais. [2.415 #1127]
Fanazavana frantsayDans un troupeau il y a toujours une brebis galeuse, et dans une famille, des indignes. [2.415 #1127]

Ohabolana 14Tendrombohitra, fandrian’ ny zavona ; lohasaha, fandrian’ ny moka; sakeli-drano, fandrian’ ny mamba; izaho kely, fandrian’ ny saina. [2.653 #3069, 2.974 #331]
Dikanteny frantsayLa montagne est le lit des brouillards ; la vallée est le lit des moustiques ; le repli du fleuve est le lit des caïmans; et mon humble apparence est le lit de l’intelligence. [2.974 #331]

Ohabolana 15Tsy hita izay hatao, fa ny iray manao hoe : " mivalana ny lohasaha " ary ny iray : " mioriha " kosa. [2.415 #5832]
Tsy hita izay hatao! Ny iray manao hoe: "Mivalàna ny lohasaha" ; ary ny iray: "Mioriha" kosa. [2.165]
Dikanteny frantsayComment faire! L' un dit: "descendez la vallée" ; l' autre dit: "remontez-là" . [2.165]
On ne sait que faire : l' un dit : descendez la vallée, et l' autre : remontez. [2.415 #5832]

Ohabolana 16Vatobe tsy misy tohany, ka any an-dohasaha no iafarany. [2.558 #4889]

Fizahan-teny