Fizahan-teny

Ohabolana : ampanga

Ohabolana 1Ampanga diso an' Andringitra : herintaona ngarangidina ka tovon-tanana ihany. [2.558]
Ampanga diso an’ Andringitra: herintao-ngarangidina, ka tovo-tanana ihany. [2.653]

Ohabolana 2Antsipeko miango ampanga, miango raha tsy tia an-tena. [1.147 #A91]

Ohabolana 3Be fandrahonana hoatry ny ampanga : mbola any an-tany, ka mamonkin-totohondry. [2.415 #5595]
Be fandrahonana ohatra ny ampanga : mbola any an-tany dia mamonkina totohondry. [2.558 #889]
Be fandrahonana, ohatra ny ampanga: mbola any an-tany, ka mamonkin-totohondry. [2.653]
Be rahona tahaky ny ampanga : any an-tany ka mamoron-toto-hondry. [2.415 #761]
Dikanteny frantsayL' inférieur qui s' emporte contre son supérieur n' est fort qu'en menaces, comme la fougère qui sortant à peine de terre montre le poing. [2.415 #761]
Plein de menaces comme la fougère : à peine sort-elle de terre qu' elle se contracte et montre le poing. [2.415 #5595]
Fanazavana frantsayAllusion à la forme de la fougère. [2.415 #5595]
Le proverbe fait allusion à ce que la fougère sortant de terre, à la forme d' une main fermée ; il se disait en général des menaces vaines et non suivies d' effet. [2.415 #761]

Ohabolana 4Misy ady moa, dia miady ; tsy misy ady, dia ampanga no lazoina. [2.165 #346, 2.415 #3492, 2.653 #1842]
Misy ady moa dia miady, tsy misy ady dia ny ampanga no lazoina. [2.558 #156]
Dikanteny frantsayS' il y a rencontre, on se battra ; et s' il n' y a pas rencontre, on fera sécher des fougères. [2.415 #3492]
S' il y a une guerre (dispute, procès), on se bat; s' il n' y en a pas, on fait sécher (ou brûle) les fougères. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. on s' en va à ses affaires, grandes ou petites. [2.165]
Si on ne se bat pas, on vaquera à ses affaires. [2.415 #3492]

Ohabolana 5Tsy ny kirihitr' ala hodiasan' ampanga no maty, fa ny ala be ho diasan' ny hazo mena. [2.558 #4773]

Ohabolana 6Tsy ny kirihitr’ ala no maty, ka ampanga no handimby; fa ny ala-be no maty, ka hazo mena no mandimby. [2.653 #3567]

Fizahan-teny